- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miara-miasa amin'ny Google ny Global Voices ho an'ny fifaninanana fahalalàhana maneho hevitra

Sokajy: Fahalalahàna miteny

Misokatra androany (29 Desambra 2009) ny fisoratanana anarana ho an'ny fifaninanana Breaking Borders [1], fifaninanana vaovao noforonin'ny Google [2] sy Global Voices [3] mba hanomezam-boninahitra ireo tetik'asa malaza amin'ny tanterahin'ireo olon-tsotra na vondrona mampiseho herim-po, tanjaka ary fiketrehana amin'ny fampiasàna aterineto mba hampielezana ny fahalalàhana miteny. Tohanan'i Thomson Reuters [4] ihany koa ilay fifaninanana.

Ny fifaninanana Breaking Borders dia mifototra amin'ny lanja navohitra tamin'ny Global Voices Manifesto [5], antontan-kevitra niarahana nanoratra tao amin'ny wiki tamin'ny 2004 mba hitanisàna ireo foto-kevitra toro-làlan'ny fikambanana sy fiaraha-monina izay hanjary hoe Global Voices no nahafantarana azy. Manomboka amin'ireto teny ireto izany Manifesto izany:

“Mino ny fahalalàhana miteny izahay: amin'ny fiarovana ny zo hiteny — ary ny zo hihaino. Mino ny fahafahan'izao tontolo izao hahazo ireo fitaovam-pitenenana izahay.

Hanatrarana an’ izany, izahay dia mikatsaka ny hahafahan'ny tsirairay izay te-hiteny mahazo ireo fitaovana hanaovana izany — ary hahafahan'ireo izay te-hihaino izany fitenenana izany mahazo ireo fitaovana hiainoana izany.”

Ny Fifaninanana Breaking Borders koa dia mameno ny asan'ny Global Voices Advocacy [6], izay natsangana tamin'ny Febroary 2007 hanintona ny fifantohan-tsaina amin'ireo hetsiky ataon'ny fikambanana  mifandraika amin'ny fahalalàhana maneho hevitra .

Misokatra ho an'ny olona rehetra maneran-tany ny Fifaninanana Breaking Borders. Hofidian'ireo mpitsàra manam-pahaizana amin'izany sehatra fahalalàhana maneho hevitra izany ireo mpandresy. Hisy lelavola $10 000 hatolotra ny mpandresy tsirairay isak'ireto fizaràna telo ireto:

1. Herim-po, atolotra an'izay mahery fo na vondrona nampiasa fitaovana tamin'ny aterineto mba hanapariahana ireo heviny malalaka na handrisihana fiovàna ara-politika

2. Teknolojia, atolotra an'izay olon-tsotra na vondrona namorona fitaovana lehibe mamela ny fanehoan-kevitra malalaka sy manitatra ny fahafahana mahazo vaovao

3. Politika, atolotra an'izay mpanao politika , mpikambana ao amin'ny governemanta na mpitarika Fikambanana tsy miankina izay nandray anjara mavitrika tamin'izany sehatra izany

Azo alefa ao amin'ny http://www.breakingborders.net [1] ireo fisoratana anarana/fifidianana ho an'ny Fifaninanana Breaking Borders ka mifarana amin'ny 15 Febroary 2010.