Taorian'ny lalao nifanandrinan'i Ejipta sy Alzeria tany Soudan dia nanao fihetsiketsehana tany Zamalek nanoloana ny ambasady Alzeriana tao Le Caire ny mpankafy baolina kitra ejipsiana ny alakamisy alina sy ny zoma tolakandro. Ny zanaka lahin'ny filoha, Alaa Moubarak, no nandranitra tao amin'ny fahitalavitra. Ny marainan'ny asabotsy 21 novambra dia nikabary tao amin'ny fivorian'ny parlemanta (anankiroa: Antenimieram-bahoaka sy ny Filankevitra Shura) ny filoha Moubarak, ary nandritra izany na dia tsy niteny nivantana an'i Alzeria aza izy dia nilaza fa ny fiandrianan'ny Ejipsiana dia mifamatotra amin'ny fiandrianan'i Ejipta ary nivoady fa tsy handefitra mihitsy manoloana ireo maniratsira azy i Ejipta.
Sarah Carr [2]tsy resy lahatra tamin'ny kabarin'i Moubarak:
Jasmine Aladdin [3]mitazana fotsiny
Sharif Hafez [4]mpanao famakafakana politika no mahatsikaritra ny fahendren'ny filoha Moubarak raha niangavy ny parlemanta ho tony izy
Perwin Ali [5]tsy faly tamin'ny lohatenin'ny BBC!
Dr. As`ad AbuKhalil – Tezitra amin'ny mpanao lalàna Egiptiana ny Arabo tezitra amin'ny “fitehafana”
Inona no asan'ny mpanao lalàna ejipsiana afa-tsy ny mitehaka ny kabarin'ny filoha? Naman'ny dadako ny sasany amin'izy ireo ary nitehaka an'i Nasser, avy eo nitehaka ho an'i Sadat, ary izao indray mitehaka ho an'i Moubarak. Fantatrao ve fa i Mustafa Khalil, ilay nitondra ny fanelanelanana tamin'i Egipta hihavana amin'i Israely dia tsy nivadika tamin'i Nasser, ambanin'i Nasser?
Zeinobia maniry [6] ny fiandrianan'i Egiptiana ao Egipta
Nolazain'i Moubarak tamin'ny kabariny nanoloana ny parlemanta sy ny Filankevitra Shura fa andraikitry ny fanjakana ny misahana ny Ejipsiana ivelan'i Ejipta ary ny fiandrianan'izy ireny dia avy amin'ny fiandrianai Ejipta!!
Tsy hitako izy holazaina afa-tsy ny hoe :Andriamatoa Filoha, tsy niseho izao zavatra rehetra izao raha tena manana fiandrianana ny Ejipsiana sady omena toerana tsara ao Ejipta!!? Azafady mba teneno amin'ireo noratrain'ny polisy izany, azafady teneno indray izany amin'ireo Ejipsiana an'arivony any ivelany izay hiharan'ny fanalam-baraka noho ny politika nataonao nandritra ny 28 taona izao. Andriamatoa filoha, azafady mba teneno amin'ireo fianakavian'ny niharam-boina sy namoy havana manodidina an'i Israely izany, ho an'ireo tao anatin'ny fiaramanidina 990, ho an'ireo tao anatin'ny sambo Al Salam sy tao amin'ny Badr I.