Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

10 Oktobra 2009

Tantara tamin'ny 10 Oktobra 2009

Abidjan Blog Camps: Ny atrikasa voalohany

Rising Voices

Nikarakara ny fandaharam-pampiofanana ny fampitam-baovaon'olo-tsotra voalohany tamin'ity volana ity (septambra) ny Abidjan Blog Camps izay tetikasa vatsian'ny Rising Voices. Roger Kassé no manome fanampim-baovao momba ny atrikasa notontosaina ny 3 Septambra 2009: Noho ny fandraisana andraikitry ny sendikàn'ny mpanao gazety ao Côte d'Ivoire (UNJCI), sy ny niarahany niasa tamin'ny Fikambanana...

Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?

Tamim-pahagagana sy tamim-pahatairana no nandraisan'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Ejipsiana ny fahazoan'ny filoha Amerikana Barack Obama ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana: Amin'ny fomba ahoana moa no ahazoan'ny filoha manangana ady amina firenena lavitra azy no hahazo ny lokan'ny fandriampahalemana? Mbola hitantara maromaro amin'io amintsika i Tarek Amr

Arzantina: Misaona an'i Mercedes Sosa mpihira

Anankiray tamin'ireo vaovao lehibe tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo ny fahafatesan'ilay mpihira arzantina Mercedes Sosa tamin'ny 04 oktobra, anankiray amin'ireo mpihira manana ny maha izy azy any Amerika Latina. Nambaran'ny fampahalalam-baovao rehetra tany Arzantina ity vaovao ity, ary nandefa mivantana ny fiandrasam-paty nandritra ny tontoloandron'ny alahady ny fampahalalam-baovao maro. Saripikan'i...