- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: misaona ny fahafatesana tanora miady amin'ny fasisma

Sokajy: Rosia, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Tanora

Tanora miady amin'ny fasisma anjatony no nivory tao ampovoan-tanànan'i Moskoa. Misaona ny namonoan'ny neo-nazi an'i Ivan Khutorskoy, mpikatroka ao amin'ny “Antifa,” hetsika rosiana manohitra ny fasisma ry zareo.  Nolazain'ny [1] [ENG] mpamaham-bolongana chtodelat fa ity no vono nihatra aman'aina fahaenina tamin'ny mpikambana amin'ny “Antifa” tao Rosia tao anatin'ny taona vitsivitsy. Azonao jerena ato [2] [RUS] ny saripikan'izany fivoriana izany izay nalain'i lj-user ottenki_serogo [3].

Alexey Sidorenko [4]