Mitondra VIH mamaham-bolongana: Mbola azo atao ny mitia

Mihamitombo ny isan'ny mpamaham-bolongana manerantany mitondra ny tsimok'aretina VIH mampiasa ny mediam-bahoaka hanehoany ny fomba iainany miaraka amin'ny tsimok'aretina.

Mety ho sarotra ny miresaka amin-kahalalahana ny momba ny VIH-SIDA. An'arivoarivony ny olona efa tratran'ny otrik'aretina, fa ny marina dia atahorana loatra ity aretina ity ary noho ny fomba fifindran'ny aretina mety ho azo amin'ny firaisana ara-nofo, dia lasa henatra matetika ho an'ny olona izany mitondra VIH izany. Saingy, misy ireo olona am-polony sahy mitantara ny fiainany manokana isan'andro, indraindray mitaky ny zony na mitaky ny fanatsarana ny fikarakarana azy ireo ara-pahasalamana any amin'ny bolongana sy ny dinika an-tserasera azon'izay rehetra te-hamaky ny tantarany.

View Blogging Positively in a larger map
Blogging Positively amin'ny sarintany ngeza kokoa.

Afrika Atsimo

Busi, mpamaham-bolongana sady poety avy ao Afrika Atsimo no nahita fa mitondra nyVIH izy tamin'ny 2006, enim-bolana taorian'ny nanaovana azy an-keriny.

Indro ny tantarany mampalahelo, araka izay notantarainy tao amin'ny bolongany My Realities:

Not so long ago i discovered that i was HIV+. I was attacked and raped far too many times in order for me to contract the virus. You see, the reason for that is that i am a woman who identifies as lesbian because of my involvement with a woman. My attackers and different rapists did so to show me how it is to be a woman.

Vao tsy ela akory izay dia fantatro fa mitondra ny tsimok'aretina VIH aho. Be loatra ny fanendahana sy ny fanaovana an-keriny nihatra tamiko no nahatonga ahy ho tratran'ny tsimok'aretina. Ny antony dia milaza ny tenako ho vehivavy mitia vehivavy aho fa mifamofo amina vehivavy iray. Nanao an-keriny ahy ry zareo ho fanehoany ahy ny atao hoe vehivavy

Efa nandao ity tany mahafinaritra ity i Busi fa nentin'ny aretiny tamin'ny Marsa 2007. Saingy mbola mijoro ho vavolombelon'ny fiainany ny bolongany sy ny poeziany, tahaka ny bolongan'ny hafa ihany koa raha mbola nofinofy ny fahasitranana.

Shina

Mpamaham-bolongana Shinoa mitondra ny tsimok'aretina VIH azo tamin'ny alalan'ny famindrana rà i Li Xiang raha mbola zatovolahy nianatra tany amin'ny Lisea. nanomboka namaham-bolongana izy tamin'ny 2005 rehefa niditra tamin'ny faharoapolo taonany. Tao amin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny bolongany tamin'ny fiandohan'ity taona ity (teny Shinoa) no niezahany hanala ny anganongano momba ny SIDA tamin'ny nilazany fa tsy mampatahotra noho ny mety ho mahatonga fahafatesana hafa io aretina io, ary na ny tenany aza dia efa tsy manahy intsony noho ny fivoaran'ny fitsaboana azy.

Philippines

Mpamaham-bolongana Filipina mipetraka any Kowloon, Hong Kong i Kiks. Tamin'ny 2007 no nahalalàny fa mitondra ny VIH izy ka nosoratany ny fomba niatrehany io zavamisy niainany io:

Being HIV positive is not the least bit fascinating.

It is like having a heart disease for life although my doctors told me it was better than having diabetes. With the medicines so readily available nowadays, you can be sure to live longer than cancer patients, anemic or the elderly staying in big polluted cities like Manila.

Tsy dia ny zava-mahasondriana ratsy indrindra ny mitondra ny tsimok'aretina VIH. Tahaka ny hoe tratran'ny aretim-po ihany na dia lazain'ny dokotera mitsabo ahy aza fa aleo io toy izay tratran'ny diabeta. Efa mora hita manko ankehitriny ny fanafody, azo itokisana fa miaina fotoana maharitra kokoa noho ny mararin'ny homamiadana, tsy fahampian-tselan'ny ra na noho ireo antitra mipetraka amina tanàna maloto rivotra tahaka an'i Manille ianao.

Bolongan'ny lehilahy iray mpitia lehilahy sady mitavozavoza rehefa mamaky teny mipetraka avy any Angletera niara-niaina tamin'ny VIH nihoatra ny 20 taona ny Freerangelife. Vao haingana izy no nanoratra ny loza mitatao amin'ny tsy firaharahiana misoroka ny mety hitranga:

We have known about HIV for over 20 years, people know the risks. So why does it happen? It happens because we like taking risks and we often think “it will never happen to me”.

Efa fantatsika fa mihoatra ny 20 taona izao no nahafantarana ny fisian'ny VIH, mahalala risika ny olona. Koa nahoana no nitranga izao? nitranga izao satria sahisahy foanaisika ary mieritreritra matetika fa “tsy ho tratran'izany mihitsy aho”

Repoblikan'i Congo

Nanoratra ny mety maha-zava-doza ny fahafantaran'ny hafa ny fitondrana tsimok'aretina VIH-SIDA i Davy Herman Malanda tamin'ny herintaona tao amin'ny bolongan'ny mpiaro ny Zon'ny tratran'ny SIDA ao Congo. Nitantara ny fiainan'i Bernadette (solon'anarana), tanoravavy mivarotra akanjo friperia tao an-tsenan'i Tié-Tié tany Pointe-Noire, Congo izy:

Bernadette’s life changed when her friend divulged Bernadette’s HIV status. Her colleagues and clients from the market were informed that she is HIV-positive. Very few clients came to buy at Bernadette’s table. Her life became difficult, and she had difficulty to make ends meet.

Niova ny fiainan'i Bernadette rehefa naelin'ny namany fa mitondra VIH izy. Nahare ireo mpivarotra namany sy ny mpanjifa tao an-tsena. Vitsy dia vitsy sisa no nividy entana teo aminy. Nihasarotra sy nitsipozipozy noho izany ny fiainany

Niresaka momba ny nanjo azy i Aurelie avy ao an-drenivohitr'i Congo, Brazzaville teo am-pandrenesana fa tratran'ny VIH izy:

Initially, it hit me like a ton of bricks. I saw my life change instantly, and the thoughts kept multiplying in my mind.

Toy ny nisy biriky an-taoniny nianjera tamiko. Niova teo noho eo ny fiainako, ary nitombo aok'izany ny adin-tsaiko.

Nanolotra fisaorana ny fianakaviany sy ny fikambanana tsy ara-barotra iray izy koa izy noho ny fanohanan'izy ireo ka nahatonga azy hilamindamin- dratsy (fomba fiteny malagasy) eo amin'ny fiainany.

Etazonia

Michelle avy ao Etazonia no manoratra fa “mbola azo atao ny mitia” mitondra ny VIH ary dia notantarainy ny fomba nahitany olo-tiana vaovao tao amin'ny bolongana iraisam-pirenena antsoina hoe POZ Blog. Nanome tolo-kevitra izy:

To those newly infected or those who are tired of being alone, don't lose hope. Don't give up on love. It will come when you least expect it and when you need it the most.

Ho an'ireo vao tratrany na ireo izay leon'ny miaina irery, aza ketraka. Aza mijanona tsy hitia. Ho avy ny anjaranao raha manantena ianao farafaharatsiny na tena mitady (namana) indrindra ianao.

Kenya

Tsy midika hoe andosiran'hafaliana ianao rehefa mitondra ny tsimok'aretina VIH noho ny fanavakavahana. Fihetsiketsehana fanaovana asa soa sy fampisehoana lamaody karakarain'ny vondrona tanora Nakuru isan-taona any Kenya ny Mister sy Miss Riban Mena. Iray amin'ny mpandray anjara nizara ny fiainany ny mpamaham-bolongana mitondra ny tsimok'aretina VIH Maureen, mpikambana ao amin'ny tetikasan'ny famahanam-bolongana Rising Voices antsoina hoe REPACTED:

I have been contesting since 2006 and have been enjoying every moment of the event because of one thing, effective reduction of stigma and discrimination. Mr. and Miss Red Ribbon brings together both affected and infected to celebrate beauty in a unique way. During the event audience appreciate beauty by seeing models but not the affected or the infected.

Nandray anjara hatrany aho hatramin'ny 2006 ary nankafiziko hatrany ny lanonana noho ny zavatra iray, hita mihena mihitsy ny fanalam-baraka sy ny fanavakavahana. Mampisandratra ny fahatsarana amina lalatokana ny Mister sy Miss Riban mena, samy tratra sy mitondra ny tsimok'aretina. Mijery mpilatro no atao mandritra ny lanonana fa tsy (mieritreritra hoe) mijery izay tratra na mitondra tsimok'aretina.

Mampisongadina ny feon'ireo mpamaham-bolongana mitondra ny tsimok'aretina VIH sy ireo mpikarakara an-dry zareo ary media hafa miresaka ny momba ny VIH/SIDA ny sarintany Global Voices Google misy mpamaham-bolongana mitondra VIH. Azonao vakiana ireo tantara mahavariana ireo amin'ny alalan'ny fanindriana ny rohy hita eo amin'ny sarintany.


Rezwan

1 hevitra

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> Solana

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.