Tantara tamin'ny 03 Novambra 2009
Georgia: Mampitabataba orthodoksa
Any amin'ny firenena mpivavaka indrindra ao atsimon'i Kaokazy izay ahitana Patriarka an'ny fiangonana Orthodoksa mbola mandrisika ny fiterahana maro, dia mbola fady izany mitsikera mpitondra fivavahana izany. Mbola ratsy kokoa noho izany sady mampidi-doza ny manivaia azy ireny, araka ny taterin'ny This is Tbilisi Calling [miantso ity i Tbilisi]. The...
Fampidirana ny Threatened Voices [feo voarahona]
Anio, namoaka vohikala vaovao antsoina hoe Threatened Voices [Feo voarahona] ny Global Voices Advocacy [Global Voices mpisolovava] ho entina manaramaso ny fanapenam-bava an-tserasera. Mampiseho ny sarintanin'izao tontolo izao sy ny fivoarana misy ka hanampy amin'ny fitopaza-maso ny trangam-pandrahonana sy fisamborana mety hahazo ny mpamaham-bolongana manerantany izy io, ary ho ivon-tsehatra fanangonam-baovao avy aminn'y fikambanana sy mpikatroka tena mavitrika.
Irana: Afaho i Hossein Derakhshan
Ao anatin'ny faha-herintaonan'ny namonjàna ilay Iraniana mpitoraka blaogy naha-be resaka, Hossein Derakshan, dia mandefa fanentanana ireo mpiray tanindrazana aminy mba hitazonana ny saina tsy hatoritory momba ity famonjàna azy ity.