- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Polona: mpitoraka blaogy tsy mitonona anarana manoratra momba ny Tabloid andavanandro

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Polonina, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Toekarena sy Fandraharahàna

Mpanao gazety iray tsy mitonona izay efa niasa tamina  tabloid Poloney iray mpivoaka mpiseho isanandro  antsoina hoe Fakt [1], an'i Axel Springer AG [2], dia nanao blaogy vaovao, BrukowiecStory [3]” (”TabloidStory” amin'ny teny Englisy), izay tiany hilazana ny tena fandehan-javatra marina any amin'ireo trano fikirakirana vaovao sy ny trano famoahana.

naglowek

Wiadomości24.pl, vavahadin'ny fanaovan-gazetim-bahoaka Poloney, manoratra [4] (POL) fa, araka ny voalazan'ilay mpitoraka blaogy, ny fahatomombanan'ny Fakt teo amin'ny tsena Poloney dia saiky niankina betsaka tamin'ny fandinganana ireo fitsipiky ny fanaovan-gazety avokoa.

Ity misy sombintsombiny amin'ny iray amin'ireo lahatsoratra voalohany [5] (POL) ao amin'ny BrukowiecStory:

Mieritreritra aho fa ny famoronana ny Fakt no tena dona lehibe indrindra tamin'ny fahalalahan'ny media Poloney hatramin'ny [1989]. Talohan'ny 2003, tsy nisy afa-tsy Super Express, tabloid tsotra, mazava ary mahafinaritra. Nisy tombony iray izy ity – nanoratra ny marina foana ry zareo. Amin'ny fomba tabloid, nefa mbola afaka nilaza izany ho fanaovan-gazety ihany ny olona. Ary nijanona ho toy izany foana ny toe-javatra  talohan'ny nidiran'ny Fakt teo amin'ny tsena.

Voalohany eo amin'ny tantaran'ny media Poloney, no nahitanay fomba vaovao – ny famoronana ny marina. “Tsy misy zava-mitranga? Raha izany forony ny zava-miseho,” ny tonian'ny famoahana dia tokony hikendry foana izay tokony hihetsehan'ireo mpanao gazety. […]

Ny mpitoraka blaogy koa dia nilaza fa te hanangana fikambanana ho an'ireo olona izay voa tamin'iny Fakt iny, ary milaza ihany koa fa misy fanomanana hetsi-bahoaka goavana. Hatreto aloha, mbola tsy namoaka lahatsoratra mikasika mazava ny fandikan-dalàna nataon'ny mpiandraikitra ny gazety izy.