Tantara tamin'ny 31 Oktobra 2009
Honduras: Hanomboka hifarana ny krizy?
Eo ampelatanan'ny Kongresy ankehitriny ny fifanarahana, izay mety ekeny, ny amin'ny hamerenana ny filoha Hôndiorianina Manuel Zelaya eo amin'ny toerany indray fa hifampizarana kosa ny fahefana, ka mety hidika izany fa manomboka hifarana ny krizy.
Etazonia: Mpifankatia tsy mitovy fihodirana tsy nahazo nisora-panambadiana
Tamin'ny herinandro, tany Hammond, any Louisiana, Beth Humphrey (fotsy hoditra) sy Terence McKay (mainty hoditra) dia nangataka fisoratam-panambadiana ary nolavina noho ny tsy fitovian'ny fihodiran'izy ireo. Ny Mpitsara misahana ny fandriampahalemana, Keith Bardwell, dia nanambara fa araka ny efa hitany dia “tsy maharitra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa tsy mitovyfihodirana” ary nolazainy fa “ho an'ireo taranaka no nanaovany izany.”
Kazakhstan: Fifanoheran-kevitra ara-ekonomika, fanavakavahana araka ny maha-lahy na vavy ary ny fitotonganan'ny siansa
Manohy ny resaka momba ny fifandraisana ara-sosialy ireo mpitoraka blaogy any Kazakhstan. Tamin'ny herinandro lasa teo, ny adihevitra teto amin'ny aterineto dia nampiseho lohahevitra samihafa. Ny mpitoraka blaogy Lord-Fame dia...