- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Filazana ny fihaonambe ho fahatsiarovana an'i Anna Politkovskaya

Sokajy: Rosia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Politika, Tantara, Zon'olombelona

Ilay mpanao gazety Anna Politkovskaya [1] dia nisy namono tamin'ny 7 Oktobra 2006 [2]. Amin'ny Alarobia ho avy izao, hisy fihaonambe ho fahatsiarovana azy nomanina hatao eo ivelan'ny metro Chistyye Prudy any Moscou.

(lahatsoratra GV momba ny famonoana an'i Anna Politkovskaya tamin'ny 2006 – ato [3] sy ato [4]; 2007 – ato [5]; 2008 – ato [6].)

Nisy lahatsoratra fohy (RUS) milaza ilay fihaonambe ho fahatsiarovana navoaka voalohany [7] tao amin'ilay vohikalan'ny Novaya Gazeta, gazety nanoratan'i Anna Politkovskaya:

Telo taona izay no lasa taorian'ny andro namonoana an'i Anna Politkovskaya; mbola mandehandeha eny ireo nibaiko sy nanatontosa izany famonoana izany.

[…]

Handray anjara amin'ilay fihaonambe ireto olona ireto:

Aleksey Simonov [filohan'ny Glasnost Defense Foundation [8]], Ilya Politkovsky [zanakalahin'i Anna Politkovskaya], Dmitry Muratov [Talen'ny famoahan'ny Novaya Gazeta [9]], [vehivavy mpilalao sarimihetsika Liya Akhedzhakova [10]], Grigory Chkhartishvili [mpanoratra, solonanarana: Boris Akunin [11]], [mafana fo mpiaro ny zon'olombelona Lyudmila Alekseyeva [12]], [mpanao pôlitika Grigory Yavlinsky [13]], [mpanao pôlitika Boris Nemtsov [14]], [vehivavy mpilalao sarimihetika Chulpan Khamatova [15]], [mpanao pôlitika Mikhail Kasyanov [16]], [mpanoratra sariitatra Victor Shenderovich [17]], [mpanao gazety] Yulia Kalinina, sy maro hafa.

Hanomboka amin'ny 4:03 ora hariva tsy diso ny fihaonambe.

Nahazo alalana tamin'ireo manam-pahefana ao an-tanànan'i Moscou ilay fihaonambe.

Miaraka amin'ilay lahatsoratra fohy ny sarin'i Anna Politkovskaya:

ANNA - Oct. 7, 2006: The killers are still at large.ANNA – 7 Okt. 2006: Mbola mandehandeha any ireo mpamono.

Ary misy koa sarina mpanao gazety sy mafana fo maro hafa izay “namoy ny ainy teo am-panatanterahana ny asany” tany Russia, nanomboka tamin'ny 2000 hatramin'ny 2009 – Telman Alishaev [18]; Anastasiya Baburova and Stanislav Markelov [19]; Magomed-Zagid Varisov [20]; Igor Domnikov [21]; Magomed Yevloyev [22]; Valery Ivanov and Aleksei Sidorov [23]; Vagif Kochetkov [24]; Pavel Makeev [25]; Maksim Maksimov [26]; Eduard Markevich [27]; Ivan Safronov [28]; Natalya Skryl [29]; Paul Klebnikov [30]; Yuri Shchekochikhin [31]; Natalya Estemirova [32]; Vladimir Yatsina [33]:

pics.3

Hatramin'izao dia mbola hevitra efatra ihany no naterak'ity antso avo ity:

konoplyov:

Dia iza no mpamono dia iza no nibaiko izany? Mety tsy efa maty ve izy?

gerantidi:

Mbola velona tsara tokoa izy. [Berezovsky [34] no anarany.]

miksread:

Kiriko aho mahita ity iconostase saro-takarina ity. Kiriko aho mieritreritra ny hoe farafaharatsiny ny isan'ireo handray anjara amin'ilay fihaonambe dia tsy ho latsaka [amin'ny isan'ireo olona amin'ilay peta-drindrina]. Maty tamin'ny tsy antony ve izy ireny? Toa sahala amin'izany an.

igel_68:

Tsy maintsy handray andraikitra amin'ity i [Putin [35]] indray andro any. Mpanao gazety roa isan-taona eo no maty novonoina raha ny salanisa. Indrindra ireo mitatitra ny tena zava-misy any Rosia. Ireo izay nifidy ny tsy hanasoaso ny fitondràna. Sady azo atao koa ny miresaka momba-na famonoana iniana atao. Famonoana mifototra amin'ny asa. […]

viking_nord, mpampiasa LJ dia iray amin'ireo mpitoraka blaogy ampolony vitsivitsy izay namerina namoaka ilay filazana [36] (RUS) tao amin'ny blaoginy. Ny lohatenin'ilay lahatsoratra dia “Ho any aho.” Somary maina ihany ny hevitra voalohany napetraka tamin'io:

vzzhbzl:

“Ho any aho.” Any amin'ny misy an'i Politkovskaya ankehitriny ve? Aza maika amin'izany. Tsy maintsy ho any daholo isika indray andro any.

Ity ny tohin'ny resaka:

viking_nord:

Ilay fihaonambe no tiako resahana.

vzzhbzl:

Inona ary no handanianao andro amin'izany? Hanandratra  tabataba kely fotsiny ianareo dia avy eo hiparitaka – hanova zavatra ve izany?

viking_nord:

Kanefa raha tsy manao tabataba mihitsy izahay, izay vao tena tsy hisy mihitsy ny fiovàna.

andrei_naliotov, mpampiasa LJ dia namerina namoaka ilay filazana [37] (RUS) tao amin'ny vondrona LJ ru_politics (mpikambana 8 722). Toa miavaka ny resaka misy ao amin'ny fametrahan-kevitra amin'izao fotoana izao – feno faharatsiam-panahy miharihary sy zara raha misy  alahelo na vaovao marina bitika dia bitika:

kidman_moscow:

*manoaka*
Aza adino ny mamoaka sary.

***

fetisoff:

Ie, tia mandehandeha any amin'ny Chistoprudnyi aho [ Lalambe migodana, toerana hanaovana ilay fihaonambe sy nanaovan'ny antoko mpanohitra fihaonambe maro taloha]. Nefa izao aho tsy maintsy mijery aterineto alohan'ny handehanana, hijery raha misy [adala] mitady hanao fihaonambe eny (na dia ireo ihany aza no manohitra eny isaky ny mihetsika).

***

bobrok_gso:

[Haha], fa maninona no nosoratanao hoe mpanao gazety i Stasik Markelov? Fa angaha izy tsy mpisolo vava? Sa azo aseho eny daholo [na iza na iza]?

***

atollos:

Mitovy fiafaràna daholo ireo Mazepas rehetra. [araka ny anaran'i Cossack Hetman Ivan Mazepa [38] – sy ny anaran-jazavavin'i Anna Politkovskaya, Anna Mazepa.]

***

knpnk:

Hm… Eo amin'ilay peta-drindrina misy ireo mpanao gazety dia misy toerana banga eo amin'ny laharana farany… Tsy maintsy misy antony ao…

***

vitaly:

Sipakelin'ireo be volombava. [milaza ankolaka an'i Anna Politkovskaya sy ireo mafana fo Chechen.]

***

salnikov_vova:

Koa tsy  ‘ndeha sambory àry ry zareo [ireo namono an'i Anna Politkovskaya]! Raha mbola olona miriaria izy ireo, maninona ianareo no tsy misambotra azy ireo  na manome ny mombamomba azy ireo any amin'ny mpitandro filaminana!