Anankiray tamin'ireo vaovao lehibe tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo ny fahafatesan'ilay mpihira arzantina Mercedes Sosa tamin'ny 04 oktobra, anankiray amin'ireo mpihira manana ny maha izy azy any Amerika Latina. Nambaran'ny fampahalalam-baovao rehetra tany Arzantina ity vaovao ity, ary nandefa mivantana ny fiandrasam-paty nandritra ny tontoloandron'ny alahady ny fampahalalam-baovao maro.
Araka ny efa nampoizina dia mpitoraka bilaogy maro no niresaka ny fahalasanan'ity mpanakanto ity. Namoaka lahatsary sy hira ny ankamaroan'izy ireo ho fahatsiarovana azy. Ny hafa kosa nanoratra fohifohy mikasika ity andro manjombona ity. Ohatra, tao amin'ny bilaogy La Cocina Plural [es], no nanoratan'i Tomy:
Tus acciones, tus palabras, tus canciones y tu voz despertaron alguna conciencia social…( algunas siguen dormidas), te echaremos de menos para siempre, que descanses allí donde estés

Namoaka famintinana fohy nilaza ny zava-nisy tamin'ny andro nahafatesany ny bilaogy sasany. Ny bilaogy La Carabina [es] no nanoratra fa:
desde que se conoció su muerte (producida en la madrugada del domingo), sus admiradores han guardado pacientemente horas de fila para acceder al velatorio organizado en el salón de los Pasos Perdidos del Congreso, un honor sólo reservado para las más importantes personalidades políticas y culturales.
Nahazo hafatra be dia be ny vohikalan'ity mpihira ity taloha sy taorian'ny nahafatesany, satria niharatsy hatrany ny toe-pahasalamany. Nanoratra teny fampionona ao amin'ny takelaka Facebook an'i Mercedes Sosa koa ireo mpankafy azy.