- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Polona: Mangata-bola ho an'izay te-hamaky ireo Blaogy

Sokajy: Polonina, Hafanàm-po nomerika, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna

Androany, mety ho taitra ireo mpamaky ireo blaogy poloney malaza raha nahita pejy fanolorana iray vaovao tamin'ny iray amin'ireo vohikala ankafizin-dry zareo indrindra: nilaza izy io fa, manomboka ny 14 Desambra 2009, tsy ho maimaim-poana intsony ny fidirana amin'io blaogy io.

WebFan.pl

Manome safidy telo ho an'ireo mpamaky ilay pejy vaovao:

  1. 5 PLN + TVA ho an'ny fidirana mandritra ny 7 andro (manodidina ny 1.25 EUR)
  2. 9 PLN + TVA ho an'ny fidirana mandritra ny iray volana (manodidina ny 2.1 EUR)
  3. hiala amin'ny vohikala

Ny raharaha, izay nanaitra be ireo Poloney mpampiasa azy, dia efa saika voavaha taorian'ny nandraisan'ireo mpamaky fanapahan-kevitra sy nampahafantatra izany amin'ny fikitihana iray amin'ireo bokotra telo. Avy eo misy pejy faharoa indray mipoitra, misaotra ireo mpamaky amin'ny… fandraisana anjara amina fanadihadiana manokana, ary mampanantena azy ireo ny hamoaka ny valiny atsy ho atsy. Mandeha ny tsaho fa ao ambadik'izany ny masoivoho Autentika [1].

surprise2 [2]

Nefa maro ny olona no miala amin'ilay vohikala alohan'ny hipotserana ireo bokotra, izay niteraka famoahan-kevitra miiba teo amin'ny tontolon'ny blaogy kiritika Poloney toa an'i Blip.

Ankoatra ny mety ho endrika ara-barotra ao ambadik'ity raharaha ity, voalohany izao no nisy sampandraharaha iray nahavita nampiray mpitoraka blaogy marobe sy be mpamaky ho ana hetsika lehibe  (enina amin'izy ireo no voaisanay).

Global Voices dia hanaraka akaiky ity tranga ara-barotra/dokambarotra mahaliana ity ary hamoaka ireo valin'ny fanadihadiana koa, raha vantany vao mipoitra izy ireny.