- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Rehefa ihoaran'ny hatezerana ny tahotra

Sokajy: Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Saripika, Zon'olombelona

Niparitaka [1] tao Tehran sy tanàn-dehibe maro ireo mpanao fihetsiketsehana Iraniana tamin'ny Alahady mba hanoherana ny governemanta Iraniana, noho ireo vahoaka be hilanona hankalaza ny Ashura, fetim-pivavahana lehibe iray.

Nifanandrina tamin'ny mpitandro ny filaminana ny vahoaka ary nihiaka teny filamatra manohitra ny fitondrana Islamika. Araka ny nolazain'ny vohikala mpanohitra iray, efatra fara fahakeliny ny olona maty. Raha nosakanana tsy hanara-baovao tamin'ity tranga ity ny mpanao gazety Iraniana sy avy any amin'ny firenen-kafa dia nitatitra tamin'ny alalan'ny sary sy horonantsary kosa ny media-n'ny olom-pirenena.

Tobim-polisy any amin'ny Kianja Vali Asr “azon'ireo mpanohitra”:

Fihetsiketsehana hafa any Teheran:

Ireo sary ao amin'ilay blaogy Nakhana dia mampiseho [2] olona miady amin'ireo mpitandro ny filaminana:

ashura1

Manao ny mariky ny fandresena (V):

ashura2

Kosoof [3] , mpitoraka blaogy an-tsary malaza, dia nitatitra momba ilay fihetsiketsehana tany Teheran:

Olona nialan-tahotra:

ashura3

Miara-mizotra:

ashura5