- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Fifidianana madio sy tsy mitongilana?

Sokajy: Tonizia, Fifidianana, Vaovao Mafana

Araka ny efa tsikaritra mialoha dia nandresy tamin'ny fifidianana toniziana indray ka hitantana fanindiminy ny firenena ny filoha Zine Al Abidine Ben Ali. Ny tsy nantenaina dia ny 89.69%n'ny vato rehetra azony. Ny faminavinana manko dia nametraka fa tokony hahazo vato bebe kokoa noho io izy.

Tafavoaka tsara ihany koa ny antoko mitondra misy an'i Ben Ali dia ny Fivondronana ara-Dalampanorenana Demokratika. Nahazo toerana 161 amin'ny 214 ry zareo ao amin'ny parlemanta. Antoko enina no nifampizara ny toerana 53 ambiny: Hetsika ho an'ny Demokraty Sosialista, toerana16; Antoko Iraisam-Bahoaka, tarihin'i Mohamed Bouchiha, toerana12; Ny Firaisana demokratika Inionista an'i Ahmed Inoubli, toerana 9; Antoko Sosialy Liberaly, toerana 8; Antoko Maitso ho amin'ny Fandrosoana, toerana 6 ary ny antokon'i Ahmed Brahim dia ny Antoko Ettajdid, toerana 2.

Nilaza ny antoko mitondra fa nadio sy tsy nitongilana ny fifidianana 2009. Saingy hafa kosa ny hevitry ny mpitarika ny antoko mpanohitra sy ny mpamaham-bolongana : Mihevitra izy ireo fa nampiavaka ity fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka notontosaina tamin'ny 25 oktobra 2009 tany Tonizia iny ny fanakatsakanana sy ny fanemporana nandritra ny fampielezan-kevitra.

Tamin'eso no nanamarihan'i Arabasta [1] fa :

مبروك عليكم ما عملتو
نتوجه بالشكر أولا إلى الشعب التونسي اللي قام بواجبو الإنتخابي في كنف الديموقراطية و الشفافية و الروح الرياضية البارح و إنتخب رئيس جديد للبلاد و مجلس نواب أخر لمدة خمسة سنين. الإختيار هذا كان محكم و مدروس و حتى واحد ما حاول يأثر على العباد و حتى من التلفزة و الصحافة كانو في المستوى و عطاو وقت متساوي لكل المترشحين و الأنصار متاعهم بقطع النظر عن
قربهم أو بعدهم عن السلطةنتوجه بالشكر زادة لسيادة رئيس الجمهورية (لمدة 5 سنوات أخرى) و نعتذر عن عدم الدعوة و التصويت ليه و نستنكر و نشجب
التصرفات المشينة هذي أما نذكر أنو عمري ما شككت في نزاهة الإنتخابات و حريتها، فمن المعروف أنو في حالة تزوير الإنتخابات النتائج تكون من نوع 99،98% لكن الملاحظ النزيه يعرف أنو نتيجة 2009 ما تبعدش برشة على النسبة اللي ربح بيها شيراك في 2002 في فرنسا و لذا فالإنتخابات هذي إرتقت بينا إلى مصاف الدول العظمى و المتقدمة
Arahabaina tamin'izay vitanareo e!
Mivantana any amin'ny olom-pirenena Toniziana ny fankasitrahako voalohany izay namita ny adidiny teo anatin'ny mangarahara sy tamim-pomba demokratika omaly. Nifidy ny filoha vaovao ho an'ny firenena sy parlemanta vaovao hiasa dimy taona hafa indray izy. Efa nolanjalanjaina sy natao tamim-phendrena tokoa iny safidy iny. Tsy nisy ny nanindry ny olona ary tsy nitongilana fa nizara tamim-pahitsiana ny fotoana ho an'ny kandidà rehetra sy ny mpanohana azy ny televiziona sy ny gazety fa tsy nojereny ny fifandraisany amin'ny goernemanta.
Mankany amin'ny filoha (izay voafidy hiasa dimy taona fanampiny indray) ihany koa ny fankasitrahako ary manao azafady aho raha tsy nanohana sy tsy nifidy azy. Melohiko mihitsy ny fihetsiko na dia tsaroako tsara aza fa tsy nanontany ny momba ny tsy fironana sy ny tsy fitongilanan'ny fifidianana mihitsy aza aho. Ary efa fantatra moa fa raha nisy ny hosoka nandritra ny fifidianana dia tokony ho 98.99% ny vato azo. Fa ny mpitazana tsy mitongilana dia mahita fa tsy mifanalavitra loatra noho ny valim-pifidianana tany Frantsa tamin'ny 2002 izay nandresen'i Chirac ity valim-pifidianana 2009 ity. Izany no ahafahantsika miteny fa miaka-tsanda kokoa hiara-milahatra amin'ny firenen-dehibe sy mandroso isika.

Nanoratra tamin'ny tenim-paritra Toniziana i Nakhlet Wed El Bey [2] (Voanio eo amin'ny reniranon'i Bey) :

أنا لا أشكك في نزاهة التمثيلية الإنتخابية

آش كان عليه لو كان حلّينا اللعب شويّة
و نزعنا الأكمام من أفوه المعارضة الحقيقية
لإنتصر الرئيس بسبعة و سبعين في المية
و انتزعنا من قلوب الرعايا النفاق و السكيزوفرينية
Tsy manontany ny momba ny fahadiovana sy ny tsy fitongilanan'ny ankamantantra antsoinahoe fifidianana toniziana aho.
Fa ny amin'ny hoe raha mba mahalefitra kokoa isika
Ary mandray ny valanoranon'ny tena mpanohitra
Avy amin'izay dia mety ho nandresy tamin'ny isan-jato 77.7% ny filoha
Ary dia mety ho nahala sy fihatsarambelatsihy sy ny aretin-tsaina tamin'ny fon'ny olom-pirenena isika

Some Thoughts from Tunisia [3] [eritreritra sasany avy any Tonizia] kosa indray, tamin'ny lafiny ilany no nitantara izay nitranga taminy raha nandeha nifidy tamin'ny ora faramparany tamin'io andro io izy :

كيما قلت سبقني مرافقي للقاعة متاع الانتخاب وكيف دخلت انا نلقا الدنيا داخلة بعضها والجماعة يتغامزو عليه ويتلفوا في الجرّة (ما فاقوش اللي احنا مع بعضنا). اكهو فهمت آش صار: ضهر السيّد مازال في دارو وهوما ريڨلولو اموروا وانتخبوا في بلاصتوا وصححوا في الدفتر في بلاصتوا… آيا قالولو ما صار شيء برّا للخلوة اختار وموش لازم تصحح (الورقة كلها مصححة وماعادش فمة بلايص)… هاذا كلّو صاير وانا واقف نتفرّج!! السيّد مشى للخلوة وانا نسمع فيهم يْوَشْوْشُو ويحكيو بالسرقة بالحرف الواحد:
“هذا العمدة انتخب في بلاصتوا…!!!!”
Araka ny nolazaiko, teo alohako ho any amin'ny efitra fisainana ny namako. Rehefa niditra ny efitrano aho dia hitako ny fikoropahan'olona sy ny pi-maso nifanaovan'ny sasany sy ny hafa mody tsy mahita izany rehetra izany ka sahala ny hoe tsy nisy na inona na inona nitranga (Tsy fantatr'izy ireo fa niaraka izahay). Azoko avy hatrany ny zava-nitranga: Raha mbola tany an-trano izy dia efa nandrotsa-bato sy nanasonia teo amin'ny toerany ry zalahy.
Avy eo dia nilaza tamin'[ilay namako] ry zareo: “Tsy misy na inona na inona nitranga, mahazo mifidy izay tianao hofidiana ianao fa tsy mila manao sonia intsony. (Efa voasonia avokoa ny taratasy iray manontolo ary tsy misy intsony ny toerana azo anaovana sonia).
Nitranga avokoa izany rehetra izany nandritra ny nitsanganako teo. Nandeha nifidy ilay namako ary henoko ny bitsibitsika hoe:
Ny “Omda” (ampanjakan'ny vondron'olona) no nifidy teo amin'ny toerany.

Lina Ben Mhenni [4]