- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Georgia: Mampitabataba orthodoksa

Sokajy: Zeorzia, Fahalalahàna miteny, Fivavahana

Any amin'ny firenena mpivavaka indrindra ao atsimon'i Kaokazy izay ahitana Patriarka an'ny fiangonana Orthodoksa mbola mandrisika ny fiterahana maro [1], dia mbola fady izany mitsikera mpitondra fivavahana izany. Mbola ratsy kokoa noho izany sady mampidi-doza ny manivaia azy ireny, araka ny taterin'ny [2] This is Tbilisi Calling [miantso ity i Tbilisi].

The Georgian police are reported to have tracked down the thought criminals responsible for “indecent and insulting” satirical videos which targeted the head of the Orthodox Church and caused a nationwide scandal in this fervently religious country. A statement from the Interior Ministry identified the culprits as a school pupil and a student. […]

Notaterina fa nahasarona ireo mpanao heloka tompon'antoka tamina lahatsary satirika[mampihomehy toa maneso] “tsy mahalala menatra sy manompa” ny lehiben'ny Fiangonana Orthodoksa ka nampitabataba nanerana ity firenena fatra-pivavaka ity ny polisy Georgiana. Ny fanambarana nataon'ny minisiteran'ny atitany no nahafantarana fa mpianatra madinika sy mpianatra any amin'ny anjerimanontolo ry zalahy ireo.[…]

Nasondrotr'i Evolutsia hivelatra kokoa ny adihevitra ka nosinganiny ny herin'ny Fiangonana sy ny fahalalahana hiteny. Tao amin'ny singan-dahatsoratra tao amin'ny vaovaon'ny bolongana vaovao mamoaka vaovao amin'ny teny anglisy i Inge Snip no nampaneno ny lakolosy fanairana [3].

One of the most fundamental freedoms is, I believe, the freedom of speech. Freedom of speech enables a country to show to every citizen that their opinion is allowed to be heard, no matter the content. In addition, a true democracy allows the mocking of important figures in society, and by doing so, it shows its maturity.

[…]

To conclude, there is no grounds for investigating this issue, nor should there be; however, the law enforcement agencies did the opposite, because there is some kind of popular demand. As a student of law, this is easily one of the most ridiculous grounds for any judicial investigation I have ever heard.

Araka ny fahafantarako azy, ny fototra lehibe iray manorina ny fahalalahana dia ny fahalalahana miteny. Avy amin'ny fahalalaham-pitenenana no ahafahan'ny firenena iray maneho amin'ny olom-pirenena tsirairay fa omena alalana hohenoina ny hevitr'izy ireo, tsy maninona izay votoatiny. Ankoatra izany ny tena demaokrasia dia mamela ny fanesoesoana ny tsongoin’ olom- bolo eo amin'ny fiaraha-monina handeha, fa avy amin'ny fanaovana izany no anehoany ny fahamatorany.

[…]

Raha fehezina dia tsy misy antony tokony hanaovana famotorana amin'ity raharaha ity, na tokony tsy hisy izany; saingy ny mifanohitra amin'izany moa no ataon'ny mpampihatra ny lalàna, satria misy ny karazana fitakiam- bahoaka amin'izany. Amin'ny maha-mpianatra ny lalàna, dia ity no iray amin'ny famotorana ataon'ny fitsarana kidaladala indrindra henoko.

Onnik Krikorian [4]