
Namoy ny iray amin'ny mpitari-dalana amin'ny resaka niomerika androany (zoma) i Brezila. Nanao fizaham-pahasalamana i Daniel Pádua [pt] [1] (fantatra amin'ny hoe @dpadua [2] ao amin'ny Twitter) ka fantatra fa tratran'ny homamiadana ary dia lavo tao andrenivohitra Brasília androany (zoma) maraina. Tonga nanatrika matetika amin'ny resaka rindrambaiko manokatra loharano (open source) sy ny hetsika ara-kolontsaina afaka any Brezila ny lehilahy ka fitaratra ho an'ny mpamaham-bolongana maro amin'ny resaka fahavitrihana sy ny fahalalaham-pitenenana amin'ny aterineto.
Ao amin'ny bolongan'ny WordPress-Br [3], no anoratan'i [4] [pt] Cátia Kitahara :
Hoje perdemos um amigo queridíssimo, aqui da comunidade, o Daniel Pádua. Sentiremos muito sua falta, não só pelo grande talento e inteligência que ele possuia, mas principalmente pelo seu caráter. Queremos manifestar nosso carinho para sua família e amigos.
Rehefa niely nanerana ny vohikala moa ny vaovao dia niondri-panajana [5] teo anatrehany sy nanao veloma farany azy ny mpampiasa Twitter nahalala ny asany sy ny ezaka nataony:
Ity no lahatsoratra natokan'ny Global Voices ho an'i Daniel Pádua. Mandria ampiadanana.