- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Adihevitra mikasika ny fiavaham-pirenena frantsay

Sokajy: Frantsa, Foko sy Fiaviana, Hevitra, Politika, Teknolojia

Hatramin'ny fiandohany dia efa nahazo tsikera mivaivay na mandritra ny fotoam-pivoriana na amin'ny aterineto ny dihevitra natsangan'ny fitondrana momba ny “Identité Nationale” na fiavaham-pirenena.

Namoaka “topimaso [1]” momba ny vohikala ofisialin'ny fitondrana frantsay debatidentitenationale.fr [2] [Fr] tamin'ny 2 novambra lasa teo ny vohikalan'ny Vaomiera mpanara-maso ny adihevitra debatpublic.net [3], izay natsangana ihany koa ny andron'ny fivoahan'iry voalohany mba hanamorana ny adihevitra nasionaly momba ny fifindra-monina sy ny fizàrana ao amin'izay toerana naleha. Ary tamin'ny 25 Novambra dia naneho faharanitan-tsaina  (tombana) momba ireo lohahevitra nisongadina, tao amin'ny tolo-dohateny manao hoe “Fiavaham-pirenena”:  Nanapongatra ny adihevitra taloha i Eric Besson [4] (amin'nyteny frantsay, anglisy ary alemana) ny Panafa Blog.

Fa mandra-pahatongan'ny famehezana hevitra ankapobe, izay kasaina ho vita mandritra ny fivoriana amin'ny 4 febroary (mbola tsy fantatra hoe iza no mitarika azy), dia hita mihasarotra ny manavaka ny hevitra tsy entanim-po amin'ireo efa voatariky ny fanavakavahana.

Koa mba tsy ho lany andro handinika azy ireo isika, dia andao aloha hifantohantsika ny hevitra vitsy dia vitsy momba ity adihevitra ity.

Fanelezan-tsaho

Tsy atao mahagaga raha niely hatrany ampiandohan'ity raharaha ity ny tsaho, ka tafiditra amin'izany ny filazana fa “any ivelany” no itantanana ny vohikala

Araka ny re [5] dieny 8 novambra ao amin'ny lahatsoratr'i Le cri du contribuable (Hiakan'ny mpandoa hetra”) iray :

Le ministre de l’Immigration, Eric Besson, vient de lancer un vaste débat sur l’identité nationale. Le hic : la gestion du site internet a été confiée à une entreprise mondialisée [qui a un centre offshore au Maroc]. Le site internet de l’Identité nationale serait-il géré du Maroc? Ce serait un comble! En tout cas, le patriotisme ne fait pas partie des valeurs du ministère de l’Identité nationale, qui n’a pas confié la gestion de son site à une société française…

Nanangana ny adihevitra momba ny fiavaham-pirenena ny minisitry ny fifindra-monina, Eric Besson. Ny olana :  nankinina tamina orinasa mieli-patrana manerantany [orita ary manana sampana ao Maraoka] ny fitantanana ny vohikala. Tantanina ao Maraoka izany ny vohikala momba ny fiavaham-pirenena? Mba lalina indray raha izany! nefa tsy ao anatin'ny soatoavin'ny minisiteran'ny fiavaham-pirenena ny fitiavan-tanindrazana, izay tsy nametraka ny fitantanana ny vohikala amina orinasa frantsay…

Ary taorian'izany koa, niseho voalohany tao amin'ny Google sidewiki ity manarkaa ity, ary niely tokoa tato amin'ny aterineto [6] indrindra fa tao amin'ny  twitter [7]:

Une rumeur persistante sur le web affirme que le site débat identité nationale serait modéré par trois Malgaches payés 100 euros par mois. Une “info” que personne n'a encore pu confirmer ou infirmer.

Misy tsaho misisika mafy milaza fa arahina malagasy telo mandray karama 100€ isam-bolana maso ny famoahan-kevitra momba ny fiavaham-pirenena. “Sombim-baovao” sady tsy nisy afaka nanamarina no tsy nisy afaka nitsipaka ny fahamarinany.

Naneho ny heviny i [8]Reflexiums , avy eto Madagasikara [8] :

Ah oui ! mais que je suis bête, ca doit être un échange de bons procédés, les francais sous-traitent le débat sur l’Identité Nationale en France, et les malgaches vont sous-traiter les élections malgaches en France, donnant donnant hein ?

Eny ho'aho! fa vendrana aho izany, fa tsy maintsy ‘nty sy nday tsara koa io, “mamindra” asa momba ny fiavaham-pirenena any Frantsa ho ana Malagasy ny Frantsay ary ny Malagasy kosa “manome” ny fikarakarana ny fifidianana malagasy any Frantsa, samy mahazo an?

Miampanga fibolisarana

Mazava loatra fa tsy nampiakatra lentan'ny adi-hevitra, izay mety hieli-patrana mihoatra izay tsy nantenain'ny mpikarakara azy akory ny fitsapa-kevi-bahoaka Soisa [9] momba ny minarets [10], tilikambon'ny moske fiantsoana hivavaka.

Ny bolongana Les mots ont un sens (”Misy heviny ny voambolana”), tamin'ny lohateny hoe “Mampivoraka ny adihevitra momba ny fiavaham-pirenena fa mihamibolisatra hatrany”, dia manolotra ny amboara voafantin'ny [11]

Des contributions ouvertement racistes sur le site du débat national sur l'identité française, des dérapages (contrôlés ou non) de personnalités politiques qui virent à l'aquaplaning… Les minarets suisses ont bon dos.

Fanavakavahana mivantana ao amin'ny vohikalan'ny adihevitra nasionaly mikasika ny mahaizy ny frantsay [voasoratra matetika ho fiavahana ato amin'ny lahatsoratra], vava tsy ambina (voafehy na tsia) ataon'ny mpanao politika… tsara lamosina ny minaret Soisa!

ary hoy ny tsoa-keviny :

D'amalgames en amalgames, on obtient finalement un énorme gloubi-boulga d'islamophobie et de racisme qu'on ne parvient plus à contenir.

[…]

Les exemples d'institutionnalisation du racisme ordinaire sont de plus en plus nombreux. Et cela ne choque visiblement personne.

Amin'ity zavatra mihamifamahofaho hatrany ity, dia indro fa mivoaka ay any ny gloubi-boulga [12] (mofomamy avy amin'ny andian-tantaran'ankizy amin'ny TV) n'ny fankahalana Silamo sy ny fanavakavahana tsy voafehy intsony.

[…]

Mihamaro hatrany ny fampanjakana ny fanavakavahana andavanandro. Nefa dia tsy maharototra na iza na iza akory.

Nampiseho ny tsy fahandrasany tantana tamin'ny famoahany antso [13] hanesorana ny Minisiteran'ny fifindra-monina, nosoniavina manampahaizana Frantsay, ny groupe Claris [14], “vondrona manampahaizana” iray, niorina tamin'ny 2001 mikendry ny “miasa hampahazava ny adihevitra momba ny filaminana (fiarovana)” :

[…] il est temps aujourd’hui de réaffirmer publiquement, contre ce rapt nationaliste de l’idée de nation, les idéaux universalistes qui sont au fondement de notre République. Nous appelons donc les habitants, les associations, les partis et les candidats aux futures élections à exiger avec nous la suppression de ce « ministère de l’identité nationale et de l’immigration », car il met en danger la démocratie.

[…] Fotoana izao hilazana ampahibemaso indray, hanohitra ity fakana an-keriny ny hevitry ny firenena, ny tigetra ekena manerantany izay manorina ny fototry ny Repoblikantsika. Miantso ny mponina, ny fikambanana, ny antoko ary ny kandidà amin'ny fifidianan-ko avy izahay mba hitaky miaraka aminay ny hanafoanana ny “minisiteran'ny fiavaham-pirenena sy ny fifindra-monina”, fa mampidi-doza ny demaokrasia ny fisian'io.

Mandray andraikitra

Farany, niainga tany amin'ny fiaraha-monim-pirenena tsy nampoizina hanao izany koa ny ohatra. Mpamaham-bolongana sady mpanao gazety mivoaka isan'andro frantsay Le Monde i Eric Azan nitatitra [15] tao amin'ny bolongany Veilleur de Jour :

Le débat sur l’identité nationale rebondit aujourd’hui là où l’on ne l’attendait et par celle que, bêtement, on n’imaginait pas dans une posture aussi radicale: Geneviève de Fontenay […]

[…] Juliette Boubaaya, Miss Picardie 2009, rêve de devenir, dimanche 6 décembre, la première Miss France musulmane. Et l’idée séduit Mme de Fontenay : « Juliette […], issue de l’immigration, petite-fille d’un grand-père algérien, elle brigue le titre de Miss France au moment où certains de nos hommes politiques interrogent sournoisement le pays sur ce qui forge l’identité nationale. A titre personnel, je me félicite de la présence de Juliette Boubaaya à l’élection du 6 décembre. Et entre nous, j’espère qu’avant de mourir, je verrai une Miss France maghrébine. Songez à l’impact qu’aurait ce vote. »

« A quoi pensez-vous ? » demande Lionel Laparade [de La Dépêche du Midi]. « À la claque administrée aux hommes politiques qui ont fait de l’identité nationale leur fonds de commerce, à la formidable réponse donnée, ainsi, à certains discours nauséabonds. Quand j’entends Besson, je suis indignée. Il manie la provocation de façon scandaleuse. »

Niverina any amin'ny toerana tsy niandrasana azy indray ny adihevitra momba ny fiavaham-pirenena, ary naverin'olona, noho ny “fahadalany”, tsy noheverina handray fepetra henjana tahaka izao: Geneviève de Fontenay [16] (lehiben'ny fikarakarana ny Oliravina na Miss France) […]

[…] Nanofinofy ho Oliravina miozolomana frantsay voalohany i Juliette Boubaaya, Oliravina Picardie 2009, tamin'ny alahady 6 Dec. Ary naharenoka an'i Mme de Fontenay ilay hevitra :

“Mikendry ny hahazo ny satroboninahitry ny Oliravina France [17] i Juliette, zanaky ny mpiavy, zafikelina dadabe Alzeriana, mandritra ny fotoana itadiavan'ny mpanao politika sasany hamolavola indray ny fiavaham-pirenena. Izaho manokana dia faly indrindra amin'ny fandraisan'i Juliette anjara mandritra ity fifidianan'ny 6 desambra ity. Ary resantsika indray, manantena aho fa hisy Oliravina France hivoaka avy any Afrika Avaratra mialoha ny hahafatesako. Eritrereto anie ny fiantraikan'izany safidy izany.”

“Inona no tianao lazaina?” hoy ny fanontanian'i Lionel Laparade [mpanao gazetin'i La Dépêche du Midi nanontany azy [18]]

“Tefaka ho an'ireo mpanao politika manao ny fiavaham-pirenena ho entam-barony, setriny goavana tokoa amin'ireo fihetsika masiso. Mahatsiaro ho voaompa hatrany aho isaky ny maheno an'i Besson. Hainy mihitsy ny mihantsy amin'ilay maharomotra.”

(Noankotrihina : Malika Ménard, Miss Normandie 2009, moa no iray tamin'ny voafidy)