- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsoratra Grika momba ny Blog Action Day ‘09

Sokajy: Gresy, Hafanàm-po nomerika, Tontolo_iainana, Zavakanto & Kolontsaina

Ny tanjon'ny Blog Action Day [1] amin'ity taona ity dia ny hanairana ny fahatsiarovan-tena momba ny fiovaovan'ny toetr'andro. Maherin'ny 150 no mpitoraka blaogy Grika [2] nanoratra anarana, ary tena hita soritra ao anatin'ny fandraisan'anjaran'izy ireo ny loza ateraky ny doro ala sy ny fampielezana ny alahelo noho ny tsy fahampian'ny politikan'ny tontolo iainana.

Thirdeye dia niezaka ny hampifandray ny any an-toerana amin'ny iraisam-pirenena amin'ny fampahatsiahivana antsika [3] ny afobe izay nanimba an'i Grèce [4] nandritra ireo taona farany teo:

Στην Ελλάδα ζήσαμε πυρκαγιές τα τελευταία χρόνια που συνεισφέρουν πολλές αρνητικές συνέπειες για το κλιματικό μέλλον της χωράς. Οι εναλλακτικές πηγές ενεργείας δεν είναι αστειάκι στα πολιτικά πηγαδάκια αλλά κοινωνική ανάγκη. Όχι μόνο στην Ελλάδα αλλά σε ολόκληρο τον πλανήτη.[..]

Δεν γνωρίζω τι μπορεί να συμβεί απλά το φαντάζομαι. Επειδή όμως ονειρεύομαι ένα καλύτερο μέλλον υποστηρίζω [5] και υπογράφω το Hopenhagen [6] και συμμετέχω στο Blog Action Day [1].

Aty Grèce, vavolombelona izahay tamin'ireo afo nandritra ireo taona farany teo, izay miteraka voka-dratsy amin'ny ho avy ara-toetr'andron'ny firenena. Tsy sangisangy ho an'ny resa-be ara-politika ny loharanon'angovo hafa fa filàna sosialy, tsy any Grèce ihany fa maneran-tany. [..]Satria aho maniry hoavy mamiratra kokoa, izaho dia manohana [5] sy manasonia ny fanangonan-tsonian'i Hopenhagen [6] ary mandray anjara amin'ny Blog Action Day.

Roides dia niteny [7] fa ny fahamarinana ara-poitika sy ny fitiavan-tanindrazana dia mampidi-doza ny politikan'ny tontolo iainana any Grèce, ary notanisainy ireo tsy fahombiazan'ny politika:

Γι αυτό και εμείς αφήσαμε πίσω 67 νεκρούς, κάψαμε 3 εκατομμύρια στρέμματα δασών, δασικών και γεωργικών εκτάσεων και ως πολιτική απάντηση δώσαμε/πήραμε πολύ σημαντικά μέτρα, όπως:

- διαλύσαμε την δασική υπηρεσία

- (δεν) συντάξαμε δασολόγιο

- εξαγγείλαμε στεντορείως και ευρέως το περίφημο: «ότι ήταν δάσος θα παραμείνει δάσος» [..]

Izany no nahatonga antsika nitazam-potsiny olona 67 ho faty, ala sy saha 3 tapitrisa hektara ho kila forehitra, ary namaly ara-politika tamin'ny fametrahana fitsipika goavana toy ny:

  • fanafoanana ny departemanta misahana ny ala
  • tsy fandraketana anaty rejistra ny ala
  • fanambarana eny rehetra eny sy amin'ny fomba haingana fa “hijanona ho ala foana izay efa ala” [..]

Rodia dia naneso ny amin'ny fivakisana ara-tontolo iainana [8]:

Το περιβάλλον και η προστασία του, έτσι, γενικά και αόριστα, είναι μια φόλα, μια μούφα, μια παραπλάνηση, να το γράψω και ευγενικά. Δεν μπορεί οι εταιρείες να αλωνίζουν με τις βιομηχανίες τους, τα φουγάρα τους, τα χημικά βλαβερά τους απόβλητα, δεν μπορεί οι μεγάλες χώρες να μην έχουν υπογράψει βασικές συνθήκες προστασίας του περιβάλλοντος (π.χ. ΗΠΑ, συνθήκη Κιότο) και να ζητιέται απο τα ταπεινά ανθρωπάκια, εμάς δλδ, να προσέχουμε μη πατήσουμε το χορτάρι!

Ny tontolo iainana sy ny fiarovana azy, raha lazaina tsotsotra, dia nofy poak'aty, làlan-diso, raha lazaina amin'ny fomba mihaja. Tsy afaka manana   orinasa maro rantsana manao ny danin'ny kibony amin'ireo seha-pamokarany ianao, ny setroka sy ny fako simika, tsy afaka hahazo firenena vaventy tsy hanasonia fifanarahana fototra ho fiarovana ny tontolo iainana ( i USA ohatra tsy nanao sonia ny fifanarahan'i  Kyoto), ka hangataka aminay olona bitika hitandrina ny bozaka!

… nefa tonga hatrany amin'ny fanolorana ala-olana anatiny:

Εμείς μπορούμε να κάνουμε μικρούτσικα πραγματάκια, στη κλίμακά μας, που λένε. Να φροντίζουμε για τα σκουπίδια που παράγουμε και, αναλόγως, να τα πετάμε ή να τα ανακυκλίζουμε. Να φροντίζουμε τη καθαριότητα των ακτών της χώρας μας. Να προσέχουμε τα πάρκα μας -όσα απομείναν, δλδ- μη τα κάνει γκαράζ κάνας πρόθυμος δήμαρχος. Να καταγγέλουμε όποια εταιρεία ή βιομήχανο καταστρέφει τον υδροφόρο ορίζοντα, γιατί εκείνος μπορεί να στείλει τα παιδιά του να ζήσουν στην Ελβετία ή στις Μπαχάμες, αλλά εμείς θα εξακολουθούμε να ζούμε εδώ και να χρειαζόμαστε νερό πόσιμο. Να χρησιμοποιούμε τα Μέσα Μαζικής Μεταφοράς [..] και να πιέζουμε προς τα καλύτερα και πυκνότερα δρομολόγια

Afaka manao zavatra kely isika, amin'ny sehatra misy antsika, raha izay no ilazàna azy.  Mifantina sy manodina indray ireo fako vokarintsika. Mitandro ireo tora-pasika mba hadio. Miahy ireo valan-javaboaharintsika – ireo hany sisa tavela – mba hitazonana azy ireny tsy havadik'ireo Ben'ny tanàna adalam-bola ho toerana fiantsonan'ny fiarakodia. Mitoroka ireo mpitantana orinasa mandoto ny tahirin-drano fisotro, satria izy ireny afaka mandefa ny zanany hiaina any Soisa na any Bahamas, fa isika kosa hijanona eto foana ary mila rano azo sotroina. Amin'ny fampiasàna ny fitateram-bahoaka sy fanaovana fanentanana amin'ireo toerana tsara fidy ary ny làlana be mpampiasa
Naverin'i Argos navoaka ny video nandraisany anjara tamin'ny Blog Action Day ‘07 ary nomarihany [9] tamim-pahakiviana,

Roa taona lasa izay dia nandray anjara tamin'ny  blog action day voalohany indrindra [10] aho, izay ny fiovaovan'ny toetr'andro no lohahevitra. Roa taona aty aoriana, mitovy amin'izay indray [1] ny anton-dresaka. Mazava ho azy fa dia mitovy ihany ny fandraisako anjara.

Tsy nisy vahaolana tao anatin'ny roa taona lasa, noho izany dia tsy hanova na inona na inona aho.