- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Mpianatra ao Beijing manohitra ny hanao famerenana mitabe

Sokajy: Hong Kong (Shina), Shina, Fanoherana, Tanora

Satria moa efa mihamanakaiky ny 1 Oktobra hankalazana ny faha-60 taonan'ny Repoblika entim-bahoakan'i Shina, dia netsehina hanao mitabe ho amin'izany fotoan-dehibe izany ny mpianatra avy amin'ny lisea sy ny Anjerimanontolo mihoatra ny iray hetsy ao Beijing. Misy ny mpianatra tsy faly loatra satria tsy maintsy manao mitabe avokoa ny mpianatra rehetra.

Parade Rehearsals

Notaterin'ny gazety Apple Daily [1], avy ao Hong Kong, tamin'ny 18 Septambra 2009 fa misy ny mpianatra sasantsasany no leo noho ny tsy maintsy hanaovana famerenana hatrany ity mitabe ity efa hatramin'ny vakansin'ny fahavaratra [ilabolantany avaratra] teo. Satria moa manelingelina ny fotoam-pianaran'ny mpianatra taorian'ny fidiran'ny taom-pianarana vaovao dia nisy ireo nanao hetsika fanoherana ny fandaminana tsy mitombina loatra ity:

有北京大學生不滿當局的安排,在網上發起罷練行動的同時,公然焚燒訓練服抵制演練。事件引起當局極度緊張,除封鎖消息外,還派人嚴控大專院校及嚴懲涉事學生。

Misy ny mpianatra amin'ny anjerimanontolo ao Beijing no tsy faly amin'ny fitondrana. Natombony tamin'ny alalan'ny fanentanana hitokona tsy hanao famerenana an-tserasera izany aloha. Nisy aza moa ny nandoro ampahibemaso ny akanjony fanaovany mitabe. Tsy nataon'ny fitondrana ho kivazivazy mihitsy izany fihetsiky ny mpianatra izany. Ankoatra ny nanakanana ny fitateram-baovao tsy hivoaka dia nalefa ny solontena hanaramaso sy hanafay ny mpianatra nanao izany fihetsika izany.

Koa satria moa voarara ny miady hevitra sy ny mitatitra ireny hetsi-panoherana ireny any amin'ny Tanibe ao Shina, dia any ampitan-dranomasina sy any Hong Kong no mandeha ny resaka.

Toy izao no hita ao amin'ny dinika [2] ao amin'ny vavahadin-tserasera ho an'ny Shinoa Kanadiana:

waves 2009-09-18 12:30: 學生真可憐,思想被奴化,肉體也被奴役,怪不得那麼多人爭破頭也要出國留學。

Hoy i Waves : Mahantra loatra ny mpianatra. Tsy ara-tsaina intsony ny fanandevozana fa ara-batana ihany koa. Tsy isalasalana raha maro ny te-hianatra ampitandranomasina.

食量就是力量 2009-09-18 16:25: 就不明白, 為什麼不低調點, 悄悄過了就算了, 現在花了那麼多錢, 勞了那麼多民, 簡直就是壹場煙火, 看過了就算。

Hoy i 食量就是力量 : Tsy azoko hoe fa maninona raha somary kobokobonina kokoa ny fankalazana. Be loatra ny fandaniana sy ny fanelingelenana ny olo-tsotra. Nefa ho ana afomanga fotsiny izany rehetra izany, ho an'ny fahafinaretan'ny maso.

Ao amin'ny One-forum [3] any Hong Kong:

qingqing 2009-09-18 03:22: 讀大學了,還可以任由校外的“上級指示”的,到底是不是大學生呢?讀大學了,還要被迫去玩這樣的小兒科遊戲,不是侮辱了你作為大學生的尊嚴嗎?這樣也不敢 抗議,杯葛,到時不合作演出,故意破壞演出,故意出錯,你們還是大學生嗎?

Hoy i Qingqing: Raha mankatò tsy afa-mampiasa ny sainy ny baikon'ny mpitondra ny mpianatra, moa ve tena mpianatry ny Anjerimanontolo tokoa izany? Raha terena handray anjara amin'ity karazana kisangisangy ity ny mpianatra amin'ny Anjerimanontolo, moa tsy fanivaivana azy ireny ve izany ? Raha tsy manohitra, mitokona, na tsy mety miara-mientana na minia manao fahadisoana ry zareo dia tsy mendrika ny atao hoe mpianatry ny Anjerimanontolo.

Any amin'ny dinika hafa avy ao Hong Kong, Civilian Gunner [4]:

louisli 2009-09-18 10:57: 係唔係要練到同北韓睇齊?

Manontany i Louisli: Fa te-haka tahaka ny Koreana Tavaratra angaha isika?

seamoncheng 2009-09-18 19:33: 大陸到而家都重係死要面…成班官都係無腦架..係到勞民傷財

Miteny i Seamoncheng: Mbola manjaka any amin'ny tanibe ny [fisehosehoana ivelany] hita maso… Adala ny mpitondra… mampandany vola sy hery olo-tsotra

Andy 2009-09-18 19:38: 佢地先有腦, 搞埋呢D面子工程, 攞正牌搵銀

Manebaka i Andy: Tena mahay mihitsy ny mpitondra fanjakana ka… ny karazana hetsika tahaka itony ange no tena fanararaotra hampidiram-bola be e!

[Saripika notsongoina tao amin'ny Apple Daily]

Andy Yee [5]