- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Abidjan Blog Camps: Ny atrikasa voalohany

Sokajy: Cote d'Ivoire, Fampandrosoana, Fanabeazana, Media sy Fanoratan-gazety, Tanora, Teknolojia

Nikarakara ny fandaharam-pampiofanana ny fampitam-baovaon'olo-tsotra voalohany tamin'ity volana ity (septambra) ny Abidjan Blog Camps [1] izay tetikasa vatsian'ny Rising Voices.

ceasefire training1 [2]ceasefire training [3]

Roger Kassé no manome fanampim-baovao momba ny atrikasa notontosaina ny 3 Septambra 2009: [4]

Noho ny fandraisana andraikitry ny sendikàn'ny mpanao gazety ao Côte d'Ivoire (UNJCI), sy ny niarahany niasa tamin'ny Fikambanana I3C, dia nisy seminera fampiofanana momba ny ‘Fanaovan-gazety sy ny fitoraham-blaogy’ notontosaina tao amin'ny Tranoben'ny fanaovan-gazety tao Abidjan. Natrehana mpanao gazety folo avy amina fampahalalam-baovao Ivoriana isan-karazany izany fampiofanana izany.

Nanao fampidirana fahalalana ireo karazam-pitaovana fampiasan'olo-tsotra tamin'ny mpandray anjara sy nampianatra azy ireo hitoraka blaogy [edit: mmaham-bolongana]i Théophile Kouamouo [5] (mpanao gazety mpitoraka blaogy) sy i Manasseh Dehé [6] (injenieran'ny solosaina). Ankoatra ny fianarana an-tsoratra dia mandray anjara amin'ireo asa fampiharana koa ireo mpitoraka blaogy vaovao.

Manoratra [7] [fr] momba ilay atrikasa i Théophile Kouamouo :

Fantatr'izy ireo – indrindra ireo tanora – fa mivoatra ny asan-dry zareo. Efa namorona blaogy roa ry zareo, ny iray an'i Roger [8] sy Cynthia [9], manampy ny an'i Prosper [10], izay efa nisy. Kaonty Twitter maromaro koa no noforonina.

Tena singa mpanova tokoa fa lasa evanjelisitry fitoraham-blaogy ireo mpanao gazety izay nanatrika ny fiofanana. Navoaka tao amin'ny Le Nouveau Réveil, L'Expression, Fraternité-Matin, AIP, etc. … ireo lahatsoratr'izy ireo. Nahazo fotoana niresahana momba ny media an-tserasera sy ny blaogy izahay tao amin'ny Radio Côte d'Ivoire sy Radio Jam. (dika teny nataon'ny masinina)

roger kasse [11] Nampahalala ny vaovao [8] momba ilay raharaha fakom-poizina nararaka tamin'ny 2006 avy tamin'ilay sambo Probo Koala i Roger Kassé.

Nanoratra tatitra mahaliana [12] momba ireo mpanambaka amin'ny aterineto, antsoina koa hoe “mpihinam-bilona” koa i Roger:

Matetika ry zareo no manao sarim-bavy na miray tsikombakomba amin'ireo vehivavy manam-pahaizana amin'ny fanaovam-pitaka amin'ny aterineto. Ny mipetraka any Eoropa no kendren'izy ireo hofitahina. Tao anatin'ny folo taona dia lasa ivotoeran'ny fanaovana heloka bevava an-tserasera i Abidjan noho ireny “mpihinam-bilona” ireny. Ao anatin'ilay tambajotra lehibe avy any Nizeria ireo mpamitaka amin'ny aterineto ireny. Tsotra ny fanaon-dry zareo. Akorontan-dry zareo ny tontolon'ny aterineto any Abidjan. Ireo tambajotra sosialy tahaka an-dry Facebook na vohikala fikarajiana [chat] no tena tian-dry zareo. (dika teny nataon'ny masinina)

Manazava [13] i Cinthia R Aka fa mitady ny fomba rehetra ny mpanao haivarotra hisarihana mpanjifa:

Tsy lany hevitra mihitsy ireo mpivarotra akanjo, kojakoja fikarakaram-batana ary sakafo ao an-tsenantsika rehefa hisarika olona hividy ny entan'izy ireo.

Manasseh Deheer indray manoratra [14] momba ny fivorian'ny mpandraharaha hiresaka momba “Ireo fitaovana vaovao any amin'ny aterineto ho enti-manatsara ny fahafantarana olona (identité) amin'ny fomba nomerika (manokana / arak'asa).”

cl nadine [15]

Mampafantatra [16] Yoro fa ny vadin'i Théophile, Nadine Kouamouo [17], mpikambana ao amin'ity tetik'asa ity no nahazo ny lokan'ny “vehivavy mitati-baovao momba ny TIC mendrika indrindra” tao amin'ny Highway Africa Conference.

Nanoratra [18]momba ny habetsahan'ireo teny filamatra momba ny fanafotsiana hoditra ampiasaina hivarotana ireo vokatra fikarakaram-batana any Abidjan i Nadine.

Manantena izahay ny hahita zavatra hafa hovakiana avy amin'ireo mpandray anjara amin'ny Abidjan Blog Camp.

Rezwan [19]