- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Palestina: Ny fiatrehana ny Ramadany any Gaza

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Palestina, Ady & Fifandirana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Sakafo

Manoratra momba ny fiatrehan'ireo olona ity Ramadany ity ireo mpitoraka blaogy any Gaza, ary manazava ny antony mahatonga ireo fomban-drazana sasany mbola voakajy.

Manoratra [1] i Lina Al Sharif, mpitoraka blaogy ao amin'ny 360 km2 of Chaos :

Ny Ramadany aty Gaza dia tsy mitovy amin'ny any an-kafa. Ny fiaretan'ireo mponina dia tena henjana izay ny sasany amin'izy ireo dia ny rano fotsiny no sotroiny amin'ny Iftar [2] [amin'ny teny anglisy – sakafo hariva raisina ny hariva], satria mahantra loatra  ka tsy afaka mividy sakafo izy ireo. Ny hafa  indray dia  mandray io sakafo io any anatin'ny tranolay ao an-toby natao ho an'ireo mpitsoa-ponenana rava trano noho ny ady.

Afarana avy any Egypta ny sakafo; Ny olana anefa, dia lafo mihoatra an'izay azon'ny fianakaviana antonony eritreretina ho voavidy. Saika ny vidin'ireo rehetra ireo dia niakatra roa avo heny noho ny fahirano.

Misy ihany, na izany aza, ireo zavatra izay mahafaly. Lina sy ny namany Bodour Abu-Kuwaik [3] dia nanambatra miaraka ity seho momba ny Ramadany tany Gaza ity:

Ayman Quader mamangy ny namany noho ny iftar [4]:

Voaasa hiara-mandray ny sakafo marainan'ny Ramadany any an-tranon'ny namako Jumaa aho androany. Mipetraka any Al Maghazi [5]tobin'ireo mpitsoa-ponenana [5] izy, izay misy ireo olona nizaka mafy ny fiatraikan'ny ady tamin'ny tranony sy ny lalambe. Tsotra be, maro amin'ireo mponina ao Gaza no efa mpitsoa-ponenana ary nandritra iny ady iny dia voatery nandao indray ny tranony sy ny fonenany. Nangataka tamin'ilay namako aho mba ho entiny mitsidika ireo lalan-kely mankany amin'ny toby, noho ny faniriako ny hifandray akaiky amin'ireo olona izay monina ao ankehitriny. Araka izany, tsapako hoe hatraiza ny tena fangirifirian'ireo mponina ao amin'io tobin'ireo mpitsoa-ponenana io. Ao afovoan'ny tobin'i  Al Maghazi dia mbola misy trano lehibe iray rava – izay tsy afaka odian'ireo mponina ao amin'ny toby tsy ho hita. Nahita ankizy nilalao teo amin'ity trano rava ity aho ary dia nampalahelo ahy izany. Nefa IZY IREO toy ny tsy malahelo fa dia vao maika aza toa ravoravo.

Ny Paltoday News Network [6] [amin'ny teny anglisy] dia namoaka lahatsoratra vao haingana mikasika ireo lehilahy tsy an'asa any Gaza ka manao asa an-tselika ohatran'ny musaheratis, izay mamoha ny olona vao mangiran-dratsy ho amin'ny sakafo, suhoor [7]. Ao amin'ny blaoginy In Gaza, ny kanadianina Eva Bartlett manorata [8]:

Rehefa mandehandeha amin'ny 2 maraina izahay, dia mahita ireo Musaher-n'ny Ramadany: ireo lehilahy izay mamoha ireo Silamo amin'ny fisakafoanana vao mangiran-dratsy sy ny fivavahana  (Suhoor).

Fomban-drazana amin'ny Ramadany ho an'ireo Silamo manerana izao tontolo izao sy mbola miaina amin'izao fotoana izy ity.

Any amin'ireo làlana izay saika tsy misy mpandeha any Gaza, izay tsy dia nisy firavoravoana sy fankalazana ireo Ramadany tamin'ireny taona vitsy lasa ireny, dia toa akom-panantenana ity  feo ity…mba haharitra ny kolontsaina sy ny fomban-drazana, na dia ao anatin'ny vanim-potoana sy toe-javatra faran'izay ratsy aza.

Ho an'ny sasany,  ity volana ity sy  ny asa fivelesana amponga dia loharanom-bola izay tsy dia fahita firy any Gaza izay miaina anaty fahirano tanteraka.

Ity misy ampahantsary video kely nalain'i Eva: