Septambra, 2009

Tantara tamin'ny Septambra, 2009

Myanmar: Pôlitika vaovao mitaky ny fisoratan'anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH

  16 Septambra 2009

Ny Ministeran'ny Fahasalamana any Myanmar dia mitaky ny fisoratan'anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH raha te-hiasa any an-toerana ireto farany. Matahotra ny sasany sao dia ampiasaina "hifehezana" na hanimbana ny fahaleovantenan'ireo vondrona mpilatsaka an-tsitrapo any Myanmar ity pôlitikan'ny governemanta vaovao ilàna ny fisoratana anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH ity.

Pakistana: Fahafatesana nandritra ny Seho mivantana

  13 Septambra 2009

Niteraka adihevitra mafana teo amin'ny tontolon'ny blaogy Pakistane ny fahafatesan'ilay Pakistane iray mpandray anjara tamina seho mivantana. Mpitoraka blaogy maro no manontany momba ny fisian'ireny karazana seho fialamboly ireny, izay tsy ampy fepetra fiarovana, ary ny andraikitr'ireo vondrona vaventy izay manohana azy ireny.

Maraoka: Fampianarana ny teny “Berbery” any an-tsekoly

  09 Septambra 2009

Niteraka resa-be tao amin'ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny lahatsoratry ny BBC News iray momba ny fampianarana ny “teny Berbery” any Maraoka. Ilay lahatsoratra, izay manasongadina ireo safidim-mpampianarana hianarana sy handalinana ilay fiteny, sy manome fanazavana momba ny fivoaran'ny alfabeta Tifinagh, dia niteraka karazan-dahatsoratra maro. Mitantara i Jillian C. York.

Sina sy Japana: Fanehoan-kevitry ny Sinoa mikasika ny fifidianana Japoney

  09 Septambra 2009

Nandresy tamin'ny vokatra ankapobeny tamin'ny fifidianan'ny 30 Aogositra ny Antoko Demokratikan'i Japan (DPJ), izay namarana ny 50 taona maherin'ny fitondrana tsy ankizaran'ny Antoko Liberaly Demokraty (LDP) nanomboka tamin'ny 1955. Ny fandresen'i Yukio Hatoyama- mpitarika ny DPJ dia noraisina ho toy ny fiandohana vanimpotoana vaovao amin'ny politika  Japoney. Lavitr'izay ho vokatr'izy...

Ejipta: Manana televiziona roa ny fiangonana kôpta

  09 Septambra 2009

Rehefa nandamoka hatrany nandritra ny 15 taona ny andrana hametraka televiziona iray ho an'ny finoana Kôpta (kristiana ôrtôdôksa) dia nody ventiny izany ankehitriny fa nisy televiziona roa nahazo alalana ary misy efatra ihany koa eo am-panandramana. Nanandratra ny Aghapy TV – avy amin'ny teny kôpta hoe “fitiavana” – ho fantson-tsary...

Taiwan: Tantaran'ireo sisa tsy maty tamin'ny rivo-doza Morakot

  09 Septambra 2009

有一個古老的傳說 人死後,變成了天上的星星,眷顧著留戀著他所深愛的人們 1999.9.21台灣中部大地震之後,夜空繁星閃爍 每顆星星的背後,都有一個令人心碎的故事 ──《921安魂曲地震紀念專輯》文宣 Milaza ny angano fa lasa kintana isika aorian'ny fahafatesana ka afaka miahy ireo olona tiantsika. Taorian'ny horohorontany tamin'ny 1999, raha mahita mitsilopy isika amin'ny alina dia fantantsika fa samy manana ny tantarany mahavaky fo avy ireny kintany tsirairay ireny. — Requiem for the 921 Earthquake...

Maraoka: niseho masoandro ny fampiasana zaza

  08 Septambra 2009

Misy zazavavy tsaboina noho ny ratra sy daroka nahazo azy ao amin'ny hopitaly. Tsy mahalala endri-piainana hafa ankoatra izay iainany ankehitriny i Zineb Chtit rehefa nalefa hiasa ho mpanampy an-trano tamin'ny faha-10 taonany, miasa amina mpanankarena sady midaroka no tsy manome hanina.