- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: zavakanto manohitra

Sokajy: Iràna, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Zavakanto & Kolontsaina

Mir Hussein Mousavi [1], iray amin'ny mpitarika mpanohitra Iraniana no nanamarika [2] vao haingana nandritra ny resadresaka tanaty lahatsary fa tsy manam-paharoa eo amin'ny tantaran'i Iran ny famoronana artistika nananan'ny hetsi-panoherana ‘maitso’ [3] hatramin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 12 Jona lasa teo. Nahazo aingam-panahy tamin'ny hetsika maitso nataon'ny Iraniana ny mpanakanto Iraniana sy ny tsy Iraniana haneho ny talentany hamorona haikanto (designs), afisy, sary ahetsiketsika ary lahatsary an-kira hanehoany ny fanantenany sy ny fahatezerany.

Indro misy angona hosodoko miompana amin'ny hetsika “maitso” noforonin'i Soheil Tavakoli, mpanakanto Iraniana monina any Etazonia:

Namorona [4] sombin-kanto hafa i Hamed Pourabedin ao amin'ny takelaka Facebook-ny : Oksizena ho an'i Iran

oxygen

Ary satria moa miomana [5] amina fihetsiketsehana hafa indray ny mpanohitra Iraniana amin'ny 4 Desambra ho avy izao, Andron'ny Mpianatra Anjerimanontolo (faha-16 Azar), dia efa nanomana afisy ampolony indray ry zareo.

On green 16th of Azar we get our Iran back
“Amin'ny faha-16 Azar, haverintsika i Iran”

Azonao jerena ihany koa ny tantara hafa ato amin'ny Global Voices:

Iran: Zavakanto manampy ny fanoherana [6]
Iran: Manome aingam-panahy ara-javakanto ny hetsi-panoherana [3]

Hamid Tehrani [7]