- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Put it On: Fifaninanana ho an’ireo mpamokatra sarimihetsika

Sokajy: Media sy Fanoratan-gazety, Zavakanto & Kolontsaina

Andoavambola ity andiany ity. Put it On [1] Ankalazao dia manandratra ireo mpamokatra sarimihetsika  izay miasa any amina faritra ara-jeografika samihafa sy  fiteny samihafa ihany koa ho fantatra  manerana izao tontolo izao..

Efa mba nanonofy foana ny hianatra any amin’ny New York Film Academy [2] ve ianao? Ity no sehatra iray ahafahanao manatanteraka izany, tsy mijery velively hoe aiza ianao no mipetraka, na ihany koa hoe aiza ianao no miasa sy manatontosa sarimihetsika. . Ny fifaninanana Put it On Picture Show [3] dia mety hahazoana vatsim-pianaranana hianatra any amin’ny New York Film Academy ary ihany koa loka mitentina 5000 dollars amerikanina, na ho an’ny court métrage tsara indrindra, na ho an’ny long métrage tsara indrindra,  ary koa ho an’ny mpaneho an-tsehatra [interpretation] mendrika indrindra . Ny loka faharoa amin’ny sokajin'ny long métrage sy  court métrage tsara indrindra dia caméra numérique HD Prosumer iray.


www.putiton.com

Put it On [1]dia tranonkala iray vaovao ho fanomezan-danja ny zavakanto ary sehatra an-tserasera ho an’ireo mpanakanton’ ny sehatra efatra samihafa dia ny: haingo sy bika (filatro), horonan-tsarimihetsika, mozika, ary ny zavakanto (kolontsaina,asa tanana). Ireo mpanakanto mpandray anjara dia samy mahazo 1GB maimaimpona ho toerana fitahirizana ao amin’ny seha-pifandraisana  sy afaka misafidy ny hametraka ny asany ho vonona ary afaka sintonina(par téléchargement) ary azony amidy amin’ny vidiny izay tiany. Io tranonkala io dia misy amin’ny fiteny folo samy hafa [avy amina milina mibaiko tena].
Raha handray anjara amin’ny fifaninanana,dia mametraha fotsiny  ny horonantsary iray mirakitra ny tsara indrindra vitanao . Izay zavatra rehetra eto amin’ izao tontolo izao dia azo aseho avokoa. Ireo horonan-tsary dia azo atao aminy fiteny samihafa araka ny safidy, fa tsy maitsy misy dikanteny an-tsoratra amin’ny teny angilisy miaraka aminy. Sokajy iray ihany no azonao ametrahana fandraisana anjara:  na Court métrages ihany, na koa Long métrages  (tsy mihoatra ny 45 minitra)

Ho fanampim-panazavana mahakasika ny fifaninana , dia tsidiho ny tranonkala Put it On [3]. Ny fifaninana dia nisokatra tamin'ny 30 Jolay ary ny fara-fisoratana anarana dia ny 26 Novembra ho avy izao. Ny folo voalohany amin’ny courts sy longs métrages dia safidina ao amin'ny aterineto. Ny mpitsara ahitana an'ireo avy ao amin’ny New York Film Academy ary Max Fraser, anisan’ ireo namorona ny Put it On no hilaza amin'ny 7 Janoary 2010 izao izay mpandresy. Ireo izay mpaneho an-tsehatra nahavita ny tsara indrindra dia hotsongain'ny mpitsara  manokana avy ao amin'ny lisitra fandraisana anjara rehetra.