- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpamaham-bolongana malagasy nanatrika ny fihaonambe fiovan'ny toetr'andro sy ny vovonan'ny G20

Sokajy: Madagasikara, Fampandrosoana, Rising Voices

Ny 27 Sept no nanamarika ny fiafaran'ny dia lavitra sy lava notontosain'ny mpamaham-bolongana malagasy Stephane, a.k.a pakysse [1] izay mpandrindra ny Foko rahateo. Niala teto Antananarivo, Madagasikara i Stephane ny 21 septambra ary nitody teo amin'ny seranam-piaramanidin'i JFK, New York ny faha- 22 hanatrika ny Kaoferansy momba ny fiovaovan'ny toetr'andro ao New York [2] ao amin'ny foiben'ny Firenena Mikambana sy ny Vovonan'ny G20 (goavana 20) tao Pittsburgh [3]. Ny Oxfam [4] no nanasa an'i Stephane handray anjara tamin'ity vovonana ity noho ny tolo-kevitra avy The Youth Climate Movement (hetsiky ny tanora manoloana ny toetr'andro) [5](tamin'ny alalan'ny Rising Voices).

Nizara ny fizotry fivoriambe roa sosona [6] tamin'ny teny anglisy, frantsay, malagasy mivantana i Stephane tamin'ny famahanam-bolongana sy ny fisiahana an-tserasera.

Raha nanao tsoa-kevitra momba ity fivoriam-be mikasika ny toetr'andro ity i Stephane ary maniry mba hivaingana amin'izay ny fanapahan-kevitra [7] ary hisy ny fiaraha-miasa matotra eo amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana sy ny firenena mandroso : ( ato ny dikany amin'ny teny malagasy [8]):

Heveriko manokana fa resaka manidina no betsaka fa tsy misy loatra ny asa mivaingana hotanterahina nandritra ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana [..] Efa maro loatra ny fahapotehana ankolaka sy mivantana ateraky ny fiovaovan'ny toetr'andro eto Afrika : ady an-trano, tondra-drano, kere,…sy ny fahateren-tsaina ara-pivavahana miteraka fampihorohoroana. Ny lesona tsara azo raisina dia ny hitandroana ny tontolo iainana sy hanome anjara toerana lehibe ny natiora mba hahatrarana ny fampandrosoana. Fiaraha-miasa matotra eo amin'ny firenena mandroso sy andalam-pandrosoana no vahaolana tokana.

Ary dia nitsofoka tao amin'ny Ekipan'ny feo miresaka fiovaovan'ny toetr'andro [9] tao Pittsburgh i Stephane ny faha-24n'ny volana, vavolombelon nahita ny hamaroan'ny mpitandro ny filaminana sy ny fihetsiketseham-panoherana isan-karazany izy.

Protesting the lack of airtime for poverty issueFanoherana ny tsy fahampian'ny fotoana miresaka ny fahantrana
taking photos of police forceteo ampandraisana sary ny mpitandro ny filaminana

Nanadihady ny antony ilàna itony fivoriambe itony ho an'ny tontolo an-dalam-pandrosoana tamin'ny mpandray anjara vitsivitsy ihany koa i Stephane ka indreto (teny anglisy) ny roa tamin'ny resadresaka nataony:

Ary dia nanao tsoa-kevitra avy tamin'ny vovonan'ny G20 [10] i Stephane hoe :

“tsy manahy na inona na inona afa-tsy ny momba azy ireo ihany ny filohan'ny firenena mandroso nanatrika ny G20. Diso fanantenana tanteraka aho…”

Indro ny raki-tsary flickr [11] an'i Stephane nandritra ny fivoriambe.

Eto ihany koa ny raki-dahatsary nalainy nandritra ny fivoriana [12].

lova rakotomalala [13]