- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Repoblika Dominikana: Mitohy ny olana herinaratra

Sokajy: Amerika Latina, Repoblika Dominikana, Tontolo_iainana

Vao tsy ampy 3 volana no nandraisany ny asa amin'ny maha filoha lefitry ny CDEEE (Dominican Corporation of State Electric Companies [es] [1]) dia tsy maintsy mitady fanampiana any ivelan'ny fireneny i Celso Marranzini hamahana ny olana herinaratra any an-toerana, izay mihasarotra hatrany.

Nisy delegasiona notarihan'i Marranzini nankany Korea Atsimo hitady fanampiana ara-teknika hamahana ny olana herinaratra any an-toerana izay ny antsasaky ny masinina famokarana angovo elektrika no simba noho ny tsy fisian'ny fikarakarana. Niteraka tsy fahampian'ny herinaratra hatramin'ny 600 Megawatts izany ka misy ny fijanonan'ny famatsiana 9 hatramin'ny 10 ora isan'andro ho an'ny vahoaka dominikana.

Satria moa olana sedraina izy ity dia tahaka ny hoe miharatsy ny toe- draharaha, maneho ny tsy fahafaliany ny mponina, satria diso fanantenana fa hovoavahan'i Marranzini ny olana. Niteraka tahotra sy fanankianana ho an'ny mpanara-dia azy ny fahatapahan'ny famatsiana herinaratra. Ireo mpampiasa twitter, Elvis Medina sy Ana Peguero no milaza ny heviny mikasika ny raharaha:

@anapeguero [2]: Arroyo Hondo tenía circuito 24 horas hasta que llegó Marranzini, ahora nos dan apagones por un tubo… y la factura más cara to los días!!!

(Ny mpifanolobodirindrina) Arroyo Hondo dia nahazo herinaratra 24 ora talohan'ny nahatongavan'i Marranzini, ankehitriny anefa misy tsy fahampiana izany kanefa mihalafo hatrany ny vidiny.

@elvismedina: [3]Espero q para estas navidades, el sr. Marranzini, se convierta en Santa Claus y nos regale un poquito mas de ENERGIA…Oremos por eso..

Enga anie amin'ity noely ity mba ho lasa Ingahibe noely i Marranzini ka hitondra herinaratra fanampiny kely… Hivavaka ho amin'izany isika.

Fanampin'izany dia mpanao fihetsiketsehana maro no midina eny an-dalam-be manohitra ny fahatapahan'ny herinaratra izay efa mahazo ny faritanin'i Barohana sy National District. Olona iray no maty ary olona maro hafa no nosamborina tany Santiago renivohitra[es] [4].

Notsikeraina fatratra ny CDEEE talohan'ny nametrahana n'i Marranzini hitantana azy, maro ireo nanantena fa afaka hamaha ny olana mianjady amin'ny firenena efa ho 40 taona izao izy, olana izay zary lasa sakana ho an'ny fampandrosoana ny firenena.

Raha nifantoka tamin'ny fanatsarana ny fitantanam-bola sy ny fampihenana ny mpiasa i Marranzini dia tsy afaka nampihena ny fahatapahan-jiro kosa izy. Lasa mihalava izany fahatapahana izany ary vao maika mitombo aza hatramin'ny volana aogositra 2009, mamela ny toe-java-misy amin'izao toerany izao dia mahatonga ny maro hihevitra fa niverina indray i Radhames Segura, ilay olona nosoloiny.

Cartoon by Harold Priego which depicts the call for Segura to return to his previous post, which is preferable to the current power outage situation. Cartoon republished with permission. [5] Kisarisarin'i Harold Priego izay mampahatsiahy an'i Segira hijery ny lahatsorany taloha, izay azo noleferina kokoa ny fahatapahan- jiro. Kisarisary nahazo alalana ny famoahana azy.

Mihoatra lavitra noho ny fanoloana tompon'andraikitra ny vahaolana. Misy ny sasany manafangaro ity raharaha ity amin'ny tombotsoany manokana sy ho an'ny tombontsoa politika. Ho an'ny hafa kosa, tahaka an'i Dr. José Antonio Vanderhorst, manam-pahaizana manokana momba ny herinaratra, ny tena fototry ny olana dia ny lamina napetraky ny fanjakana momba ny herinaratra mihitsy. Hoy izy manoratra ao amin'ny bilaogy Grupo Millenium Hisponiola[es] [6]:

… por sí misma la despolitización es insuficiente. Es absolutamente necesario cambiar el sistema (eléctrico) que sigue muy influenciado por el paradigma de la CDE y de la capitalización que están orientadas a la oferta, cuando los problemas más complejos están en los aspectos sociales, organizacionales y culturales, que se corresponden al consumo que está en el lado de demanda.

Es urgente dar un giro para desarrollar e integrar los recursos de la demanda. La urgencia está en que la decisión de cambio de ley necesita ser introducido en el acuerdo con el FMI. De lo contrario, seguiremos sin resolver la crisis sistémica del sector eléctrico.

… Tsy ampy ny fanalana ny resaka politika. Tena ilaina ny fanovana ny lamina momba ny herinaratra izay idiran'ny CDEEE lalina loatra sy ny vola atokana ho an'ny famatsiana herinaratra, raha ny tena olana goavana dia ny ara-tsosialy, ny koltoraly sy ny fandaminana, izay mifandraika amin'ny tolotra sy ny tinady.

Zava-dehibe ny fisian'ny fanovana manoloana ny fivoarana sy ny fampidirana ny fototry ny tinady. Ny tena maika dia ny fanapahan-kevitra hanova ny lalàna mba hampidirana ny resaka angovo ao anatin'ny volan'ny FMI (Mpamatsy vola iraisam-pirenena). Ankilany dia mbola mijanona ho tsy manana vahaolana aloha isika manoloana ny olana mahakasika ny herinaratra.

Rocio Diaz [7]