- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Indro tonga ny Masoandro

Sokajy: Maraoka, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

Nambaran'i Maraoka tamin'ity herinandro ity ny fanombohan'ny tetikasa angovo azo avy amin'ny masoandro, mitentina hatramin'ny 9 lavitrisa $, hampiakarana ny tahan'ny angovo azo havaozina amin'ny famokarana angovo eo amin'ny firenena. Ireo mpitoraka blaogy mankasitraka azy io no tena maro mizàra ny eritreriny.

I See the Light by si David on Flickr [1]

Mahita ny mazava aho,  avy  amin'i si David ao amin'ny Flickr

Ny vinavina, nambara ampahibemaso tany amin'ny tanànan'i Ouarzazate, andrefan'i Maraoka, nandritry ny lanonana natrehan'ny mpanjaka  Mohammed VI sy ny Sekreteram-panjakana Amerikana Hillary Clinton dia, araka ny nolazain'ireo masoivohom-baovao ao an-toerana [2], hahafahan'ny firenena mizara amin'ny fomba mitovy ny famokarana ireo angovo azo havaozina ao Maraoka azo avy amin'ny masoandro, ny rivotra ary ny tohodrano amin'ny taona 2020. Amin'izay fotoana izay, ireo angovo azo havaozina dia hanome ny  38% -n'ny famokarana angovo eo amin'ny firenena, raha ny voalazan'ny loharanom-baovao.

Taha Balafrej, mitoraka blaogy ao amin'ny  Vue du Maroc [Fr], dia manazava [3] fa mety hisy fototra sy ainga vao ara-toekarena ho an'ny fironana politika vaovaon'ny firenena. Manoratra izy:

Dans le milieu des affaires, un intérêt grandissant est perceptible. Il faut reconnaître que l’effet Obama n’est pas étranger à cette prise de conscience animée par les opportunités économiques qu’elle engendre. Un pays comme le Maroc qui dépend presque entièrement des importations pour son énergie, et dont les ressources en eau se raréfient, a tout intérêt à rejoindre les pays qui y croient et y investissent.

Misy fahalinana misonga eny anivon'ny mpandraharaha. Ary tsapan'ny rehetra fa manana anjara ao anatin'io ny “tandindon'i Obama”, miaraka amin'ny vintana ara-toekarena napoitrany. Ho an'ny firenena toa an'i Maraoka, izay miankina betsaka amin'ny fanafàrana raha ny resaka angovo, ary ireo loharanony efa miharìtra, dia tombontsoa tanteraka ny fanarahan-dia ireo firenena  izay mino sy mampiasa vola amin'ny angovo madio.

Ny tetikasa masoandro, izay sady mahazo famatsiam-bola avy amin'ny tsy miankina sy ny fanjakana, dia hahazo tombony avy amin'ny haitao Amerikana momba ny masoandro sy ny ‘termika’, izay toa misovoka ny tsenan'ireo mpandraharaha nentim-paharazana –  ny Frantsay no lohalaharana – zavatra izay tena nankasitrahan'i [4] thestrategist, mitoraka blaogy ao amin'ny  Genesis Morocco tokoa :

Tena ivelan'ny vala ny Eraopeana tamin'ity indray mitoraka ity. Tsara kendry [ ho an'ireo mpandraharaha Amerikana]. Momba tanteraka azy ity aho, ry zareo Eraopena tsy mbola afaka hilahatra mihitsy amin'ny fahaiza-mifehin-dry zareo Amerikana raha resaka  fitantanana asa goavana…

thestrategist, namoaka taratasy misokatra ho an'ny mpanjaka Maraokana, avy eo manazava [5] [Fr] ny antom-panohanany. Hoy izy manoratra:

[Cette technologie pourrait] nous libérer des aléas de la pluviométrie en utilisant l'énergie abondante et renouvelable […], afin de dessaler l'eau de mer et approvisionner outre les besoins de l'industrie et des ménages, un système d'irrigation nationale en appoint, voire en remplacement, de la stratégie des barrages…

[Ity haitao ity dia mety] hanafaka antsika amin'ny fiankinan-doha amin'ny fiavin'ny orana, amin'ny alàlan'ny fampiasàna angovo azo havaozina tsy manam-petra […], mba hanalàna ny sira amin'ny ranomasina sy hamatsiana, ankoatry ny filàn'ny indostria sy ny isan-tokantrano, ny tambajotram-pirenena tsara petraka ho solon'ny tetikasa fananganana tohodrano…

Raha ny ankamaroan'ny mpitoraka blaogy no manohana ilay vinavina, tsy ny rehetra kosa no resy làhatra. Jebli, mitondra fanamarihana [6][Fr] ao amina hafatra iray nivoaka tamina gazety mpiseho amin'ny aterineto, Hesspress [7] [Ar], dia mahita fa toa lafo loatra ilay tian-katongàvana. Manoratra izy:

[C]e projet solaire va produire 2000Mega Watt/h, pour un cout de 9 milliards de dollars, ce qui est TROP TROP TROP cher.

Une centrale nucléaire, sa construction de bout en bout coute 1,5 milliard de dollars et produit 1000Mega watt/heure.

Ainsi, avec 9 milliards de dollars le Maroc aurait pu créer 6 centrales nucléaires, et aurait produit 6000Mega watt/heure.

Franchement, je ne comprend pas le choix de nos dirigeants, ils choisissent des téchnologies au hasard, sans réflichir, vraiment ils gaspillent l'argent public.

Ity tetikasa masoandro ity dia hamokatra  2000 Mega Watt / ora, amin'ny vidiny  9 lavitrisa $, izay TENA lafobe tokoa. Ny fanangànana foibe nokleary iray dia andaniana eo amin'ny  1.5 lavitrisa  dolara eo ary mamokatra 1000 Megawatt / ora. Raha 9 lavitrisa  dolara, afaka manana foibe nokleary 6 sy hamokatra  6000 Megawatt / ora i Maraoka. Mba marina e, tsy takatry ny lohako ny safidin'ireo mpitondra antsika. Mifidifidy haitao fahatàny ry zareo, tsy mandanjalanja tsara.  Tena mandanilany foana ny volam-bahoaka mihitsy ry zareo .

Mitondra fanamarihana amin'io lahatsoratra io ihany, i Hay Bin Yaqdanin [Ar], ao anatin'ilay tetikasa dia mahita [6] fitsabahan'ny tànan'ny hery vahiny amin'ireo loharanon-karem-pirenena . Hoy izy manoratra:

نرجو أن لا يخصخص هذا المشروع و نصبح في رحمة شركة ما (في الغالب فرنسية).

لمذا انتظر الملك حتى زيارة كلنتون للإفتتاح صحبتها؟ نظرتي نحو هذا المشروع هو تكريس هيمنة الدول المتقدمة “أمريكا” مثلا

Iriko mba tsy ho tena tsy miankina tanteraka ity tetikasa ity, mba tsy hitrosonantsika any amin'ny ampihimamban'ireo fikambanana vaventy “corporations” ( frantsay ny ankamaroany). Fa nahoana no niandry ny fitsidihan'i Clinton ny mpanjaka? Raha ny fomba fijeriko  an'ity tetikasa ity dia fitaovana izy io hanamafisana ny vahohon'ireo firenena efa mivoatra be, toa an'i Amerika