- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afganistana: Androm-pifidianana an-tsary

Sokajy: Afganistana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Saripika, Zon'olombelona

Afgana an-tapitrisany no nifidy tamin'ny Alakamisy 20 Aogositra, tamin'ny fihodinana faharoa fifidianana izay ho filoham-pirenena amin'ny tantaran'ny firenena. Araka ny [1]The Associated Press [1], tsy havoaka ny valiny raha tsy any amin'ny volana Septambra any rehefa vita ny fanadihadiana momba ny hosoka.

Mpitoraka blaogy maro no efa nizara [2] ireo fihetseham-po, zava-niainana, olana sy fanantenan'izy ireo tamin'iny androm-pifidianana iny. Ireo mpitoraka blaogy an-tsary koa dia nanamarika ity andro ity tamin'ny famoahana sary mampiseho ny fisian'ny fitandroana fandriampahalemana entitra, fahavitrihan'ny mpifidy ary ny olana (nahazoana alàlana daholo ny famoahana ireto sary ireto).

Fardin Waezi ao amin'ny Thruafghaneyes dia namoaka [3] sary maromaro mampiseho mpifidy miandahy miambavy  tany Kabul:

afghan0

… sy miaramila iray mifidy:

afghan01

Ny sarin'i HeratZemin dia mampiseho [4] ny fisian'ireo miaramila maro be:

afghan02

Sy ny fahavitrihan'ny mpifidy:

afghan03

Mostafa Kia dia maneho [5] ao amin'ny Motvaled Mizan fa azo diovina tsara ny rantsan-tànana misy ranomainty fara-faharatsiny any amina biraom-pifidianana iray .

Picture_121