- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ekoatera: Garam-piara fitaterana vaovao roa misokatra ao Quito

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Tsidika

Ambohipihaonan'ny fitaterana an-tanety ao Ekoatera ny renivohiny ao Quito ary azo heverina fa ahafahana mipaka any amin'ny toerana rehetra tiana andehanana manerana ny firenena ny fandraisana fiara fitaterana iray avy ao. Nandritra ny herinandro faharoan'ny volana jolay dia nanapa-kevitra ny Departemanta Monisipalin'ny Fitaterana sy ny Asam-bahoaka [1] (EMMOP amin'ny fanombohana teny Espaniola) hanakatona ny Garam-piarakodia be mpivezivezy indrindra manerana ny firenena fantatra amin'ny anarana hoe Cumandá Bus Station. Nandray izany fanapahan-kevitra izany ny tompon'andraikitry ny fitaterana noho ny tsy fahazakan'ilay toerana efa antitra intsony ny hamaroan'ny mpandeha mivezivezy eo, eny fa na dia tsara aza ny toerana misy azy ary afovoan-tanàna taloha indrindra. Hitan'ny tompon'andraikitra ihany koa ankoatra izany fa tsy mifanaraka amin'ny filàn'ny mpandeha intsony ny foto-drafitr'asa misy ao. Nisy garam-piarakodia roa vaovao kosa nosokafana hasolo azy: any atsimon'i Quito any Quitumbe ny iray ho an'ny zotra mianatsimo rehetra, ary any avaratr'i Quito any Carcelén kosa no naorina ny faharoa ho an'ny zotra mianavaratra rehetra.

Interior view of the Quitumbe inter-provincial bus terminal in southern Quito. Photo used under permission by Nati Wolf

Ny ao anatin'ny garan'i Quitumbe any atsimon'i Quito. Sary nahazoana alalana tamin'i Nati Wolf

Ankehitriny, raha nizotra ho any amin'ny garan'i Cumandá izay fiaingan'ny zotra rehetra ny mpandeha teo aloha, dia tsy maintsy mizotra any amin'ireo gara roa kosa araka izay toerana halehany. Niteraka fisavoritahana ihany izany satria lany fotoana kokoa ny mpandeha ho kaopy amin'ny mombamomba ny foto-drafritr'asa vaovao sy hitady ny toeram-piaingan'ny zotra tokony horaisiny noho ny fotoana lany handehanana any amin'ny toerana alehany.

Naniraka mpanao gazety enina i Carei es Carei [es] [2] hanadihady ny tombotsoa, ny fivezivezena, ny fandaniana ary ny mombamomba ny fivezivezena ao Quito mandra-pahatonga any amin'ny iray amn'ireo gara roa ireo. Hitan'izy ireo avy amin'izany fa mandany anelanelan'ny 90 ka hatramin'ny 107 minitra ny mpandeha vao tonga any Quitumbe na any Carcelén raha mandray zotra (bus) an-tanandehibe. Mahatratra 35-55 minitra kosa ny mpandeha raha amin'ny alalan'ny fiarakaretsaka no handehanany any amin'ny gara. Na izany aza, ho an'ireo izay tonga ao amin'ny garan'i Quitumbe avy any amin'i Valle de los Chillos:

A esa hora [7 am, los viernes] es imposible tomar una unidad vacía y los viajeros se acomodan apretadamente en el bus 3632 para llegar hasta La Marín, en Quito. Los empujones y pisotones son inevitables. Subir con maletas es casi imposible. El bus tarda 43 minutos hasta llegar al playón de La Marín.

Allí no hay información para los usuarios que deseen llegar a Quitumbe. Dos policías de tránsito no atinan a contestar ¿qué bus tomar para llegar a la nueva terminal?

Amin'izany ora izany [7 ora maraina ny zoma] dia sarotra dia sarotra ny mandray ny zotra be mpandeha sady efa mifaneritery aok'izany ny mpandeha ao anatin'ny zotra 3632 mandeha mankany La Marin, any Quito. Tsy maintsy hoe voatositosika sy voahitsaka ihany. Sarotra tanteraka izany hoe hiditra ao miaraka amin'ny valizy izany. Mandany 43 minitra ny zotra vao tonga any La Marín.

Tsy misy ny fampahalalana ho an'ny mpandeha te-ho any Quitumbe. Polisy roa no tsy nahavaly raha nanontaniana hoe “inona ny zotra tokony horaisina raha handeha ho any amin'ny gara vaovao?”

Nokendren'ny EMMAP moa ny hampidina ny fandaniana, fotoana ivezivezena, fandotoana (#fahalotoana) isan-karazany ary nialany koa ny tabataba amin'ny manodidina ateraky ny fananganana ny gara roa vaovao. Mety namparary loha mihitsy amin'ny voalohany ny dia voalohany, eny fa na dia ho an'ny tompontany aza. Saingy rehefa tonga any amin'ny gara vaovao ny mpandeha dia tsy nampaninona ny sasany ny fotoana lany sy ny fikorontanan-tsaina teo. Mipetraka eo akaikin'ny gara atsimo i Nati Wolf mpamahana ny Chica de la Luna [es] ka nanapa-kevitra izy hitsidika ny garan'i Quitumbe ary tena faly nitsidika tao [3]:

La curiosidad mató a la lobita y así fue que me aventuré a conocer la nueva terminal “Quitumbe” en el Sur de Quito. Desde mi casa hasta allí me demoré como 5 minutos y al llegar estaba tan perdida como el resto, pero al final estuve paseando por todos lugares posibles y hasta me convertí en guía, jeje. Me gustó mucho como está ordenado y hay bastantes personas en diferentes puntos dispuestos a ayudar a los viajeros que llegan a la terminal.

Las boleterías a los distintos destinos, están divididas por regiones. También podemos encontrar allí mismo lugares para comer, comprar regalos, ropa, etc. Es un gran cambio para los que estaban acostumbrados a ir a la terminal de la Cumandá, que a mi criterio, ya parecía cárcel, por lo oscuro y desordenado.

Liana dia liana tokoa aho ary dia nandeha kitanotanona hijery ny gara vaovaon'i “Quitumbe” atsimon'i Quito. Dimy minitra ihany no fotoana laniko niaingana tany an-trano mandra-pahatonga tany amin'ny gara, nefa nialoha ny nahatongavako tany dia very toy ny rehetra ihany koa aho fa avy eo nivezivezeko avokoa ny toerana rehetra azo naleha ary dia lasa mpanoro lalana aza aho indraindray hi hi. Nahafinaritra ahy ny fipetrapetraky ny foto-drafitr'asa ary hitako betsaka ihany ny olona eny rehetra eny no vonona hanampy ireo vao tonga ao amin'ny gara.

Nosingatsinganina araka ny faritra ny toeram-pivarotana tapakila. Misy ny faritra fisakafoanana, ividianana zavatra atao fanomezana, na akanjo, sns. Hita ny fiovana goavana ho an'ireo izay zatra ny garan'i Cumandá, izay araka ny hevitro, dia tahaka ny fonja, noho ny aiziina sy ny fikorontanana ao anatiny.

Ho an'izay te-hijery ny gara vaovaon'i Quitumbe dia indro tsidiho ny takelaka Flickr-ny [4].

Milton Ramirez [5]