- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Kisarisary ahetsika manohitra jadona

Sokajy: Iràna, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Politika, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

Maro ny haiendrika, afisy, hira sy lahatsarin-kira noforonin'ny [1] Iraniana sy tsy Iraniana manerantany ho entiny manohana ny hetsi-panoherana “maitso” manohitra ny valim-pifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 jona [2]. Nihantsy ady amin'ny fitondrana jadona any Iran koa ankehitriny ny mpahay kisarisary ahetsika.

Avy amin'ny aingam-panahin'i Gandhi [3] izany olona maitso izany

Mahmoud Ahmadinejad nandritra ny adihevitra fifidianana 2009

Ny Zon'ny Baha'i

Misy kisarisary athetsika mampahatsiahy antsika ihany koa fa efa an-taonany maro talohan'ny fifidianana izay ny Fitondrana Islamika no nangeja ny olona. MideastYouth.com [4] no mampiseho kisarisary ahetsika ny fangejana ny mpanaraka ny finoana Bahai [5] any Iran. Tantara naharitra 30 taona.

Hamid Tehrani [6]