- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?

Sokajy: Amerika Avaratra, Afganistana, Ejipta, Etazonia, Iràka, Iràna, Norvezy, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Isaorana ny vaomieran'ny loka Nobel fa nanala andro anay izy androany. Maro angamba ny olona no tsy matoky hoe nahoana moa no nomem-boninahitra ny filoha Amerikana Barack Obama, sady mihevitra fa tsy mendrika azy izany. Saingy faly avokoa izy rehetra, fa mampisy fanantenana azy ireo izao fa hay mety hahazo ny loka avokoa ny tsirairay. Tsy vitan'ny hoe ny olo-tsotra ihany no hendratra, fa na dia ny Associate Press aza dia mitovy fijery amin'izy ireo [1]:

Voninahitra lehibe ho an'ny iray amin'ny filoha Amerikana tanora indrindra, izay tsy mbola ampy sivy volana ny nandraisany ny asany — ary vao 12 andro monja mialoha ny andro farany hanaovana ny fifantenana izany tamin'ny volana febroary izany.
Taratra fa noho ny fampanantenana no tena nahazoan'i Obama ny loka fa tsy noho ny zava-bitany.

Ny hevitry ny Ejypsiana nandritra ny fotoam-panambarana tao amin'ny Twitter

@amradelamin [2]: Azon'i Obama ny loka Nobel fandriampahalemana.
@fustat [3]: Notolorana ny loka Nobel fandriampahalemana 2009 ny filoha

Ary gaga tanteraka ny sasany.

Ghafari [4]: نعم! اوباما فاز بنوبل للسلام؟ سلام ايه؟ وفين وامته؟.
@Ghafari [4]: Eny! Nomena an'i Obama ny loka Nobel fandriampahalemana? Fandriampahalemana inona? Oviana ary tamin'ny fomba ahoana?
@embee [5]: Obama? WTF?
@alaa [6]: Ompao aho kle. Ny filohan'ny firenena nanangana ady amin'ny firenena roa (tsy lazaiko ny any Pakistan) ve no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?
@waelabbas [7]: Nahazo ny loka Nobel tamin'ny fanampiana ny mpanao didy jadona i Obama
@Ssirgany [8]: Nifarana tamin'ny 1 febroary ny faran'ny fifantenana ny olona hahazo ny loka Nobel, izany hoe 10 andro monja taorian'ny nandraisany ny asany. Inona no vitany tao anatin'ny 10 andro?

Ary dia nanomboka nanala azy ny ankamaroany

@nightS: [9] Obama sy ny loka Nobel fandriampahalemana?!?!?! heveriko fa vaovao tsara izany..Ny tiako lazaina dia mety hahazo io ihany koa aho amin'ny 2010 reheefa tena hitan-dry zareo fa mendrika an'io izy!!
@Sarahcarr [10]: Tokony hotontosaina any Afghanistan ny fanolorana ny loka Nobel ary atrehin'ny havan'ireo sivily najedaky ny miaramilan'i Obama.
@minazekri [11]: Azon'Atoa Obama ny lokan'i Nobel fandriampahalemana noho ny nampitomboany ny isan'ny miaramila hiady any Afghanistan.
@minazekri [12]: Afghanistan, Iraq ary ankehitriny dia HANAFAY an'i Iran koa i Obama, tena matoky aho fa izy no safidy tsara indrindra amin'ny loka Nobel fandriampahalemana
@moftasa [13]: Mampihomehy ny fahazoan'ny mpanao politika ny loka Nobel mialoha ny hanaovany zavatra, nefa ny mpikaroka tsy mahazo azy raha tsy ampolony taona taorian'ny nampody ventiny ny rano natsakaina.
@moftasa [14]: Nahazo ny loka Nobel momba ny fitsaboana i Barbara McClintock tamin'ny 1983 noho ny nahitany ny “gene transposition” tanelanelan'ny taona 40 sy 50.
@alaa [15]: @moftasa ny tena mampihomehy dia ny fotoana niandrasan'i Mandela hahazoany io loka io no sady tsy maintsy nifampizarany azy tamin'ny mpanavakava-bolo-koditra mpamono olona sy ny tsy nahombiazan'i Ghandi in'efatra hahazoany azy
@WilYaWil [16]: Mendrika hahazo ny loka Nobel noho ny kabariny i Obama fa tsy ami'ny fandriampahalemana!
@BooDy [17]: قلت لابوي و انا صغير يابا انا عاوز آخد جايزة نوبل ضحك علي الندل و قالي ذاكر و ابقى عالم و انت تاخدها أتاريني الأسهل اني ابقى سفاح
@BooDy [17]: Niteny tamin'ny raiko aho indray mandeha, fony mbola tanora, fa te-hahazo ny loka Nobel aho. Nitokelaka ny anao sady niteny hoe mianara mafy mba ho mpanao fikarohana raha te-hahazo, saingy hitako fa toa mora kokoa ny manao mpamono olona raha te-hahazo azy.
@WilYaWil [18]: Notapahin'i Kanye West ny kabarin'i Obama momba ny Nobel “Avelako ianao hamarana azy, saingy ity no loka Nobel ho amin'ny fandriampahalemana ratsy indrindra hatramin'izay nisiany”
@Amiralx [19]: Ary tokony ho izaho no hahazo ny Grammy amin'ny fihirana eo am-pandroana an!

Namoaka lahatsoratra manokana [20] momba io ao amin'ny bolongany i Arabawy.

Nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana ny mpanombi- kenan'i (boucher) Iraq sy Afghanistan (ary Pakistan) . Arahabaina e! [Mabrouk!] Andro lehibe ho an'ny tontolo anjakan'ny fahafahana izao. Obama, Manachem Begin, Henri Kissinger–ireo olona rehetra nahatonga ity planeta ity ho toerana maha-te-honina. Ary maninona raha mba mahazo an'io ihany koa ry Mubarak sy ry Habib el-Adly? Lasa ny hafatra ho an'ireo mpisolelaka any Nôrvezy: Ny famonoana sy ny fanajedahana no lalana atoronareo hahazoana ny loka Nobel.

Ary farany, dia misy ihany ireo manana fijery hafa:

@majdtweets [21]: Eo amin'ny lafiny iray: Rehefa azon'i Obama izao ny loka Nobel momba ny fandriampahalemana, dia mety hijoro amin'ny voninahitra azony izy ka hametraka ny fandriampahalemana amin'izay!
@sarsour [22]: Tiako i Obama – hitako ho bandy tsara ihany ny akama. Fa mbola be ny miandry zavatra azy MIALOHA ny hahavitany ireny.

Tarek Amr [23]