Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Maneran-tany: “Mi-tweet” ho an'i #Gaza

Ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona voalohan'ny fanafihan'ny Israely an'i Gaza tamin'ny Desambra 2008, mafana fo maro no nanomana ny fanentanana “tweet for Gaza” tao amin'ny Twitter.  Ilay fanentanana, ankalazain'ilay mpampiasa Twitter nmoawad tokoa, dia mikendry ny fifantohan-tsaina amin'ny fanjanahantany any Gaza amin'izao fotoana izao, ary hotanterahana amin'ny Alahady 27 Desambra, manomboka amin'ny 3 ora hatramin'ny 7ora hariva GMT, hiezahana hanaovana an'i #Gaza ho resaka malaza ao amin'ny Twitter.

Miray hina ho an'ilay hetsika ireo mpampiasa Twitter maneran-tany, ary na malaza aza “re-tweets” [Avy amin'ny mpandika: na mamerina mandefa indray  ilay Tweet voaray], ambony ny isan'ireo olona mampiasa Twitter hizaràna ny hevitr'izy ireo manokana momba an'i Gaza, herintaona taorian'ireo fanafihana nahafatesana Palestiniana 1 417 sy Israeliana 13.  Rime Allaf, Siriana mpampiasa Twitter , dia manazava ny dikan'izany ho azy:

Rime Allaf shares her thoughts on GazaMizara ny heviny momba an'i Gaza i Rime Allaf

Nadine Moawad, mpikarakara ny fanentanana, dia mampianatra ny Twitter any Beirut mba hanomezana ny hery ilay fanentanana:

Nadine Moawad will teach Twitter campaigning locallyHampianatra ny fanentanana amin'ny Twitter any an-toerana i Nadine Moawad

Joelle Hatem dia anisan'ireo nahazo ny fampianarana amin'ny antsipirihany ny Twitter. Amin'ny maha-mpampiasa Twitter vaovao, manoratra izy:

New Twitter user Joelle Hatem joins the campaignMandray an-tsehatra  amin'ilay fanentanana ilay mpampiasa Twitter vaovao Joelle Hatem

Ireo mpampiasa Twitter dia mampiasa ny teny fototra [hashtag] hanaparitahana vaovao ary koa hizaràna ny heviny manokana momba ny fahatsiarovana ny faha-herintaonan'ireo fanafihana. Sayed Dhansay, any Africa Atsimo, dia milaza:

Twitter user "sayedm" reflects on the memory of the attacks on GazaManeho ny heviny momba ny fahatsiarovana ireo fanafihana tany Gaza ilay mpampiasa Twitter “sayedm”

Ary any Brezila, ilay mpampiasa Twitterr Jus_C dia mizara ny heviny momba ny fanjanahantany any Gaza:

Screen shot 2009-12-26 at 5.16.14 PM

Hotontosaina amin'ny Alahady manomboka amin'ny 3ora hatramin'ny 7ora hariva GMT ny fanentanana, mandritra ny ora tena isian'ireo mpitsidika Twitter. Raha hanaraka ireo “tweets”, tsidiho ny teny fototra #Gaza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.