- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Gabon: Kandidà mampiasa media sosialy amin'ity fifidianana filoham-pirenena manan-tantara ity

Sokajy: Afrika Mainty, Gabòna, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Politika
Bruno Ben Moubamba, presidential candidate in Gabon, uses new media to spread his message.

Mampiasa ny media vaovao mba hampitàna ny hafany i Bruno Ben Moubamba, kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena any Gabon.

Raha eo am-piomanana ny fifidianana voalohany taorian'ny nahafatesan'i Omar Bongo [1] i Gabon dia indro misy kandidà iray miezaka ny mampiditra ny tenany ho ao anatin'ny tantara amin'ny alalan'ny fampiasana ny media sosialy. Nody any Gabon hilatsaka ho fidiana amin'ny maha-kandidà tsy miankina ny mpanao gazety sady talen'ny Institut Edith Stein [2] any Frantsa Atoa Bruno Ben Moubamba [3]. Anisan'ny mpifaninana aminy ny Praiminisitra amin'izao fotoana, Jean Eyeghe Ndong [4], sy ny zanakalahin'i Bongo. Miezaka ny mampakatra ny haavon-dalao i Moubamba.

Raha misintona ny voasoratra ao amin'ny bokin'i Obama izy dia mba mampiasa aterineto amin'ny fampielezan-keviny ihany koa hanentanana ny vondrona mafana fo sy mpanohana any Gabon sy any ampielezana. Tsy vitan'ny mampiasa blaogy [3] ny fampielezan-kevitr'i Ben Moubamba [3] fa nampiasa betsaka ireo sehatra sosialy (an-tserasera) hafa koa toy ny Twitter [3], Flickr [5], Facebook [6], YouTube [7], ary hi5 [8]. Mazava ho azy fa tsy fantatra loatra hoe Gaboney firy no mety ho tafiditra amin'ny alalan'ireo sehatra ireo; folo isan-jaton'ireo olom-pirenena ihany no manana aterineto, na azy manokana na any amin'ny cybercafe.

Talohan'ny nahafatesany tamin'ny 8 Jona nandritra ny faha-73 taonany, i Bongo no filoham-pirenena nitondra ela indrindra tany Afrika naharitra 41 taona teo amin'ny fitondrana. Ho henjana ny raharaha ho an'i Moubamba miatrika ny filatsahan'ny zanakalahin'i Bongo tahaka ny kandidà ofisialin'ny antoko mpitondra, ny tsy fahampin'ny fomba amam-panao demokratika any Gabon ary ny fifidianana amin'ny 30 Aogositra [9] izay manakaiky haingana dia haingana.

Teraka tamin'ny 1967, taona nahazoan'i Bongo fahefana, taranaka vaovao ana mpitarika Afrikana i Moubamba. Nitsikera mafy [10] ny fitondràna amin'izao fotoana i Moubamba [3] ao amin'ny blaoginy, izay lazainy fa “havanana amin'ny famoretana” ka miantso fifampidinihina eo amin'ny ‘zoky sy ny zandry':

Je suis en ce moment en train de recomposer mon équipe pour passer de la pré-campagne à la campagne. Je travaille avec une centaine de volontaires. Je m’aperçois que les autorités de ce pays sont massivement rejetées par la population. Les participants des meetings des candidats gouvernementaux reçoivent entre 75 et 200 euros pour leur participation! On est en train d’acheter les Gabonais avec leur propre argent!

Eo am-pametrapetrahana ny ekipako avy amin'ny fiomanana hiditra ho ao anatin'ny fampielezan-kevitra aho izao. Miasa miaraka amina mpanolo-tena 100 aho. Nahita aho fa tsipahin'ny mponina ireo manam-pahefana eto amin'ny firenena. Ireo izay manatrika ny fihaonan'ireo kandidàn'ny governemanta dia mahazo 75 ka hatramin'ny 200 € noho ny fandraisany ‘anjara! Mividy ireo Gaboney amin'ny volan'izy ireo ihany ry zareo!

Or, voilà plusieurs semaines que le Parti démocratique gabonais actuellement au pouvoir tergiverse sur la désignation de son candidat aux futures élections présidentielles. Les tensions semblent fortes. M. Eyéghé Ndong, l’actuel Premier ministre, a par exemple déclaré ses dernières heures qu’il se plierait à un rejet de sa candidature, si cela s’effectuait dans des conditions démocratiques.

Nefa efa herinandro maromaro izao no misalasala ny amin'izay ho kandidàny amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy io ny Antoko Demokratika Gaboney izay eo amin'ny fitondràna. Miakatrakatra ihany ny tosi-drà. Atoa. Eyéghé Ndong, Praiminisitra amin'izao fotoana, ohatra, dia nanambara ora vitsy lasa izay fa ekeny ny fandavana ny filatsahany ho kandidà raha ohatra ka mandeha amin'ny fomba demokratika izany.

Je me demande si ces tergiversations n’illustrent pas une querelle générationnelle naissante entre les quarantenaires et les soixantenaires, habitués du pouvoir.

J’ose espérer que la génération de nos aînés ne va pas opter pour la continuité sans transformation sous prétexte de défendre ses intérêts. Car il semble en fait que leurs intérêts, comme ceux de tous les Gabonais, se situent dans le changement et dans le dialogue intergénérationnel !

Manontany tena aho hoe tsy mampiseho disadisa eo amin'ireo manana salantaona efapolo sy ireo salantaona enimpolo efa tamàna eo amin'ny fitondràna ve izany fisalasalana izany. Manantena aho fa ireo zokintsika indray mihira ireo dia tsy hifidy ny fitohizana tsy mila fanovàna mba hiarovany ny tombotsoany. Satria mantsy hita ihany fa miorina eo amin'ny dinidiniky ny ‘zoky sy ny zandy’ no tombotsoan'izy ireo, tahaka ny an'ireo Gaboney rehetra!

Ny zanakalahin'i Bongo avy eo no nambara ho kandidà ofisialy, ary ho fanoheran'i Eyéghé Ndong izany dia nanambara ny tenany fa ho kandidà mahaleo tena. Patrick Ageron [11], mpanohana an'i Ben Moubamba, dia nanoratra tao amin'ny pejy Facebook teo am-panendrena an'i Bongo Zanany:

Une nouvelle preuve encore que le système de la royauté (où le fils devient le successeur du père) toujours en vigueur dans nos contrées a bien été exporté sur le continent Africain.

C'est particulièrement dommage.

Quand cela cessera-t-il?

Porofo iray fanampiny indray fa mbola mihatra aty amintsika ary miparitaka manerana ny kontinanta Afrikana ny rafitra faha-mpanjaka (mandimby ny rainy ny zanakalahiny).

Mampalahelo izany.

Oviana izao vao hitsahatra?

Nanome teny fampaherezana i Lucien Ntole [12] :

Bruno, vous êtes enfin sur la ligne de départ! Je vous souhaite bonne chance pour la suite de cette belle aventure. Pour beaucoup d'entre nous vous incarnez le rêve d'un nouveau Gabon, bâti sur la justice et le droit; un pays où ” les gens de peu” relèvent enfin la tête. Du courage et bon vent!

Bruno, tonga eo amin'ny tsipika fiaingàna ihany ianao! Mirary anao ho tsara vintana aho amin'ity dia mahafinaritra ity. Ho an'ny maro aminay, ianao no mitondra ny endrik'i Gabon vaovao, miorina amin'ny rariny sy ny hitsiny; firenena izay hitrakan'ireo tsy manana ny ampy amin'izay. Mazotoa ary mahereza!