- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Irana: Afaho i Hossein Derakhshan

Sokajy: Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Zon'olombelona

hoder

1 Novambra 2009 no tsingerintaona voalohany amin'ny namonjàna ilay Iraniana mpitoraka blaogy, Hossein “Hoder” Derakhshan.

Cyrus Farivar, amerikana iray monina any sady mpitoraka blaogy no mpanao gazety dia  nitatitra [1] fa tafaresaka tamin'i Hamed, rahalahin'i Derakhshan izy, izay nilaza taminy hoe :

Nihaona tamin'ny mpampanoa lalàna vaovaon'ny distrika ireo raiamandreniny, fotoana vitsy lasa izay, ka nomen'io alàlana nahazo niara-nisakafo hariva tao amin'ny fonjan'i Evin niaraka tamin-janany lahy, Hossein Derakhshan, ny Alakamisy29 Oktobra 2009 teo. Manamafy izany fa mbola voatazona ao amin'ny fonjan'i Evin i  Hossein, nefa tsy fantatr'ireo fianakaviana akory hoe rahoviana indray ny fotoana manaraka hahafahan'izy ireo mihaona aminy.

Ny mpitoraka blaogy Iraniana,  Jooya, dia  manoratra [2] fa i Derakhshan dia mbola ao amin'ny sampana No. 325 foana any amin'ny fonjan'ny  Revolutionary Guards. Raha ny filazan'ireo mpiaro ny zon'olombelona, hoy i  Jooya manampy, dia natoka-monina tanteraka izy nandritra ny herintaona eo ho eo.

Vondrona iray ahitàna mpitoraka blaogy  Iraniana  no nanapa-kevitra hanampy hoe “Afaho i  Hossein Derakhshan” amin'ny anarana entin'ny blaogin-dry zareo mandritra ny herinandro iray. Milaza [3] (fa) i Fanous Azad fa:

Izaho koa nanampy ny hoe “Afaho i Hossein Derakhshan” amin'ny anaran'ny blaogiko.

Manampy izy fa:

. . . fony  Hossein nanomboka niampanga ny hafa dia nitsahatra tsy namaky ny blaoginy aho, saingy ankehitriny dia miaro ny zony aho, tsy asiako fieritreretana hoe iza moa izy izay. . . . Hossein, toy ireo olombelona rehetra ihany, dia tokony hànana ny zony amin'ny fahalalàhana misaina sy miteny.

Parsanevesht dia manentana [4] ny mpitoraka blaogy rehetra mba hiasa miaraka mba hahazoana akony goavana.