- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

iran:twitter sy facebook notsaraina

Sokajy: Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Politika

Omaly, niditra tamin'ny fihodinana faharoa tamin'ny fitsarana ireo mpanohitra sy mpanao politika refôrmista [mpitaky fiovana]  ny manampahefana iraniana. Tamin'ireo voapanga tamin'ity andiany ity dia nahitàna  vehivavy frantsay iray  24 taona, Clotilde Reiss [1], nampangaina ho nanao asa fitsikilovana. Saiky ny ankamaroan'ireo voapanga no voatondro ho nitarika ny olona hikomy sy manohitohina ny filaminam-pirenena. Ny fitsarana Iraniana dia tonga hatrany amin'ny fanakianana [2] mivaivay ny Sampam-pitrandrahana vaovao tandrefana, ny sampandraharaha-na media maro, ary ny orinasa mpamokatra rindrankajy, hatramin'ny sampam-pitsikilovana Mossad an'ny Israeliana, Facebook, Twitter, Voice of America, BBC Persia, ary na dia ny rindrankajy  fandikana teny Google's new Persian-mankamin'ny teny-Anglisy, noho ny andraikitr'izy ireny tamin'ilay heverina ho fiokona goavana nitranga. Jereo eto [3] ireo sary nalaina momba ilay fitsarana.

Ilay vohikala Fars News misy an'ny fanjakana amin'ny ampahany dia nanambara [4] [fa]:

كشورهاي غربي علاوه بر فعاليت در حوزه شبكه هاي تلويزيوني در عرصه اينترنت نيز سرويسهايي را به اغتشاشگران ارائه دادند

Ireo firenena tandrefana ao ambadiky ny asan'ireo tambajotra-na fahitalavitra [TV], dia nanome tolotra ho an'ireo mpanakorontana avy tao amin'ny aterineto.

Ny manampahefana iraniana dia  nilaza [4] [fa] hoe:

سرويس دهی از سوی شرکت تویتر برای مخاطبان ايرانی (اين شرکت امريکايی به روز رسانی سرويس خود را که مستلزم قطع چند روزه بود را در مورخه بیست ژوئن با هدف حمايت و سرويس دهی به آشوبگران به تاخير انداخت)

Twitter dia nanemotra ny fanavaozana voaomany hatao mba hanomezan-tànana ireo mpitarika korontana.

Ity dia ho valin'ny filazàn'ny Departemanta Amerikana tamin'ny 20 Jona 2009 hoe nifandray tamin'ny tambajotra sosialy  Twitter izy mba hiangavy azy io hanemotra ny fanavaozana nomaniny izay hiteraka andro maty iray    ho an'ny Iraniana maro manohitra ny fifidianana natao ny 12 Jona.

Ny manampahefana Iraniana dia  nitatitra [4] [fa] koa an'i Facebook ho toy ny mpanohana an'ireo mpanohitra, noho ity tambajotra sosialy ity nanolotra amin'ny teny Persiana ho an'ny Iraniana.

Ny fiampangana ny Facebook sy  Twitter ho mpanome tànana ireo “mpitarika korontana” dia toa tsy ara-drariny ihany, indrindra fa mba azon'ny Iraniana rehetra idirana ity tambajotra sosialy ity ary nandritry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, isan'ireny Mahmoud Ahmadinejad sy ireo mpanohana azy [5], izay nampiasa ny teknolojia avo lenta hanapariahana ny heviny.

Toy izay ihany koa no nitranga raha nampiasa ny aterineto ny Iraniana mpanohitra, isan'izany ny  Twitter sy  Facebook, mba hifandraisana sy hampitàna ny hafatr'izy ireo satria ny ankabeazan'ireo fitaovam-pifandraisana  hafa dia teo ambany fanaraha-mason'ny fanjakana Iraniana avokoa, nihatra mafy tamin'ny media ny sivana ary  ny mpanao gazety dia voateritery [6].

Ny nahazendana dia tsy voatondro tamin'ity fitsarana ity ny  You Tube . Amin'ny fihodinana manaraka indray angamba!

Asam-pitsikilovana manasoa

Reza Rafei Froushani dia nivaky [7] fa izy dia efa mpitsikilon'ny UAE tany aloha tany ary navoakany tao amin'ny Facebook daholo ireo tsiambaratelo!

Manoratra izy:

در زمان انتخابات سرويس اطلاعاتي امارات مطالبي را خواستند و من نيز در پاسخ به تقاضاي آنها برخي اسناد محرمانه را در فيس بوك منتشر كردم

Nandritra ny fifidianana, ny sampana miafin'ny  UAE dia nangataka zavatra ary dia navoakako tao amin'ny Facebook, noho ny fangatahan-dry zareo, ireo antontan-taratasy tsiambaratelo.

Manampy izy:

وي افزود: به ما گفتند كه در انتخابات تقلب شده و بايد حق خود را پيگيري كنيم و من هم بدون سوء نيت و واقعا با اعتقاد در تظاهرات شركت و از تجمعات خبر و گزارش تهيه كردم و اخبار آن را نيز از طريق فيس بوك منتشر كردم

Nilazàna izahay [avy amin'ny fanohanana an'i  Mir Hussein Mousavi] fa feno hosoka ny fifidiana ary mila mijoro izahay amin'izay heverinay ho zonay.  Izaho, tsy nisy fisalasalana kely akory, dia nandray anjara tamin'ny hetsika fanehoan-kery ary nanao tatitra sy namoaka ireny tao amin'ny Facebook.

Mazava loatra fa mihoatra izay mety ho fiheveran'ny rehetra ny zava-nitranga, satria hafahafa ihany izany hoe sampana miafina  mpanangom-baovao izany no mangataka amin'olona hamoaka antontan-taratasy tsiambaratelo any anaty Facebook. Azo raisina ho toy ny   “asam-pitsikilovana manasoa” ve izany?

Ny mpitoraka blaogy Dr. Kourdan dia manoratra [8], miharo eson-teny, fa mpitarika fanonganam-panjakana roalahy, no efa fantatra sy nohelohina ho faty. Ny anaran'izy ireo: Twitter sy Facebook.

Soa ihany, Twitter sy Facebook mba tsy olombelona nofo sy rà azon'ny Repoblika Ismamika gadraina. Tamin'ny fotoam-pitsarana ny Sabotsy, reformista maro, mpanohitra maro sy hafa ihany koa voapanga ho mifandray tendro amin'nyfanonganam-panjakana no niaka-dapa. Ny mpitoraka blaogy sasany dia  namoaka [9] sary maro an'ireo olona ireo talohan'ny fisamborana sy taorian'ny famonjàna nandritry ny herinandro maro. Ny hareraham-batan'i  Mohmmad Ali Abtahi [10], iray isan'ny mpitoraka blaogy sady reformista, no tena nisarika ny saina indrindra tamin'iny fihodinam-pitsarana tamin'ny herinandro lasa iny. Fa tamin'ity indray mitoraka ity dia marobe ireo  “Abtahis” tao amin'ny efitranom-pitsarana, ary, indrisy, mbola be no ho avy.