Ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona voalohan'ny fanafihan'ny Israely an'i Gaza tamin'ny Desambra 2008, mafana fo maro no nanomana ny fanentanana “tweet for Gaza” tao amin'ny Twitter. Ilay fanentanana [1], ankalazain'ilay mpampiasa Twitter nmoawad [2] tokoa, dia mikendry ny fifantohan-tsaina amin'ny fanjanahantany any Gaza amin'izao fotoana izao, ary hotanterahana amin'ny Alahady 27 Desambra, manomboka amin'ny 3 ora hatramin'ny 7ora hariva GMT, hiezahana hanaovana an'i #Gaza [3] ho resaka malaza ao amin'ny Twitter [4].
Miray hina ho an'ilay hetsika ireo mpampiasa Twitter maneran-tany, ary na malaza aza “re-tweets [5]” [Avy amin'ny mpandika: na mamerina mandefa indray ilay Tweet voaray], ambony ny isan'ireo olona mampiasa Twitter hizaràna ny hevitr'izy ireo manokana momba an'i Gaza, herintaona taorian'ireo fanafihana nahafatesana Palestiniana 1 417 sy Israeliana 13. Rime Allaf, Siriana mpampiasa Twitter , dia manazava [6] ny dikan'izany ho azy:
Nadine Moawad, mpikarakara ny fanentanana, dia mampianatra ny Twitter [7] any Beirut mba hanomezana ny hery ilay fanentanana:
Joelle Hatem dia anisan'ireo nahazo ny fampianarana amin'ny antsipirihany ny Twitter. Amin'ny maha-mpampiasa Twitter vaovao, manoratra [8] izy:
Ireo mpampiasa Twitter dia mampiasa ny teny fototra [hashtag] hanaparitahana vaovao ary koa hizaràna ny heviny manokana momba ny fahatsiarovana ny faha-herintaonan'ireo fanafihana. Sayed Dhansay, any Africa Atsimo, dia milaza [9]:
Ary any Brezila, ilay mpampiasa Twitterr Jus_C dia mizara ny heviny [10] momba ny fanjanahantany any Gaza:
Hotontosaina amin'ny Alahady manomboka amin'ny 3ora hatramin'ny 7ora hariva GMT ny fanentanana, mandritra ny ora tena isian'ireo mpitsidika Twitter. Raha hanaraka ireo “tweets”, tsidiho ny teny fototra #Gaza [11].