Firenena Mikambana: fifaninanana horonantsary ho an'ny olona 9-25 taona momba ny fifindra-monina

Mikarakara ny fifaninanana horonantsary Plural+ momba ny fananganana fiaraha-monina mandray andraikitra  sy mahay mifandefitra kokoa ny ‘Vovonana momba ny sivilizasiona ao amin'ny Firenena Mikambana [United Nations Alliance of Civilizations]’. Misokatra ho an'ireo mpandray anjara rehetra eo anelanelan'ny 9 hatramin'ny 25 taona hatramin'ny 30 Septambra io fifaninanana io, ary ny zavatra tokony ataony dia ny mamokatra horonantsary maharitra eo amin'ny 1 ka hatramin'ny 5 minitra ao anatin'izany ny lohateny sy fampidirana momba ny fifindra-monina, fahasamihafàna ary fandeferana, ary lohahevitra hafa mifandraika amin'izany. Ny fanazavana feno ny fizotry ny fifaninanana Plural + dia hita ao amin'ny vohikalan-dry zareo ary hita amin'ny teny Anglisy, Espaniola, Frantsay ary Arabo

film team by extranoise http://www.flickr.com/photos/extranoise/155085339/

andiany mpanao horonantsary nalain'i extranoise http://www.flickr.com/photos/extranoise/155085339/

Manolotra ny fanasàna izy ireo ao amin'ny vohikalany:

Satria fantatra fa anisan'ny singa mahatonga fiovana ara-tsosialy eo amina tontolo miavaka amin'ny tsy fisian'ny fandeferana sy ny fizarazarana ara-kolotsaina sy ara-pivavahana  ny tanora, ny tanjon'i PLURAL+ dia ny hampandray anjara an'ireo tanora amin'ny famahàna ireo olana any amin'ny fiaraha-monin'izy ireo momba ny fidiràn”ireo mpifindra monina, ny firotsahana an-tsehatra, ny maha-izy ny tena, ny fahasamihafana, ireo zon'olombelona ary ny firaisankina sosialy. Ireo fandraisan'anjara mivantan'ireo tanora – na mpifindra monina ry zareo , na taranaka faharoa avy amin'ireo mpifindra monina na tsia – dia afaka mandeha tsy amin'ny fahafantarana an'ireo lalàna ihany fa amin'ny fanasongadinana rivo-panajàna sy fideràna ny tsirairay koa, manampy amin'ny fitadiavana ny làlana mankany amina hoavy mamirapiratra kokoa.

Tsy voatery natao ho an'ity fifaninanana ity ireo horonantsary, fa tokony horonantsary vita taorian'ny Janoary 2008 izy ireo. Ny tsy mampitovy an'ity fifaninanana ity amin'ireo teo aloha izay notanisaintsika tao amin'ny Global Voices dia ny hoe tsy amin'ny alalan'ny fitaovana amin'ny aterineto no hamoahana an'ireo horonantsary, fa tsy maintsy alefa any amin'ny  biraon'ny ‘UN Alliance of Civilizations’ any New York ny DVD. Tsy maintsy amin'ny teny Anglisy ireo horonantsary, na misy dikateny Anglisy ery ambaniny. Tsy maintsy voaray alohan'ny 30 Septambra ny tsanganasa vao afaka mandray anjara.

Noho izany araraoty ity indray mitoraka ity, ka raha mifanaraka amin'ity fifaninanana ity ny taonanao, na mahafantatra olona toy izany ianao, dia entano izy handray anjara, ka raha manaiky izy ireo, dia ampafantaro anay raha mamoaka dika mitovy amin'ilay horonantsary amin'ny aterineto ianao, ary apetrao eny amin'ny sokajin'ny tsikera. Aza adino ny mijery ny FAQ, ny ireo fepetran'ny Fizotran'ny lalao ary ireo vaovao manan-daja hafa momba ilay fifaninanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.