- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Global Voices + Resadresaka hanatsaràna ny tany

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Azia Atsimo, Fahasalamàna, Fampandrosoana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Resadresaka Hanatsarana ny Tany

Conversations for a Better World [1] Ity dia iray amin'ireo andiany vokarin'ny  Global Voices ho an'ny blaogin'ny UNFPA [Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana mikarakara ny Mponina] mitondra ny lohateny hoe  Resadresaka ho fanatsarana ny tany [2] · Ny lahatsoratra rehetra [1]
[2]

Blaogy iray vaovao tohanan'ny  United Nations Population Fund (UNFPA) antsoina hoe resadresaka ho fanatsarana ny tany [3] no nanome làlana ny mpitoraka blaogy avy amin'ny Global Voices mba hanampy azy ireo hampivoitra ny resaka an-tserasera momba ny mponina sy ny fandrosoana manerana izao tontolo izao.

Raha kely indrindra dia mpitoraka blaogy ampolony mahery avy amin'ny Global Voices no hizara ny tantaran'izy ireo [4] miainga avy amin'ny tontolon'ny fitoraham-bolongany tsirairay avy momba ny tontolo iainana sy ny fiovaovan'ny toetrandro, ny tanora sy ny fananahana, ny fiterahana, ny zo momba ny fanjanahana, sy ny maro hafa, mandritry ny enim-bolana ho avy ao amin'ny  Conversations for a Better World.

Hisy lohahevitra iray vaovao isam-bolana [5] ary mpitoraka blaogy roa vaovao no handray an-tanana ny raharaha. Ayesha Saldanha [6] (Bahrain) sy  Rezwan [7] (Bangladesh) no niara-namoaka ireo tantara tamin'ny Aoguositra, ary hanara-dia azy ireo i  Ndesanjo Macha [8] (Tanzania) sy Njeri Wangari [9] (Kenya) amin'ny  Septambra.

Hatreto aloha, ny rentsika dia ny  avy amin'ireo mpitoraka blaogy mitondra ny otrikaretina VIHavy any  Afrika sy Azia [10], ny teo-tsaina manoloana ny SIDA any Afovoany Atsinanana [11], ary ireo mpitoraka blaogy Indiana ny amin’  ireo tantsaha mamono tena manoloana  ny fahantrana lalim-paka atrehany. [12]

Misy vintana lehibe ho antsika izany mba ho henoin'ireo fikambanana tsy miankina maro sy ny Firenena mikambana, ary ho an'ny  Global Voices amin'ny ankapobeny dia  loharanom-bola iray izany [13]. Apetratsika ao amin'ny  Resadresaka ho fanatsarana ny tany anaty pejy voatokana [4] ao amin'ity vohikala ity ireo lahatsoratra nalaina tao amin'ny  Global Voices, ampiarahana amin'ny rohy rehetra mankany amin'ireo dikanteny rehetra ao amin'ny  Vohikalan'ny Lingua [14].

Resadresaka ho fanatsarana ny tany dia mivoatra miandalana ary mbola miandrandra mpirotsaka an-tsitrapo maro. Mamporisika manokana ireo ato anatin'ny fianakaviambentsika izahay mba handray anjara amin'ny fametrahana ny tantaran'izy ireny, ary mora ho an'ny olon-drehetra ny  misoratra anarana [15] sy mizara lahatsoratra na mametraka fanamarihana ihany koa.

Mbola lavitra ny ezaka tsy maintsy hataontsika hanosehana lavitra ny sakana tsy ho fampandrosoana ateraky ny tsy fahalalàna na ny tsy fahampian'ny fandraisana andraikitra. Amin'ny alalan'ny famakiana na firesahana ankarihary ireo zavatra maro hitan'ny mpitoraka blaogy maro maneran-tany eo amin'ny andavanandrom-piainany,  azontsika rehetra atao ny mitondra fanampiana mba hisian'ny fiovana na dia ho bitika aza.