- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Japana: Ny atao amin'ireo “Zavakanton'ny Media”

Sokajy: Mediam-bahoaka

Ho an’ny firenena mikaroka ny hamadihana ny ‘soft power’ ananany ho toy ny masonkarena [herin'ny rindrankajy ve ity ‘soft power’ ity?], inona no anjara toeran’ny kolontsainan’ny sarimiaina japone sy ny manga ao anatin’ny pôlitikan’ny governemanta? Ny valinteny ofisialy dia hoe ny sarimiaina japone, manga ary zavakanto numérique dia lova sarobidy sy orinasa haingam-pivoatra, mitaky sehatra ofisialy ho an’ny fikajiana sy fanehoana. Raiso ny tetiky ny praiminisitra iray hanova ny sariny amin’ny maha-mpankafy manga [1] azy ho n'inon'inona, dia hahazo iray isika izay azo antsoina vonjimaika ho  “Foibem-pirenena ho an’ny zavakanton'ny Media” .

Tsy hevi-baovao akory ny fananganana ivon-toerana iray  hiarovana sy hanehoana ny “zavakanton'ny  media” izany, araka ny tenin’ [2]ny Japan Times amintsika. Na izany aza, ity iray ity dia mitondra 11.7 billion JPY nekena tamin’ny tetibola  fanampiny FY2009 nolanian'ny governemanta. Taorian'ny niantsoan’ny Antoko Demokratikan’ny Filoha Japone Yukio Hatoyama ny ‘Foibe ho “ café-mpirenena'ny manga” ihany no nanomboka nahasarika ny saina ilay tetikasa. Anime Dream dia manome ny tsipika arahana ara-potoana tanatina fantina avy amin'ireo orinasa mpamokatra sarimiaina japone [3].

'Gundam Takes Tokyo' by flickr user Ame Otoko [4]

‘Azon’i Gundam i Tokyo’ avy amin’ilay mpampiasa flickr Ame Otoko

Ao amina lahatsoratra mitondra ny lohateny “Tsisy dikany, mampihomehy [5]“, toy izao no navalin’ny Ampotan :

Aleo hazava ny resaka momba azy ity: Ity tetikasa ity dia fanehoana mibaribary tsara ny tian’ny vahoaka lazaina rehefa miteny izy ireo fa te-hamely tehamaina  [te-hanorotoro] ny fitantanan-draharahan'i Kasumigaseki [6]. Mbola ao foana ilay Telozoro vy fanta-daza any Japana. Ny fitantanan-draharaha, ny fanaovan-dalàna ary ny orinasa no tongotra telon’ity telozoro ity, ary nivondrona ho iray izy ireo ho an’ny fanangonan-karenany manokana eo an-damosin’ireo mpandoha hetra. Matetika ny olona no mampifandray ny Telozoro Vy amin’ny tetikasam-bahoaka, toy ireo lalam-pirenena sy tetezana mitondra n’aiza n’aiza, nefa ity tetikasa ity dia maneho fa tsy misy fetrany ny eritreritr'ireo mpitatan-draharaha miaraka amina loharanom-bolam-bahoaka tsy hita fetra azony ampiasaina.

Ilay mpitoraka blaogy hannoumita dia mampitaha ilay Foibe nolazaina [7] amin’ny Tontolon'ny Olom-baovao [8], ilay complexe-n'ny fialamboly vaovao momba ny lohahevitra kolontsaina pop japone, ary ny Tahirim-bakoky ny firenena ho an'’ny Tantara an-tsary foronina [ [9]Musée de la Bande Dessinée) [9] (Comic Strip Museum)any Angoulême.

日本においても、純粋に「アニメの殿堂」の良し悪しが語られているというよりも、年金や雇用の問題など他の政治課題とからめて語られている面もありますよね。それでも、何かフランスやアメリカの様子を見ると、ある意味「本家」である国としてどうなんだろうなあと思ってしまいます。

もう少し、他の問題とは切り離して考えてもいいのかもしれませんが、やっぱり今の世相がそこまでの余裕がなくなってしまっているということなのでしょうか。

Raha toa hiady hevitra fotsiny ny fahamendrehan’ny “Tranoben'ny Manga”, dia aleonay mametraka azy ity hilahatra amin'ny  olana pôlitika hafa toy ny rafitry ny fisotroan-dronono sy ny tsy fananana asa. Raha jerena ny zava-mitranga any Frantsa sy Etazonia, tsy azoko antoka hoe  izao ve no niriko hahitàna ny “toerana nahaterahan'ny manga”, izany hoe, hetsika izao.

Amiko dia tokony hojerentsika amin’ny tena izy ny olana, nefa mety hoe tsy manan-tsaina ho amin’izany ny fiaraha-monintsika amin’izao fotoana izao.

Matt Alt ao amin'ny  AltJapan [10] dia manoratra momba ny fomba hanoheran’ireo mpampiaina sary japone sasany ny fametrahana fotodrafitrasa  lafovidy sy mampitsoaka matanjaka toy izany. Hiroshi Odagiri avy ao Wired Vision [11] [ja] dia miteny fa ny fambolena ny zavakanto ho toy ny kolontsaina, sy fialamboly ho an’ny vahoaka toy ny orinasa dia zavatra roa samihafa.

[10]

Syou Hayama ao amin'ny  “Otaku Products Laboratory plus [12]” dia nanoratra valiny ho an’ny antsom-bahoaka momba ny hevitry ny masoivohon’ny raharaha ara-kolontsaina [13] [ja], ary mandroso hevitra ny hampidirana ho  ao amin'ilay Foibe ireo tantara rehetra tamin'ny haino aman-jery novokarina tany Japana.

理念は

  • 日本国内で生産されたメディア作品は、すべて収蔵する
  • 収蔵した作品は、原則誰でも観覧できる

必ずしも商業的に成功する物ばかりではないので、マイナーな作品でも、価値のある作品を上映、観覧できる場所が欲しい。例えば終わったテレビシーズでも一週間交替で全話上映できると素晴らしい。
それと必ずしも「折り目正しいわけではない」ので、例えばロリータポルノに分類される「くりぃむレモン」であっても、正規の手続きがあれば観覧できる用にしなければなりません。18禁は未収蔵みたいな差別があってはならないのです。

Hevitra fototra

  • Hangonina daholo ireo tantara rehetra tamin'ny haino aman-jery novokarina tao an-toerana
  • Malalaka ny tsirairay hijery ireo asa ao anatin’ilay angona

Tsy ny tantara rehetra tamin'ny haino aman-jery akory no nahomby ara-barotra, noho izany tiako raha mba misy toerana hilalaovana na hanehoana ireo asa manan-danja, na dia kely monja aza. Ohatra, mahafinaritra raha manome ampaham-potoana hijerena ireo tantara mitohy efa tapitra avy amin’ny fahitalavitra ny Foibe.
Ho fanampin’izany, tsy voatery ho “fanaja” ilay izy, noho izany ireo tantara toa an’I “Cream Lemon”, izay sokajiana ho ‘lolita mamoafady-vetaveta’, dia tokony ho azon’ny tsirairay jerena ho an'izay manaraka ny dingana fandraketana ofisialy. Tsy tokony hisy fanavakavahana an'ireo asa noho izy ireny voarara fotsiny ho an’ny olona latsaky ny 18 taona.

Ilay mpitoraka blaogy mojix [14] dia miray hevitra amin’ilay Profesora ao amin’ny Anjerimanontolon’i Tokyo Yasuki Hamano fa “ho fananana tsara ho an’ny firenena ilay Foibe afaka zato taona” nefa dia nandroso fa:

マンガだけでなく、芸術は一般に、政府が税金で守るのではなく、情熱を持った民間人が守ったほうがいい。なぜならば、芸術というのは特に「価値の判断」が難しいもので、それを政府ができるとは思えない。政府がやるとしても、どのみち民間の有識者に任せることになるのだから、最初から政府を介在させないほうがいい。

将来大きな財産になることが確かなのであれば、税金で保護するのではなく、むしろ民間から出資を募って、原画などを買い取るアーカイブ事業を起こし、その事業やコンテンツの権利を売ったほうがいいと思う。それならば税金のムダ使いも一切起こらず、事業の運営者も政府に口出しされず自由にやれて、(見通しと事業運営が正しければ)出資者も儲かって、マンガのアーカイブも守られるだろう。

Ny zava-kanto amin’ny ankapobeny, tsy ny manga ihany, dia tsara kokoa raha arovan’ireo olona manana ‘mpiondana’  toy izay arovan’ny governemanta amin'ny fitakiana hetra. Izany dia noho ny lanjan’ny zavakanto saro-takarina, ary tsy eritreretiko ho afaka mitsara tsy mitanila ny governemanta. Na dia mandray fanapahan-kevitra aza izy ireo, hiankina amin’ny manampahaizana sivily ny governemanta, ka tsy misy antony ho azy ireo hisintirintirina ery amin'ny toerana voalohany ery.

Raha azo antoka fa ho lasa fananana goavana ilay Foibe  amin’ny ho avy, ho solon'ny andrana fiavovana amin'ny alalan'ny fitakiana hetra dia tokony hiantso mpampiasa vola tsy miankina isika, hanangana orinasa hamory ireo tantara fototra ary hivarotra izay orinaa izay sy ireo zo. Amin’izay tsy misy ho lanilany foana ny volan’ny mpandoa hetra, hanapa-kevitra malalaka  ireo mpampiasa vola ary dia ho voaaro ny manga.

Amin’ny famintinana ireo tanjona, orinasa sy fanalefahana ny Foibe,  nahazo ny fanomezan-dàlana  ilay tetikasa ankapobeny tamin’ny 21 Aogositra. Hisy tetikasa ofisialy havoaka amin’ny voalohan’ny volana Septambra ary ny Foibe, izay ho tranobe vaovao na navaozina ao amina toerana izay mbola hotapahana  hisy fitaovana mbola hotapahana, dia hanokatra ny varavarany amin’ny vahoaka amin’ny FY2011.