- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Repoblika Dominikana : Halatra tariby sy vy

Sokajy: Amerika Latina, Repoblika Dominikana, Lalàna, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna

Maro tamin'ireo lohateny vaventy an-gazetin'ny Repoblika Dominikana tato ho ato no nivaky toy izao, “Halatra tariby tamin'ny tetezan'i Duarte ,” “Voasamantsamaka ny tahirim-bakok'i Peña Gómez,” ary “ Tsy misy herinaratra ny Sekoly La Salle.”  Ireny lohateny vaventy ireny dia samy milaza zavatra mitovy maha-sanganehana ny olon-drehetra avokoa: ny halatra tariby sy vy manerana ny tanàna renivohitr'i  Santo Domingo [1] sy ireo tanàn-dehibe hafa manerana ny firenena. Raha zohiana, izy ireny dia amidy amin'ny vidiny lafo tokoa avy eo.

Car: "I Swear There was a Bridge Here This Morning" - Truck is taking bridge to The Purchaser of Metals. Drawing by Cristian Hernández of El Nacional and used with permission from artist. [2]Car: izingiziniko fa nisy tetezana teto aninkeheo maraina. Entin'ilay fiara vaventy ho any amin'ny Mpividy Vy ny tetezana. Sarisary nataon'i  Cristian Hernández avy ao amin'ny El Nacional ary nampiasaina miaraka amin'ny fanomezan-dàlan'ny mpanakanto.

Nanomboka tsimoramora teny ireny halatra ireny tany amboalohany, miaraka amin'ny fanjavonan'irony saron-tatatra sy takelaka manaingo sarivarahina tamin'ny faritra maro nanerana ny tanàna irony. Tany am-piandohana, tsy dia nisy niraharaha loatra ny momba azy io satria toa zavatra tsy dia manaitra. Saingy, araka ny fandrosoan'ny fotoana no nitomboan'ny saron-tatatra mihanjahanja, sy nitomboan'ny isan'ireo sarivongana voatsiratsira manerana ny tanàna, teo vao nanomboka nibaribary koa fa misy zavatra mitranga any.  Megamonchy avy amin'ny  El Rincón del Mega [es] dia manoratra mikasika toerana vitsivitsy nitrangan'ny halatra [3], toy ny jiro 50 nanazava ny manodidina ny  Jacobo Majluta Avenue, izay ilàna grues sy fitaovana goavana mihitsy vao mahetsika azy ireo:

Ahora se estan robando los rieles de los trenes que funcionaron una vez en el país y en los ingenios. Ahora yo me pregunto ¿Es tan difícil dar con estos ladrones de metales, que lo usan para fundirlos? NO Simplemente no hay voluntad para acabarlos. Pues cuantas compañías en el país tienen la capacidad para fundir estos metales. Lo que hay es vigilarlas.

Si los representantes de guinness world records visitaran el país de seguro que le adicionarían varias páginas a la próxima impresión del libro donde los dominicanos estaríamos bailando.

Amin'izao fotoana ry zareo  dia mangalatra indray ny lalamby fandehanan'ny fiarandalamby namakivaky ny firenena sy ny tany fambolena fary fahiny. Manontany tena aho ankehitriny, tena zavatra sarotra be mihitsy ve ny manàkana ireny mpangalatra vy ireny e, iza no mandrendrika ny vy? TSIA. Ny marina dia ny finiavana hanàkana azy ireny no tsy misy. Orinasa firy manerana ny firenena no mànana fahafahana handredrika an'ireny vy ireny? Tokony haraha-maso izy ireny.

Raha misy solontenan'ny  Guinness World Records tonga mitsidika aty amin'ny tanàna, azo antoka ny hanampian-dry zareo  pejy vitsivitsy ao amin'ny boky havoakany, ahitàna ireo Dominikana mandihy (fa nahazo ny  record amin'ny habetsahan'ny vy nisy nangalatra).

Taoriana kely, nivoaka ny tatitra mahakasika ireo halatra tariby, ahitàna ny tariby mpitondra herinaratra, hatramin'ny fibre optique mahatonga ny tena hisaina fa mahasarika kokoa ny varahina, izay aondrana mankany Sina avy eo fa any no be ny tinady [4].  Héctor Minaya ao amin'ny  Diario Digital RD [es], manao famintinana ny fanondrànana entana toy izao manaraka izao  sy ny fanaovan'ny governemanta masobe tsy mahita [5]:

Para detener el saqueo de cables, tapas, placas y monumentos de cobre que comenzó el año último alentado por el alto precio del metal, es necesario que se prohiba la exportación de cobre y otros metales, los cuales no son de producción nacional. De aquellos metales que se extraen en el país, se presume que el Gobierno, a través de la Dirección General de Aduanas y otras instituciones, tiene algún control y hay un registro para los exportadores. Se ha publicado que semanalmente viene un barco, al parecer ante la indiferencia de las autoridades, para llevarse material producto del saqueo de estos metales.

Mba ho fisorohana ny halatra tariby, saron-tàtatra, takelaby sy sarivarahina izay nanomboka tamin'ny taon-dasa noho ny fisondrotry ny vidin'ny vy, ilaina ny handraràna ny fanondrànana varahina sy ireo karazam-by hafa, izay tsy vokarina eto an-toerana. Ho an'ireo vy trandràhana eto an-toerana kosa, ilaina ny hanànan'ny Governemanta, amin'ny alàlan'ny ladoany sy ny sampan-draharaha hafa, fomba azo anaraha-maso sy rejistra momba ireo mpanondrana entana. Isan-kerinandro,  mampahafantatra ry zareo fa hoe misy sambo tonga, mandalo eo ambany vavoron'ny manampahefana [tsy raharahainy], mba haka ireo entana avy amin'ny halatra vy ireo.

Noho ireny halatra ireny, làlankely maro, avenues, tetezana ary  làlambe maro ao  Santo Domingo sy manerana ny tanàna no miaina anaty haizina, mahatonga fifaninanana amin'ny fahatapahan'ny herinaratra izay efa niainana ampolon-taona maro tsy nisy vahaolana [6]. Rehefa latsaka anaty haizina ny arabe sy ny avenues,  tsy misy asany  koa ny jiro fandrindràana fifamoivoizna, ka miteraka fikorontanan'ny fivezivezena.

Ary mba ahoana ny amin'ny orinasan-telefaona? Joan Guerrero avy amin'ny Duarte 101 [es] dia manoratra fa ny sehatry ny fifandraisan-davitra ao amin'ny Repoblika Dominikana dia isan'ny iharam-pahavoazana [7] amin'ny firongatry ny “orinasan”-ny halatra tariby sy kojakoja, izay miantraika mivantana any amin'ny mpanjifa. Ireny orinasa ireny dia nikajy fa ny fitambaran'ny  fatiantok'izy ireo dia 53 tapitrisa pesos [es] [8] (eo ho eo amin'ny  1.5 tapitrisa dollars eo) tamin'ity taona ity fotsiny. Rehefa raisina miaraka amin'io ireo fitarainan'ny mpanjifa, dia lasa olana goavam-be ilam-bahaolana izy ity. Guerrero koa dia nanamarika fa ny orinasam-pifandraisan-davitra Tricom dia nikitika ny  YouTube mba hamoaka video mikasika ireo halatra ka hanome valisoa ho an'izay vaovao mitarika ho amin'ny fisamborana ireo mpangalatra tariby:

Na teo aza ny fepetra napetraky ny governemanta hanavahana ny vy notsimponina amin'ny vd halatra, i Diario 27-F dia nanindry fa sarotra be ny hanasaraka ireo vy ireo [9]. Nisy ihany fisamborana vitsivitsy ary olona roa no nentina teny amin'ny fitsarana. Kanefa, mitohy ihany ny fandrobàna, toy izay nitranga tao amin'ny  Sekoly  La Salle ao Santiago tamin'ny fiandohan'ny herinandro [10],  izay voatery nampiatoana ny fampianarana mandritry ny fotoana tsy voafetra.