Tantara tamin'ny 21 Aogositra 2009
Hevitry ny mpamaham-bolongana momba ny fampahafantarana ny VIH/SIDA any amin'ny Tontolo Arabo
Fady any amin'ny ankamaroan'ny faritra Arabo ny miresaka ny momba ny VIH/SIDA, na dia misy aza ny fandaharan'asan'ny PNUD na sampandraharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana tahaka ny HARPAS izay...
Sina: Tanora iray voadaroka mandra-pahafatiny noho ny fiankinan-doha amin'ny aterineto
Tamin'ny volana ambony, ny Ministera Sinoa momba ny Fahasalamana dia nilaza fa ny fampiasana herinaratra [electroshock treatment] hitsaboana ny “fiankinan-doha amin'ny aterineto” dia tokony hatsahatra. Na izany aza anefa, tsy nidika izany fa ny toeram-pitsaboana mitsabo ny “fiankinan-doha amin'ny aterineto” dia nampitsahatra ny fampiasana fampijaliana.
Brezila: Hetsika [Manifeste] miantso tolona ho fanodinana bebe kokoa ny fako elektronika
Any Brezila, misy lalàna momba ny fitantanana ny fako mivongana novàna mba hanalàna ny fako elektronika. Ny dingana voalohany hiadiana amin'izany fanovàna izany dia ny famoronana ny Hetsika ho an'ny Fako Elektronika mba hanangonana ny fanohànan'ireo mpikirakira ny aterineto ho fanodinana bebe kokoa ireo vokatra elektronika.