Ny buñuelo [1] dia sakafo tena Kolombiana izay mahanoana na maheno ny anarany fotsiny aza. Izay no nitranga tamina vondrona Kolombiana mpampiasa twitter, izay nisafidy ny hiresaka momba ny toerana tiany fividianan-dry zareo ny buñuelo, toy ireo sakafo mampiavaka an-dry zareo manokana.
Vita avy amin'ny lafarinina sy fromazy, avy eo natao boribory, ny buñuelo dia nendasina ary hita eny amin'ireny mpivarotra amoron-dàlana ireny na koa eny amin'ny toeram-pivarotana hafa ho an'ireo mpanjifa noana. Na dia miovaova araka ireo firenena any Amerika Latina aza ny buñuelo, ny buñuelo Kolombiana dia amin'ny fotoampialan-tsasatra no tena hanina, nefa misy mihinana azy ihany koa mandavan-taona.
Camilo García ao amin'ny blaogy Hyperconectado [es] nanangona ireo valinteny tamin'ny fanontaniana napetraka tamin'ireo mpampiasa twitter toa azy [3] tao amin'ny renivohitr'i Bogotá. Aiza no ahitana ny buñuelo tsara indrindra? Manoratra izy:
El buñuelo es rico. Punto. Tostadito y esponjadito, grande o chiquito, no importa… es simplemente rico. Por esta razón y gracias a la colaboración de Twitters colombianos se crea La Ruta del Buñuelo en Bogotá que busca ubicar y destacar los mejores buñuelos de la ciudad.
Mpampiasa twitter maro, ohatra ry Catalina Alba [4], Victor Solano [5] sy Hector Linares [6] no namaly ny antso. Nampahafantarin'izy ireo ny toerana matotra misy ireo buñuelos tsara indrindra ao an-tanàna.
Ny resaka anaty aterineto momba ny toerana ahitàna ny vaovao tsara farany dia nitarika ho an'ny fomba fihinanana buñuelo tsara indrindra sy ny fifampizaràna tantara mahaliana. Manoratra [7] i José Carlos García R [7]:
Como comer #buñuelo: Yo lo muerdo a la redonda, lo dejo como manzana mordida de caricatura y luego me como los polos.
Nahatsiaro tantara [9] iray hafahafa koa izy :
Recuerdo una noticia de una imagen de la virgen que apareció en un #buñuelo Orad antes de morder tu #buñuelo, hermanos. Josecarlos 2:12
Ny firesahana momba ny buñuelo dia nahatonga ny sasany hirohotra hividy sy hihinana iray, nefa nisy vokany somary ratsy izany. Any Bogotá, @korsario manoratra [10]:
hay boronas de #buñuelo en el teclado……. todo por culpa de twitter