- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Uruguay: CIP, Vohikala ho an’ireo horonantsary sy ireo sarimihetsika fohy

Sokajy: Amerika Latina, Orogoay, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina

Antsoin-dry zareo   hoe  fomba iray hafa hamoahana ireo video vokariny izy ity  mba tsy hifaninanany amin’ireny video novokarina tany an-trano ho fankalazana tsingerintaona  ireny, ireo videoan-tsaka ary ireo horonantsarin-kira ho an’ny karaoke. Tanora  roa avy any Uruguay no nanapa-kevitra hanova ny zava-misy ka namorona ny Cip [1], vohikala natokana hanehoana ny  sarimihetsika novokarin'ireo mpamokatra horonantsary mahaleontena, izay afaka maka ny sarimihetsika nataon-dry zareo avy any amin’ny toeran-drakitra any ary mizara izany  amina fiaraha-monina midadasika kokoa, tsy misy fahasamihafana betsaka amin'ny fomba fiasa any amin'ny tantara tsangana ireny izy it, misy fampahafantarana mialoha, fandaharana manaraka vanimpotoana sy toeram-pijerena sarimihetsika samihafa.

Isaorana i @damianemanuel1 [2] ao amin’ny twitter izay nahitanay ity vohikala ity, raha namoaka fa:

Cine virtual desde Uruguay para combatir la chatarra de YouTube http://bit.ly/V39pT [3]

Toerana virtoaly fijerena sarimihetsika avy any Uruguay hiadiana amin'ny hagaigen'ny Youtube.
Uruguayan documentary on http://www.cip.com.uy/ [4]

puede ser vista en http://www.cip.com.uy/

Raha ny filazan'ireo mpamorona ilay vohikala [5], Andrés Nicolón ary José Luis Elizalde, ity vohikalan-dry zareo ity dia  mamaly ny filàn’ireo mpamokatra horonantsary izay te hampahafatatra ny asany:

¿Dónde puedo exhibir seriamente mis obras en un medio tan masivo, económico y accesible como Internet? ¿Cómo puede ser reconocida mi labor (actriz, actor, guionista, director, camarógrafo, productor, músico, etc.) en cine? ¿No tengo alternativa y debo publicar mi trabajo junto con los top 10 de mejores bloopers de gente montando a caballo? ¿Siempre los más conocidos son los que ocupan el lugar más importante?

Aiza no ahitako toerana tena hanehoana ny asako amina media manan-danja,  ekonomika sy malalaka kokoa toy ny aterineto? Ahoana ny asako (amin’ny maha-mpilalao sarimihetsika, mpandrakitra an-tsary [cameraman], mpamokatra, mpiangaly zavamaneno, sns.) any anaty horonantsarimihetsika mba ho be mpahalala.  Tsy manana fomba hafa ve aho ary tsy maintsy mametraka ny asako hilahatra amin'ireo video folo fanta-bahoaka  izay misary gaigy eny  ambony soavaly? Ireo izay efa be mpahalala ve no mitazona hatrany ny toerana tsara?

Tsy ny fahafahana maneho courts metrages ao amin’ny vohikala ihany no omen’ny Cip [1]fa sady mbola manome tolotra  hafa ihany koa ry zareo: afaka manampy ireo mpamokatra sarimihetsika amin’ny fikarakarana ny famokarana sy  ny famoahana, ireo effects sy ireo fanehoana an-tsehatra. Afaka manao ny fampahafantarana rehetra sy ny reaska ara-barotra ihany koa ry zareo  ho an’ireo sarimihetsika ohatra ny afisy goavana, ireo ampahan-tsary fampahafantarana [trailers] ary ireo dokam-barotra amin’ny ankapobeny, na mampahafantatra sarimihetsika iray amin'ny fanomezana kintana [fomba fanomezana laharana any anaty aterineto] mba hisongadina kokoa.

Amin’izao fotoana izao, manana sarimihetsika 7 ry zareo ao amin’ny vohikala, ka 4 espanola, ny iray dia ezaka niraisana, ary 2 courts metrages avy any Uruguay, iray tantara foronin'ny saina sy iray hafa fanadihadiana. Ireo sarimihetsika rehetra ireo dia azo alaina amina format compatible ho an'ny iPod. Indrisy, ny vohikala dia tsy mamela ny hametrahana ireo sarimihetsika any amina blaogy hafa, saingy azonareo jerena  ireo sarimihetsikan-dry zareo  ao amin’ny vohikala,http://www.cip.com.uy/ [1]