Tantara tamin'ny Aogositra, 2009
Mpitoraka bilaogin'ny herinandro: Haute Haiku avy any Kenya
Anankiray amin'ireo mpitoraka bilaogy vao vaovaon'ny Global Voices aty amin'ny faritra atsimon'i Sahara i Haute Haiku. Miresaka momba ny vavy tia vavy na lahy tia lahy, ny samy tiana na...
USA: “Ho roahina hody aho amin'ny Alarobia”
Herta Llusho dia mpianatra vao 19 taona mety ho voaroaka hiala an'i Etazonia hody any Albania amin'ny Alarobia 19 Aogositra. Mpitoraka blaogy maro ao amin'ny DreamActivist.org sy blaogy maro hafa ho an'ny zon'ny mpifindra monina no miantso ny Amerikana mba hanampy azy.
Kioba: Ny Maleconazo
Ny 5 Aogositra dia manamarika ny tsingerintaona faha-15n-n'ny fitraorana lehibe indrindra natrehin'ny governemanta revolisioneran'i Castro hatramin'ny taona voalohany nandresen'ny revolisiona: Ny Maleconazo
Indonezia: Mipatitaka ny fampihorohoroana
Nibahan-toerana tamin'ny televiziona Indoneziana ny fifampitifirana teo amin'ny vondrona Densus 88 miady amin'ny mpampihorohoro, ny polisy andaniny ary ny ankilany kosa dia ny vondron'olona heverina fa tarik'i Noordin Mohammed Top...
Ejipta: Fihemorana tsy misy fetra ny aterineto asiana fetra
Nifampitantana ny mpampiasa aterineto tany Ezypta naneho ny fahatezerany tamin'ny lalàna vaovao nametra ny fampiasany aterineto. Nadaboka ankehitriny ilay lalàna ka izay vao misoratra anarana ihany sisa iharany, ao anatin'ny roa volana, rehefa hita ny herin'ny hetsika.
Maraoka: “9 Isan-Jato aho!”
Toa naharomotra ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny fanapahan-kevitry ny governemanta Maraokana hanàkana ny fipariahan'ny gazetiboky roa lehibe,Telquel sy Nichane, tokony hivoaka ny volana Aogositra. Teo am-panapariahana ny voka-pifidianana natao niaraka...
Japana: Lany tany Ishikawa ny fandrarana ny kilonga tsy hitondra finday
Sambany, lany tamin'ny 29 jona tao amin'ny prefekitioran'i Ishikawa (500 km/315 maily avaratr'i Tokyo) ny lalàna mametra ny fampiasana finday ho an'ny zaza sy ny kilonga hiditra amin'ny fahatanorana ,...
Very ny maso havian'ny biby famantarana tsy ofisialin'ny Global Voices
Very nandritra ny ady nifanaovany tamina saka iray tamin'ny alin'ny alarobia teo tany Boston ny maso havian'ny biby famantarana tsy ofisialin'ny mpamaham-bolongan'ny Global Voices fantatra amin'ny anarana hoe “GV Ferret”....
Porto Rico: miady tanim-panjakana
Mponin'i Villas del Sol – saripikan'i José Antonio Rosario nahazoana alalana tamin'ny Prensa Comunitaria. Vao namoaka didy ny fitondrana Porto Rikana hanaisotra any Villas del Sol fokontany any Toa Baja,...
Caucasus: Resadresaka niaraka tamin'i Micael Bogar
Taorian’ireo disadisa telo tsy nahitam-bahaolana sy olana ara-poko maro dia toa tsy dia hita taratra loatra ny fandriampahalemana sy fitoniana any atsimon’I Caucasus Taorian’ny nipetrahany sy niasany tany an-toerana nandritra ny taona maro, talen'ny Tetikasa Center for Social Media ao amin’ny anjerimanontolon’I Amerika izao i Micael Bogar ary miresaka amin’i Global Voices Online momba ny tanjaky ny fitaovana haino aman-jery vaovao hisorohana disadisa sy hamerenana ny fifandraisana eo amin’ireo firenena mifanditra.