- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arzantina: Misaona an'i Mercedes Sosa mpihira

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina

Anankiray tamin'ireo vaovao lehibe tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo ny fahafatesan'ilay mpihira arzantina Mercedes Sosa tamin'ny 04 oktobra, anankiray amin'ireo mpihira manana ny maha izy azy any Amerika Latina. Nambaran'ny fampahalalam-baovao rehetra tany Arzantina ity vaovao ity, ary nandefa mivantana ny fiandrasam-paty nandritra ny tontoloandron'ny alahady ny fampahalalam-baovao maro.

Photo by Basilievich and used under a Creative Commons license. [1] Saripikan'i Basilievich arovan'ny Creative Commons

Araka ny efa nampoizina dia mpitoraka bilaogy maro no niresaka ny fahalasanan'ity mpanakanto ity. Namoaka lahatsary sy hira ny ankamaroan'izy ireo ho fahatsiarovana azy. Ny hafa kosa nanoratra fohifohy mikasika ity andro manjombona ity. Ohatra, tao amin'ny bilaogy La Cocina Plural [es] [2], no nanoratan'i Tomy:

Tus acciones, tus palabras, tus canciones y tu voz despertaron alguna conciencia social…( algunas siguen dormidas), te echaremos de menos para siempre, que descanses allí donde estés

Ny hetsika nataonao, ny teninao, ny hiranao sy ny feonao no namoha fahatsiarovan-tena sosialy… (mbola rendremana aza ny sasany), hahatsiaro anao foana izahay, mandria am-piadanana na aiza na aiza hisy anao.
Mourning waiting in line to pay their respects to Mercedes Sosa. Photo by blmurch and used under a Creative Commons license. [3] Filaharam-pisaonana hanome mari-panajana an'i Mercedes Sosa. Saripikan'i blmurch arovan'ny Creative Commons license.

Namoaka famintinana fohy nilaza ny zava-nisy tamin'ny andro nahafatesany ny bilaogy sasany. Ny bilaogy La Carabina [es] [4] no nanoratra fa:

desde que se conoció su muerte (producida en la madrugada del domingo), sus admiradores han guardado pacientemente horas de fila para acceder al velatorio organizado en el salón de los Pasos Perdidos del Congreso, un honor sólo reservado para las más importantes personalidades políticas y culturales.

Vao naheno ny fahafatesany ireo mpankafy (tamin'ny alahady vao maraina be) dia nandeha nilahatra nandritra ny ora maro hahazo hiditra ao amin'ny fiandrasana azy ao amin'ny Salle des Pas Perdus an'ny kongresy, izay fanomezam-boninahitra natokana ho an'ny mpanao politika ambony sy ireo mpanakanto malaza ihany

Nahazo hafatra be dia be ny vohikalan'ity mpihira ity taloha sy taorian'ny nahafatesany, satria niharatsy hatrany ny toe-pahasalamany. Nanoratra teny fampionona ao amin'ny takelaka Facebook an'i Mercedes Sosa koa ireo mpankafy azy.

Jorge Gobbi [5]