Horohorontany goavana no nisy tany Padang, Sumatra Andrefana nanodidina ny tamin'ny 5ora hariva (ora teny an-toerana) ny Alarobia teo.
Horonantsary navoakana mpampiasa YouTube iray any Padang:
Niteraka faharavan-trano lehibe sy tra-boina maro ilay horohoron-tany tany ambany ranomasina izay mirefy 7.6 amin'ny maridrefy Richter, indrindra tany amin'ny faritr'i Pariaman, izay morontsiraka any Padang.
- Sary nampiakarin'i marcellodecaran tao amin'ny Twitpic
Nisy fampitandremana tsunami [id] maneran-tany nalefa ho an'i Indonezia, Thailand, Malaysia, ary India, nefa notsoahana ora iray taty aoriana.
Ilay masoivohom-baovao Indoneziana Antara dia nitatitra fa nahatratra 75 ny isan'ny maty, nefa mety hisondrotra satria mbola misy olona voatototra any ambany vato, ny sasany kosa nifidy ny hijanona eny ivelan'ny tranony [id] sao dia mbola hisy horohorontany.
Araka ny Sekretera voalohany ao amin'ny Foibem-pirenena misahana ny loza voajanahary [National Board for Disaster Management (BNPB)] any Antara, Purnomo Sidik, tsy nahazo antsipiriany avy amin'ny faritra ny foiben'ny BNPB noho ny faharatsian'ny fifandraisana tany Sumatra Andrefana.
Ny antsasaky ny tanàna no nahitàna fahasimbana ary naato ireo sidina miditra an'i Padang noho ny fahasimbana'ireo làlam-piaramanidina ao amin'ny seranam-piaramanidin'i Minangkabau.
Feno hafatra fankaherezana, fanampim-baovao ho an'ny sy avy amin'ireo tapaka sy namana, ary tatitra momba ny vonjy voina ny tontolon'ny twitter Indoneziana.
henzter: vao nahazo valiny tamin'ny sms-ko, avy amina olom-pantatra any sumbar: mbola mitady ny rahalahiko. *mivavaka*
martimanurung: Hanampy ny Sumatra Andrefana ny Faritra Atsimo sy Avaratr'i Sumatra amin'ny vonjy voina noho ny horohorontany.
veraalexandra: Andriamanitra o, ampio ireo rahalahy sy rahavavinay any Padang. .omeo hery sy faharetam-po izy ireo..amena.
aditdmid: bru lht dmpak gempa Padang td sore. evakuasi mlm ni trhmbt hjn deras & mati lstrk,75% kota lumpuh. smg para krbn dbri kkuatn&ktabahn. amin.
Ny Filoha Lefitra, Jusuf Kalla, dia nanafohy ny lanonana natokana ho an'ireo solombavambahoaka vaovao ary nandefa minisitra enina hijery ny fahasimbana.
aulia: Nifidy anao izahay. Ny fitakiana ofisialy voalohany ataonay aminao dia ny hanomezanao ny tahirim-bolanao ho an'ireo niharan-doza tamin'ny horohorontany. Mbola mila izany lavitra noho ianao izy ireo.
Tokony amin'ny 11:45 hariva teo (ora teny an-toerana) dia niteny i darlingalih:
darlingalih: RT @isatbb: Jaringan data GPRS ISAT aman terkendali di Padang, anjuran komunikasi ke Padang via fitur BB: Email, BBM, YM, FB. Please RT
Ny minisitry ny fiahiana ara-tsosialy Abu Rizal Bakrie dia niteny fa mety ho goavana tahaka ny niseho tamin'ny horohorontanin'i Yogyakarta tamin'ny 2006 ny fahasimbana ara-foto-drafitr'asa nateraky ny horohorontany farany teo iny.