Maoritania sy ny fanapoahana baomba nanaovana vy very aina voalohany indrindra

Niharan'ny fanafihan'ireo mpanao vy very ny ainy voalohany i Maoritania tamin'ny Sabotsy, naharatrana teratany Maoritaniana iray sy Frantsay roa. Na dia zara raha nisy aza anefa ny fandrakofam-baovao tandrefana , ny chaîne  Al Arabiya any Dubai dia namoaka ny vaovao avy any Nouakchott taorina kelin'ny fanafihana, manamarika ny timing ato amin'ity  lahatsoratra ity:

Ity fanafihana ity dia nitranga  telo andro taorian'ny nanandràtana an'i Mohamed Ould Abdel Aziz ho filoham-pirenen'ny fanjakana Saharan rehefa nandresy tamin'ny fifidianana natao tamin'ny volana lasa iny, izy izay nanongana ny mpitondra voafidim-bahoaka tamin'ny fomba demokratika tamin'ny taon-dasa tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana nataoan'ny tafika.

The Moor Next Door dia nanoratra lahatsoratra feno momba iny tranga iny, mampiseho sarin'ireo olona tezitra tamin'ny fanafihana sy mbola tena sorena  amin'ny fitondràna :

Milaza zavatra maro ireo valin-teny mikasika iny fanafihana iny ao amin’ireo media anaty aterineto Arabo. Misy valin-teny amin’ny lahatsoratra voalohany momba iny fanafihana iny izay miteny mafy hoe “Afaho amin'i Jeneraly izahay dia ho antsoinay hoe shahid (martiora) ianao!” Ireo hafa indray mitantara ny adalan’ilay mpanafika, maneso azy amin’ny maha-Haratianina azy. Tezitra mafy ireo Maoritaniana, toy ny nahatezitra azy ireo nandritra ireo fanafihana tamin’ireo taona lasa tany aloha. Fa raha ny fipoahana no nahatonga tsy filaminan-tsaina sy faharikorikoana, ny ankamaroan'ireo fientanam-po ireny dia mitodika manokana any amin'ny fitondrana daholo. Raha ny fanapoahana  baomba no “tantara”  lehibe indrindra nanintona ireo media tandrefana hatramin'ny fifidianana, ireo Moritianina kosa dia mahatsapa fa mbola misy olana hafa manahirana azy ireo izay mifandray amin’ny maha-ara-drariny ny firondrana sy  ny raho-mitataon'ny kiantranoantrano.

Ny mpitoraka blaogy [peace corps] Becky, izay miasa  any Maoritania, dia manambara fa mety hody any an-tanindrazany ireo mpirotsaka an-tsitrapo ao amin’ity fikambanana ity ka nitarainany:

Andro manjombona iray ho an'ireo mpirotsaka an-tsitrapo Peace Corp aty Mauritania izao. Tsy hoe  satria mampidi-doza fotsiny ny hoan'ny hoavinay, fa satria koa ity firenena iray noraisinay ho toy ny firenenay ity dia lasa toerana iray raisin'ny rehetra ho faritra mampatahotra sy tsy milamina. Ampahatsiahivina anay foana fa ireo mpampihorohoro dia mahery fihetsika ary tsy mahasolo tena ny firehana rehetra. Noho izany dia sarotra ho ahy ny handao ireto olona tsy manan-tsiny maro ireto, na dia takatr’ireo rehetra tafaresaka tamiko aza izany.

weddady, Maoritaniana mpampiasa Twitter , mampiseho ny tsy filaminan-tsainy ao amin’ny pejin’ny Twitter-ny, manoratra:

weddady1

Na dia vitsy aza ireo mpitoraka blaogy no miresaka momba ity tranga izay niseho ity, i Frantsa dia nanameloka ity fanafihana ity, ary ny Filoham-pirenena vaovao Mohammed Ould Abdel Aziz dia mampitandrina ny amin'ny mety hisian'ny fanafihan'ireo mpampihorohoro amin'ny hoavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.