- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Rehefa tsy sivana dia fandraofana

Sokajy: Maraoka, Fahalalahàna miteny, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Politika, Vaovao Mafana
moulay-ismail1

Nanoritra ny làlany teo amin'ny tontolon'ny blaogy ilay kisarisary

Ny minisitry ny Atitany Maraokana dia nanapa-kevitra ny hitory ny gazety mpivoaka isan'andro amin'ny teny Arabo Akhbar Al Youm noho ny famoahana sariitatr'ilay Printsy vao nanambady, Moulay Ismail. Tao amina fanambarana ofisialy, no namaritan'ilay minisitra ilay sariitatra ho “manimbazimba ny fianakavian'ny mpanjaka”. Voatondro ihany koa ny fampiasana manokana ny Kintan'i Davida tao amin'ilay kisarisary, ary “mampanontany tena ihany koa ny tanjona tian'ny namoaka ny sary aseho izay mivandravandra fa mampirona any amin'ny fanavakavahana ny Jiosy sy ny ‘jodaisma’.”

Ilay mpitoraka blaogy Analitikis dia mieritreritra fa very ny kivazivazy fanaon'i Maraoka, nefa manontany tena momba ilay mpanao gazety izay nilaza fa ilay kintana dimy tendro eo amin'ny sainam-pirenena Maraoka no tiany naseho tamin'iny, amin'ny fitenenana fa [1]:

Mazava loatra fa fotoana fanararaotran'ny Minisitry ny atitany mba handrarana famoahana ny iray amin'ireo gazety tsy miankina vitsy dia vitsy eo amin'ny firenena…Raha manohana ny falalahan'ny mpanao gazety maneho hevitra aho dia manontany tena momba ny kabariny vao haingana izay nanambarany fa nafangaro tamin'ny Kintan'i Davida ilay kintana raha ilay Maraokana efa mahazatra izy ity. Noho izany dia nanapa-kevitra aho ny hampiasa ny fahaizana kely ananako amin'ny fikirakirana Photoshop mba hitsapana ny fahamarinan'ny teniny… Ianao no mitsara

Avy eo dia niezaka ny tendro dimin'ny kintana izy saingy tsy nahatafavoaka mihitsy…

Blogger Analitikis show's the star's true points

Mampiseho ireo tena tendron'ilay kintana ilay mpitoraka blaogy Analitikis

…ary namintina hoe: “Manontany tena aho raha misy idiran'ny fiaviana Alemana avy amin'ny vadin'ny Printsy ity tantara ity…”

Mandinika ny toe-javatra ilay mpitoraka ny blaogy A Moroccan About the World Around Him , amin'ny filazany fa [2]:

Mampanahy be ihany ny governemanta Maraokana ireo gazety tsy miankina, satria miresaka lohahevitra fady izy ireo. Ny fanenjehana ara-pitsarana sy ara-pôlitika mahazo ny mpanao gazety sy mpanakanto tsy miankina, mbamin'ireo gazety sy gazetiboky iasan-dry zareo dia mifanohitra amin'ny filazany ho mampiroborobo fa misolo vava sy miaro ny falalahan'ny fanaovan-gazety izany. Nanamarika ny mpitazana fa ny governemanta no mahazo tombontsoa amin'izao fanenjehana olona izao, ary mikiky tsikelikely ihany koa ny gazety tsy miankina.

Rehefa fantatra ny antony nampisara-dia an'i Bouachrine sy i Nini tao amin'ny Al Masae, dia nataon'ity farany ho fanalan'andro fotsiny ny iray.

Nanazava tamin'ny antsipiriany tamin'ity toe-draharaha ihany koa i Entre Nous Marocains, ka ahitana horonantsary roa ao amin'izany lahasorany izany. Namintina ilay mpitoraka blaogy:

Durant deux mois, la censure de Telquel, Nichane, Le Monde et les interrogatoires de plusieurs journalistes (Al Ayam, Al Michaal, Al Jarida Al Oula) mais le meilleur pour la fin, la fin d’une époque de censure et d’interrogatoires, et le début d’une époque de saisie de biens. La caricature n’a pas suscitée tout l’intérêt qu’elle suscitera dans les prochains jours. Est-ce que par cette saisie, le ministère empêchera la publication de caricatures, articles sur le Roi ou sur les princes et princesses ?! Ni les censures, ni les interdictions, ni les gros montants de dommages et intérêts n’ont empêchés la publication de tels articles ! Il faut bien penser à une solution qui arrange LES DEUX PARTIES, pas seulement UNE ou AUCUNE comme le cas d’Akhbar Al Youm.

Nandritra ny roa volana, [no nanjaka] ny sivana natao tamin'ny Telquel, Nichane, Le Monde, sy ny fanadihadiana mpanao gazety maromaro (Al Ayam, Al Mishaal Al Jarida Al Oula), fa mbola ho avy ny tena katraka: mifarana ny vanim-potoanan'ny sivana sy ny fanadihadiana fa manomboka kosa ny vanim-potoan'ny fandraofam-pananana. Mbola tsy nanaitra ny olona tahaka tahaka izay hanairany azy aoriana kely ilay kisarisary aloha. Fa angaha hampihemotra famoahan'ny olona sariritatra sy lahatsoratra momba ny mpanjaka sy ny zanany ny fandraofana ataon'ny minisitera? Tsy manakana ny fivoahan'ireny lahatsoratra ireny na sivana na fandraràna na fandoavana onitra vola be! Tsy maintsy tadiavina ny vahaolana mety AMIN'NY ROA TONTA, fa tsy ny IRAY fotsiny na TSY MISY mahazo tombontsoa tahaka ny tamin'i Akhbar Al Youm.