- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iraka: Fahafatesan'i Abdul Aziz Al Hakim lehiben'ireo Shi'ite

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràka, Politika

Sayyed Abdul Aziz Al Hakim, lehiben'ny [1] filankevitra ambony Islamika any Iran (ny antoko politika lehibe  indrindra amin’ny antenimieram-pirenena  Irakiana), dia matin’ny homamiadan’ny havokavoka tamin’ny 26 Aogositra tany Tehran, any Irana. Mety hisy [2] fiantraikany amin’ny lafiny politika any Irana ny fahafatesany. Nihetsika tamin’ity vaovao ity ireo mpitoraka blaogy.

Any Bahrain, Batool Ebrahim Ahmad dia malahelo [3]:

صدمة اليوم ..
وفـاتـه ..

يا رب ..

خفف ألمَ هذا المصاب ..

Fahatairana iray  androany…
Ny fahafatesany…
Andriamanitro O…
Amaivano ny alahelo amin'ity loza ity…

Any Baghdad,  manoratra [4] i Faris Al Ajrish:

بمزيد من الأسى والحزن تلقينا نبأ رحيل بطل من أبطال العراق والأمة الإسلامية، حجة الإسلام والمسلمين سماحة السيد عبد العزيز الحكيم طيب الله ثراه، رجل كرس حياته للعلم والجهاد فأصابهما معاً
Amin’ alahelo sy fangirifiriana no nandrenesanay ny nahalasanan'ny iray amin'ireo maherifon'i Iraka sy ny firenenena Islamika, ny Proof of Islam and of Muslims [anaram-boninahitra], ny manamboninahitra Sayyed Abdul Aziz Al Hakim, Andriamanitra anie hamela azy handry ampiadanana, ilay lehilahy izay nanokana ny fiainany tamin'ny fandrantoana fahalalàna sy ny jihad [5] ary nahatratra azy roa ireo.

Ao amin'ny blaogy  Iraq and Gulf Analysis, manoratra [6] i Reidar Visser:

Ambonin’ny zava-drehetra, nandritra ny carriere politikany, lasa marikin’ny faharavana i Hakim, ny fanoherana sy ny fanararaotana izay nanamarika an’Iraka taorian’ny 2003. Taorian’ny nanajanonany ireo fianarana ara-pinona fony mbola tany ampiandohana, nirotsaka ho miaramila  miaramila-pilitisiana  i Hakim tamin’ny taona 1980 izay nantsoina hoe Filankevitra ambony amin'ny fanovana Islamika any Iraka na [7](SCIRI), sampana Khomeinista noforina tany Iran  tamin’ny 1982 mba hanaraha-maso bebe kokoa  ny fanoherana Irakianina nandritra ny adin’ Irana–Iraka. Niverina tany Iraka avy any Iran izy taorian’ny nanombohan'ny  adin’i Iraka tamin’ny 2003, ary tamin’ny volana Aogositra tamin’iny taona iny, taorian’ny nahafatesan’ny rahalahiny Muhammad Baqir al-Hakim [8] tamin'ny fanafihan'ireo mpampihorohoro [9] tany Najaf [10], dia napetraka tamin’ny toerana avo indrindra hitarika ny SCIRI izy. […] Nisafidy ny hitsaboana ny homamiadany tany Irana I Hakim ary nivandravandra be ny fahitàna an'i Etazonia tsy afaka nandika ireo fivezivezeny ho famantarana ny tena fijoroana ara-politika marina nananany.  Nanomboka tamin’ny  2003 ary hatramin’izao, Hakim, SCIRI/ISCI ary ireo mpikambana ao amin'ny Borigadin'ny Badr [11] dia nivoaka sy niditra  tany Iran  tsy nisy teritery. Ny  firenena Iranianina no nampiasaina mba handrafetana ny INA [Iraqi National Alliance] [12] vaovao. Tsy mampino hoe ny Governemanta any Tehran ve dia hamela ny fizotran'ireo dingana rehetra ireo tao anatin'ny faritry ny taniny raha tsy nino izy fa hoe hatramin'ny fahafatesany i Hakim dia nanaraka politika izay ahazoan'i Irana tombony. Ankilan'izany, na eo aza izany, efa ela i Washington no nifikitra tamina sarisary izay jerena ho toy ny fironan'ny  ISCI  amin'ny sori-dàlana Amerikanina; Farany, ireo fanoheran-kevitra tamin’ity politika ity no  fototra nipoiran'ireo fepetra ilaina tamin’ny fahaterahan’ny carriere politika hafahafan’i Abd al-Aziz al-Hakim.

U.S. President George W. Bush welcomes Sayyed Abdul Aziz Al Hakim to the White House Monday, Dec. 4, 2006. (Photo by White House, taken from Wikimedia Commons) [13]

Ny filoham-pirenen'i Etazonia,George W. Bush nandray an'i Sayyed Abdul Aziz Al Hakim tao amin'ny Trano Fotsy ny Alatsinainy, 4 Desambra 2006. (Sarin'ny Trano Fotsy, ao amin'ny Wikimedia Commons)

Tony Sayegh ao amin'ny blaogy Palestinian Pundit dia manohitra ilay fandokafan'i Sayyed Hassan Nasrallah [14] an'i Al Hakim [15]:

Fahadisom-panantenana be! Ity no fotoana voalohany nahadiso fanantenana ahy tamin'i Nasrallah. Tokony nakombony ny vavany na notazominy ho azy irery iny hafatra iny. Nefa, ny fanaovana fanambarana amin’ny fandevenana an'ity marionetin’ny Amerikanina/Iranianina ity (ohatran'ny ny rahalahiny teo alohany) amin’ny fiantsona azy ireo ho “maherifo” irakianina dia tafahoatra loatra.

Amin'izay, miresaka ady ho amina Iraka tokana sy manana ny fiandrianany! Ao ambanin’ny fanjanahana Amerikanina, Sayyed Nasrallah? Olona tsy dia misy antony izay niditra tao Baghdad tanatina tanky Amerikanina, ara-bakiteny !

Fahafaham-baraka ho anao, Sayyed Nasrallah. Mbola baiko avy any Tehran ihany ireny; ezahako hazava ny resako.

Tsy mampino hoe namela ny fizotran’ireo