Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Sina sy Japana: Fanehoan-kevitry ny Sinoa mikasika ny fifidianana Japoney

Nandresy tamin'ny vokatra ankapobeny tamin'ny fifidianan'ny 30 Aogositra ny Antoko Demokratikan'i Japan (DPJ), izay namarana ny 50 taona maherin'ny fitondrana tsy ankizaran'ny Antoko Liberaly Demokraty (LDP) nanomboka tamin'ny 1955. Ny fandresen'i Yukio Hatoyama- mpitarika ny DPJ dia noraisina ho toy ny fiandohana vanimpotoana vaovao amin'ny politika  Japoney. Lavitr'izay ho vokatr'izy ity eo amin'ny fifaneraserana   Sino-Japoney, mety hahaliana ihany ny  mahita ny fanehoan-kevitry ny vahoaka Sinoa manoloana ny fiovana ara-politikan'ny firenena mifanila aminy.

NeiC ao amin’ny forum Tianya dia nampitaha ny mahazo ny LDP amin’ny an'ny Antoko Kaominista Sinoa (CCP):

自民党被赶下台单独成栏的有三
1.“铁饭碗”不复存在
2.老龄化严重
3.住房问题尖锐
50年,不长不短的时间,我党也正好成立60周年。不得不让人不做比较~

(Raha ny voalazan’ireo tsikeram-baovao  avy any UK – [ry zareo Anglisy]) Antony telo lehibe no nandakàn'ireo mpifidy  ny LDP:
1. Ny “Iron bowl” dia tsy misy intsony
2. Ny olan’ny fahanterana dia miharatsy
3. Ny olan'ny toeram-ponenana manaikitra
50 toana nitondràna tsy tapaka, fotoana izao hanovàna  amin’izay, eo amin'ny faha-60 taonany ny antokonay izao. Voasarika hanao fampitahana amin'ireo roa ireo ny vahoaka.

Vitamin214 dia namerina namoaka tsikera iray avy amin'ny ifeng.com momba ny valin’ny fifidianana tany Japana ao amin’ny forum Tianya. Ny lahatsoratra miteny fa ny fifidianana tany Japana dia  itaràfana ny fivoaran’ny politika demokratika liberaly izay  mivoatra avy ao anivony ihany. Na dia eo aza izany, ao amin’ny fitsikerana, maro ny tsy nanaiky. Ohatra, guolurens niteny

自我纠正能力 ???

日本经济已经低迷了快20年了,日本也不是觉得民主党怎么样,只是觉得自民党实在没有办法忍受了,就算是民主党上台,日本的问题还是没有办法解决

Afaka ny hiova???
Efa nitambotsotra ny toekarena  Japoney tato anatin'ny ny 20 taona teo ho eo. Tsy dia manam-pahatokisana loatra  ny ao amin’ny DJP ny Japoney, nasehon'izy ireo fotsiny hoe tsy zakany ny tsy fahombiazam-pitantanan'ny JDP . Nefa kosa, na dia ny Antoko Demokratika aza no eo amin'ny fitantànana,  tsy mbola misy vahaolana ny olana any Japana.

Kabaico koa dia niteny,

有区别吗,不过是美国肯尼迪家族和布什家族的翻版而已,这个家族不行就换那个家族,弄来弄去都是那帮大名家族在把持政权,所谓的更换政党也只是两个政党之间重新分配权力吧。

Inona ny fahasamihafany? Mitovy amin’ny fisafidianana iray amin'ny  fianakavian’i Kennedy sy Bush izy ity. Raha mikatso ny iray amin’ireo fianakaviana, dia lasan’ny anankiray indray ny fahefana. Ny fahefana dia eo ambany fifehezan'ny iray amin’ireo fianakaviana matanjaka. Ilay ambara ho  fiovan’ny Antoko  dia tsy inona fa ny fitsinjarana ny fahefana amin’ireo antoko roa lehibe misongadina fotsiny.

Guolurens nanampy,

就好比是在中国电信,中国联通之间选,没有本质的差别

Mitovy amin’ny fisafidianana na ho i  China Telecom na China Unicom ity izy, tsy dia misy fahasamihafany be manakory.

Ao amin’ny Qiangguo Luntan, Sinoa mpampiasa aterineto iray mieritreritra fa,,

日本的总统一年一换, 再好的民主制度都是不正常的,也是注定要爆发内乱的.哈哈

Saiky isan-taona no miova ny  Praiminisitr’i Japana.  Tsy dia manara-penitra loatra ity zavatra ity na dia ao anaty rafitra demokratika lafatra indrindra aza ary amin’ny farany mety hitondra amin’ny fihetsiketsehan'ny olon-tsotra. Haha

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.