Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

18 Aogositra 2009

Tantara tamin'ny 18 Aogositra 2009

Bolivia: Fetin'i St Roch ho fanomezam-boninahitra ny alika

Isaky ny 16 Aogositra no hankalazan'ny Boliviana ny fetin'ny St Roch (na San Roque amin'ny teny Espaniola), izay olo-masina mpiaro ny alika. Mety ho tsy dia malaza manerana ny firenena ny tantaran'ity olo-masina Frantsay ity, saingy manararaotra ihany ny Boliviana hanome fotoana manokana ny biby fiompiny ao an-trano. Mety ho...

Karaiba: Vitan'i Bolt indray letia a!

Medaily volamena Olaimpika sy fitazonana ny zava-bita vaovao manerantany eo amin'ny hazakazaka 100 metatra sy 200 metatra no vitan'ilay Jamaikana Usain Bolt, ary tao anatin'ny fandresena nahoraka sy nahavalalanina no nahavitany izany tamin'ny faran'ny herinandro nandritra ny fiadiana tompondaka manerantany IAAF notontosaina tany Berlin, tafiditra 9.58 segondra nanamontsana ny zava-bitany...

Mpitoraka bilaogin'ny herinandro: Haute Haiku avy any Kenya

Anankiray amin'ireo mpitoraka bilaogy vao vaovaon'ny Global Voices aty amin'ny faritra atsimon'i Sahara i Haute Haiku. Miresaka momba ny vavy tia vavy na lahy tia lahy, ny samy tiana na lahy na vavy ary ny miova fitaovam-pananahana (LGBT) ao amin'ny tontolon'ny bilaogy aty Afrika izy, tafiditra am'izany koa ny fifindran'ny...

USA: “Ho roahina hody aho amin'ny Alarobia”

Herta Llusho dia mpianatra vao 19 taona mety ho voaroaka hiala an'i Etazonia hody any Albania amin'ny Alarobia 19 Aogositra. Mpitoraka blaogy maro ao amin'ny DreamActivist.org sy blaogy maro hafa ho an'ny zon'ny mpifindra monina no miantso ny Amerikana mba hanampy azy.

Kioba: Ny Maleconazo

Ny 5 Aogositra dia manamarika ny tsingerintaona faha-15n-n'ny fitraorana lehibe indrindra natrehin'ny governemanta revolisioneran'i Castro hatramin'ny taona voalohany nandresen'ny revolisiona: Ny Maleconazo